· Avrily, 2011

Below are posts about citizen media in Arabic. Don't miss Global Voices الأصوات العالمية, where Global Voices posts are translated into Arabic! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Avrily, 2011

Ejipta: “Tena mampalahelo ahy tokoa i Mobarak”

Anisan'ireo lahatsoratra manokana momna ny fanoherana tany Ejipta 2011 ity . Hatramin'ny nivoahan'ny vaovao tamin'ny herinandro lasa fa ny filoha teo aloha Hosni Mubarak sy ny zanany roalahy Alaa sy Gamal El-Din no  nosamborina sy ampiakarina fitsarana, ilay blaogera sady mpitolona Hany George, nilaza fa niresaka tamin'ny olona maro izy ka malahelo...

Syria: Lalàna Amin'ny Tany Misahotaka Naato,Mitohy Hatrany Kosa Ny Hetsi-Panoherana

Tany Syria, nifamahofaho be ihany ny fandraisana ny fanambaràna nataon'ny Filoha Bashar Al-Assad androany nilazany ny fiafaràn'ny fepetra fanao amin'ny tany misahotaka izay efa nihatra teo amin'ny firenena hatramin'ny 1963. Nandalo herinandro maro nisianà hetsi-panoherana ny firenena, ary maro tamin'ireny no nisedra herisetra mahafaty avy tamin'ny mpitandro filaminana ofisialy.

Ejipta: Mahatsiaro Ny Zava-nitranga Tao Bahr El-Baqar

Iraikambiefapolo tana lasa izao, ny 8 Aprily 1970, ary nandritra ny Ady Mitarazoka Attrition, nodarohan'ny tafika Israeliana ny sekoly ambaratonga voalohany iray tao amin'ny tanana Ejiptiana Bahr el-Baqar, atsimon'i Port Said, any amin'ny faritany atsinanan'i Sharqia. ny Sekolin'i Bahr El-Baqar - sekoly iray misy efitrano telo sy mampiantrano mpianatra 150 - no simba, 30 amin'ny mpianatra tao no maty, 50 mahery no naratra mafy, ary marobe no nitondra takaitra. Ary taorian'ireo taona maro ireo, mbola mahatsiaro ilay vonomoka ny Ejiptiana.

Bahrain: Nosamborina i “Emoodz”, mpitoraka blaogy

Tamin'ny faha 30 Martsa 2011, dia nosamborina ilay mpitoraka blaogy teratany Bahraini Mohamed El-Maskati, fantatry ny olona bebe kokoa amin'ny anarana hoe "Emoodz" eo amin'ny tontolon'ny blaogy. Raha araka ny hevitry ny 'Reporters sans frontières', ny fisamborana an'i El-Maskati dia niseho taorian'ny fandrahonana tao amin'ny Twitter izay nataon'ny olona iray ao amin'ny fianakavian'ny mpanjaka, ary fantatra tsara amin'ny hoe @emoodz i El-Maskati ao.

Yemen: mitohy ny famoretana atao amin'ireo mpanao fihetsiketsehana

Tamin'ny alatsinainy (04 aprily), nisehoana famoretana nandatsahana ain'olona nataon'ny miaramila tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana tsy mankasitraka ny fitondrana tao an-tanànan'i Taiz sy Hodaida. Dia izay indray, i Ali Abdullah Saleh, izay nitondra an'i Yémen nandritra ny 32 taona, no nampiasa miaramila sy bala tena izy hanoherana ireo mpanohitra mitaky ny...

Ireo pejinay momba an i Arabo

ar