Kathryn Ward amin'ny tombotsoan'ny famahanana bilaogy ho an'ny vehivavy Bangladeshi

(Marihina fa tamin'ny 16 Martsa 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ho an'ity antsafa notanterahan'ny Rising Voices ity dia mihaino ny resadresaka mivantana niarahana tamin'i Kathryn Ward, mpanorina ny Nari Jibon avy ao amin'ny fandaharan'i Big Muddy ao amin'ny onjam-peo WDBX any Carbondale, Illinois, isika. Nosoritsoritan'i Kathy ny fomba nanombohan'ny Nari Jibon sy ny fomba nampidirany famahanana bilaogy sy ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra tao amin'ny fianarana teny Anglisy sy ny fampiofanana amin'ny solosaina mba hanomezana ireo vehivavy ao Dhaka, Bangladesh ny feo matanjaka sy ny vondrom-piarahamonina an-tserasera.

icon Trohy ny dosie MP3

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.