· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Mey, 2012

Repoblika Demokratika Kongo: Mitombo Ny Fanalan-jaza An-tsokosoko Ao Goma

  18 Mey 2012

[Nangonina tamin'ny alalan'ny mailaka sy resadresaka mivantana tamin'ny teny frantsay ny fijoroana vavolombelona amin'ity lahatsoratra ity, ary amin'ny teny frantsay avokoa ny rohy rehetra]  Tranga mahazatra ao amin'ny faritany maro ao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo ny fanalan-jaza an-tsokosoko, indrindra ao Goma, Kivu Avaratra, vokatry ny fanalan-jaza izay miha-mitombo isan'andro isan'andro...

Norvezy: Ireo Resaka Momba An'i Amerika Latina Ao Amin'ny Oslo Freedom Forum

  16 Mey 2012

Ny herinandro lasa teo no notontosain'ny Human Right Foundation tao an-drenivohitra norveziana ny Oslo Freedom Forum. Ny teny filamatra “Avy amin'ny aizina mankamin'ny mazava,” avondron'ny  forum ny endrika fanta-daza manerantany hiresaka ny krizy mahaolona sy hifanakalo hevitra momba ny fiantraikany. Iray amin'ny nandray anjara fitenenana mandritra ny fotoana mitondra ny lohahevitra...

Espaina: Mivelatra Ihany Koa Ny Zavakanto Ao Amin'ny Lohataona Ankapobe

  15 Mey 2012

Ny 12 Mey (12M) ka hatramin'ny 15 Mey (15M) [es], Miaina hetsika sosialy eny an-dalambe hanoherana ny fifehezan'ny banky sy hitaky ny isian'ny rafitra demokratika, andraisan'ny besinimaro ary [salama] mety kokoa ny ao Espaina. Noho ny fiitaran'ny fihetsiketsehana sy ny tsy fahafaliana amin'ny ankapobeny, nahatratra ny tanjony hitombo sy hahazo ny...

Eoropa : Tsianjery Maimbo Momba Ny Fifindra-monina

  11 Mey 2012

Nifarana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena frantsay saingy ny nifidianan'ny filoha teo aloha, Nicolas Sarkozy, hanao ny resaka fifindra-monina ho ivon'ny fampielezan-keviny kosa dia mitohy resahana hatrany ety anivon'ny tranonkala. Manotany teny ny maro amin'ny mpiondana aterineto raha toa io safidy nanaovany pi-maso tamin'ny hery farany havanana mba ho fampandaniana azy io ka nanampy mba hanamaivamaivana ny fahareseny, na mifanohitra amin'izany, anisan'ny antony iray nampandositra ireo mpifidy azy.

Madagasikara: Nogidrahan'ny Tafika Ny Mpampianatra Mitokona

  10 Mey 2012

Nitokona nandritra ny herinandro noho ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny vola raisin-dry zareo isam-bolana ny sendikàn'ny mpampianatra. Noteriterena tamin'ny alalan'ny fandefasan'ny tafika mitam-piadiana baomba mandatsa-dranomaso [fr] ny hetsi-panoherana. Niditra tao anatin'ny hetsi-panoherana ihany koa [mg] ny mpianatra (via bolonga-tsarin'i Jentilisa).

Armenia: Nitera-doza Ny Fipoahan'ireo Balaonina Nandritra Ny Fampielezan-kevitra

Niharan-doza ny famoriam-bahoaka nandritra ny fampielezan-kevitra fifidianana solombavambahoaka tao Yerevan, renivohitr'i Armenia, tamin'ny Zoma 4 Mey, noho ny sigara voalaza fa nandrehitra ireo balaonina mandeha amin'ny entona. Mahery ny 140 ny olona naratra nandritra ny fipoahana araka ny tatitra voaray. Nisy rindran-kira ihany koa ny  fampielezan-kevitra nokarakarain'ny antoko Repoblikana andro vitsy mialoha...