Tantara mikasika ny Antsafa tamin'ny Jona, 2017
Fiteny: Topimaso Momba Ny Fifanakalozan-kevitra An-tserasera Ato Amin'ny Rakipeo Global Voices

Ato amin'ity fizaran-tantaran'ny rakipeo Global Voices volana Novambra ity, mifantoka amin'ny fampiasana ny fiteny izay sarotra hita ao amin'ny Aterineto ny lohahevitry ny adihevitra. Manolotra ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera amin'ny alàlan'ny "Fampiasana ny Fitaovan'ny Mediam-bahoaka mba Hampiroboroboana Ny Fiteny tsy dia Fahita Loatra " ihany koa ny rakipeo.
[Rakipeo] Ny Andro Ho An'ny Fitenenana Boliviana

Tamin'ny 19 Aprily, nampiantrano ny Andron'ny Fitenenana Boliviana ny Voces Bolivianas tao amin'ny toerana miisa valo samihafa manerana ny tanàndehibe Boliviana miisa enina, hetsika voarindra iray andro izay manofana ny Boliviana am-polony amin'ny fomba hanombohana ny bilaoginy manokana sy ny fandraisana anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera nasionaly sy manerantany .