Tantara mikasika ny Hongria tamin'ny Febroary, 2012
Hongria: Misy Loza Iray Hafa Miforona Mandrahona ny Tontolo Iainana
Ny Oktobra, nitarika loza goavana indrindra teo amin'ny tontolo iainana teo amin'ny tantaran'i Hongria tato ho ato ny firarahana fotaka mena mahafaty avy amin'ny fitahirizana tany Kolontár. Mampifantoka ny saina amina fitahirizana fakon'akora mampidi-doza ny Atlatszo.hu sy ny Greenpeace, any amin'ny vohitr'i Almásfüzitő, izay "mitete tahaka ny spaonjy" ary efa miteraka fahasimbana eo amin'ny tontolo iainana sy eo amin'ny fahasalamana sahady.
Hongria : veloma i Malév!
Malév, kaompaniam-pitanterana an'habakabaka Hongroà, niorina tamin'ny taona 1946, no nikatona tamin'ny 03 febroary satria bankirompitra. Araka ny vaovao an-gazety [hu], tsy nahalala ny hanakatonana ity kaompania ity ireo mpiasa tao raha tsy adiny...