Tantara mikasika ny Antsafa tamin'ny Aogositra, 2018
Adin'ny Rakipahalalana: Fampiasana Weibo Mba Hanosehana Ny Wikipedia Ao Shina

Ny fitadiavana vaovao amin'ny tambajotra ao Shina dia mety midika ho fampiasana kokoa ny rakipahalalana tsy mampidi-bola an'ny tambajotra Baidu, mitaha amin'ny fampiasana ny rindrambaiko malalaka Wikipedia. Ny toniandahatsoratra, Addis Wang, dia manana tanjona amin'ny fanairana ny ao Shina momba ny Wikipedia (sy ny toetsaina fizaràna fahalalana ao aminy) amin'ny alalan'ny fampiasana ireo media sosialy miaraka amin'ilay fampiasa malaza Weibo.
Kathryn Ward amin'ny tombotsoan'ny famahanana bilaogy ho an'ny vehivavy Bangladeshi

Ho an'ity antsafa notanterahan'ny Rising Voices ity dia mihaino ny resadresaka mivantana niarahana tamin'i Kathryn Ward, mpanorina ny Nari Jibon avy ao amin'ny fandaharan'i Big Muddy ao amin'ny onjam-peo WDBX any Carbondale, Illinois, isika.
Antsafa niarahana tamin'i Jamila Venturini ao amin'ny Friends of Januária

Iray amin'ireo mpandrindra ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices Friends of Januária i Jamila Venturini, mpanao gazety Breziliana. Ao anatin'ity lahatsarin'ny antsafa niarahana taminy ity izy niresaka ny antony nanombohana ny tetikasa fanentanana ny fampitam-baovaon'olo-tsotra any amin'ny tanànan'i Januária.
Fampahafantarana ny Mokattam Blog Tales

Mpandrindra ny tetikasa Mokattam Blog Tales i Nesma Gewily ao amin'ny Masaken Alzelzal - Alhadba Alwosta, manodidina an'i Kairo, Egypta. Ato amin'ity tantara ity, manoritsoritra momba ny tetikasa i Nesma, niaraka tamin'ny fiara-miasa tamin'ny fikambanana Alwan Wa Awtar izay hampianatra ny... fampiasana ny fitaovan'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra.
Fampahafantarana ny “Vehivavin'i Minya isan'andro”

Tetikasa vaovao indrindra ao amin'ny New Women Foundation (Orina Mpanasoa ho an'ny Vehivavy Olom-baovao) any Kairo ny vehivavin'i Minya isan'andro. Nanome atrikasa ho an'ny vehivavy monina sy miasa any El Minya any amin'ny 250 km eo atsimon'ny renivohitra i Nevine Ebeid sy ireo mpikambana hafa ao amin'ny ekipan'ny Orina Mpanasoa.
Dimy minitra nifampiantsoana telefônina tamin'i Eddie Avila

Tamin'ity herinandron'ny 22 febroary 2008 ity izahay nanomboka fanasongadinana vaovao ao amin'ny Rising Voices hifandraisanay tsy tapaka amin'ireo mpitarika ny tetikasa 10 ivelan'ny Rising Voices. Tamin'i Eddie Ávila izay ao Etazonia amin'izao fotoana izao hanolotra ny ny Voces Bolivianas ao amin'ny We Media conference ao Miami, Florida no nifampiresahay voalohany.
Antsafa niarahana tamin'i Pablo Flores

Ny andro taorian'ny nanoloran'i Pablo Flores ny famelabelarany tao amin'ny Ars Electronica Symposium momba ny teknolojia cloud sy ny fanabeazana dia afaka niresaka niaraka taminy nandritra ny minitra vitsivitsy izahay mba hamantarana bebe kokoa momba ny tetikasany sy ny taom-pialantsasatra nataony nandritra ny taona