Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fampahafantarana ny Mokattam Blog Tales

(Marihina fa tamin'ny 27 Jolay 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niasa-niasa tamin'ny tanora sy ny fampandrosoana nandritra ny taona maromaro i Nesma Gewily ary nahaliana azy tokoa ny mitady lalana ampiasàna ny fampitam-baovaon'olon-tsotra mba hanentanana ny tanora sy ny talenta famoronan'izy ireo. Iray tamin'ireo rantsana farany indrindra nahazo fanohanana avy amin'ny Rising Voices ao Egypta izy ary niara-miasa tamin'ny fikambanana Alwan Wa Awtar tsy mitady tombontsoa tao an-toerana, izay mikarakara ireo ankizy sy ny tanora teo amin'ny manodidina ny Vohitra Mokattam ao Kairo nandritra ny dimy taon. Ahitana fanamboarana saribakoly marionety, leson-kira, fanabeazana akademika, ary karazana zavakanto famoronana rehetra ny hetsika sasany ataon'ny fikambanana. Nesma no nanomana ny tetikasa Mokattam Blog Tales ao amin'ny Foibe Alwan Wa Awtar, mba hampianarana ny zatovo ny fomba fampiasana ny fampitam-baovaon'olon-tsotra mba hilazana ny tantaran'ny manodidina azy ireo. Ato amin'ity lahatsary ity, miresaka momba ny fanantenany mikasika ny tetikasa sy ny fomba fijeriny momba ny tetikasa ho an'ny tanora eo amin'ny manodidina i Nesma..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.