Adin'ny Rakipahalalana: Fampiasana Weibo Mba Hanosehana Ny Wikipedia Ao Shina

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2014)

Tamin'ny 4 Desambra 2013, i  no voalohany namoaka ity lahatsoratra ity tao amin'ny bilaogin'ny Wikimedia ho toy ny Fampiasàna ny media sosialy mba hampandraisana anjara ireo mpamaky sy mpanoaka lahatsoratry ny Wikipedia ao Shina. Navoaka indray niaraka tamin'ny lisansa Creative Commons.

Photo by Le Zheng CC-BY-SA-3.0

Sary an'ny Le Zheng CC-BY-SA- 3.0

Nandrafitra fomba fijery iray i Addis Wang toniandahatsoratry ny Wikipedia mba hanapariahana ny fahafantarana ny Wikipedia ao amin'ny Repoblika Entim-bahoaka an'i Shina (PRC).  Mampiasa kaonty iray ao amin'ny Weibo izy sy ireo mpiara-miasa marobe – ilay vovonana media sosialy  toy ny Twitter, izay vohikala fahafito ankafizina indrindra ao Shina, mba hampahafantarana ny vontoatin'ny Wikipedia sy ny an'ny vondrom-piarahamonina manontolony ho any amin'ireo Shinoa mpamaky.

Tsy fanamby kely io. Ho an'ny 20%-n'ny mponina erantany monina ao amin'ny Repoblika Entim-bahoaka an'i Shina, ny Wikipedia dia mpifaninana any lavitra amin'ny Baidu-Baike, rakipahalalana sinoa iray tsy mampidi-bola izay ahitana lahatsoratra 6.7 tapitrisa. Sahala amin'ny Wikipedia, fiarahana manoratra ny Baidu. Saingy ireo politikany amin'ny fametahana lisansa amin'ny vontoatiny, ny sivana sy ny famintinana dia tsy misokatra raha mitaha amin'ireo an'ny Wikipedia (nanamarika ihany koa ireo Wikipediàna fa maro ireo lahatsoratra ao no nadika avy tao amin'ny Wikipedia tamin'ny teny anglisy tsy nasiana fanamarihana).

Angamba ny fibahanan-toeran'ny Baidu dia mety ho vokatra ampahany ihany amin'ny fahazoana voafetra ny Wikipedia ao amin'ny RPC tato anatin'ireo taona farany. Tsy azo notsidihana ny sehatra zh.wikipedia.org tao amin'ny tanibe Shina ny taona 2005 hatramin'ny taona 2008. Ankehitriny, ny Wikipedia dia sehatra manakaikaiky ny faha 150 izay tena be mpanodina indrindra ao Shina (araka ny comScore, ireo tetikasa Wikimedia no faha-5 betsaka mpitsidika indrindra erantany, araka izay voalazan'ny Alexa, ny Baidu no vohikala be mpitsidika indrindra ao Shina). Maro amin'ireo olompirenena shinoa no tsy mahalala akory fa misy amin'ny teniny ny wikipedia, izay mazava be fa mahatonga ny fandraisana anjara ho sarotra kokoa.

Ny hevitr'i Addis, izay ny Wikimedia Foundation Individual Engagement Grant no manohana ara-bola, dia mitsinjo ny hamahàna ireo olana ireo amin'ny alalan'ny fampiasana  media sosialy mba hahazoana ireo vahoaka shinoa marobe ety amin'ny tambajotra . Vovonana iray idealy ny Weibo mba hanmezana andran-tsira ho an'ny olona momba izay azo omen'ny Wikipedia. “Amin'ny teny sinoa, afaka mahazo vaovao marobe ianareo amin'ny teny 140 noho ny amin'ny teny anglisy”, hoy ny fanazavan'i Wang. Ary sahala amin'ny an'ny Twitter, omen'ny Weibo fahafahana mandefa sary ireo mpampiasa azy. Tamin'ny Aprily 2013, nanomboka namoaka famintinana ho anà lahatsoratra Wikipedia iray hafa i Wang sy ireo mpiaramiasa aminy isanandro, teo amin'ny alàlan'ny kaonty Weibo natokan-dry zareo ho amin'izany.

Ireo lahatsoratra nivoaka voalohany na tsy mahazatra amin'ny ankapobeny no asongadin-dry zareo. Manazava i Wang hoe, “Manandrana mifidy an'ireo lahatsoratra mahaliana izahay mba hisarihana ny sain'ny olona.” Lasa miparitaka be ny sasantsasany amin'ireny lahatsoratra. Ohatra, ny famintinana ny lahatsoratra an'ny Wikipedia amin'ny teny anglisy mikasika ny feon'ireo hoho eo amin'ny solaitrabe nosoratana tamin'ny teny Shinoa dia nahazo tsidika 52 sy fijery 21 000 nandritra ny herinandro voalohany.

Mampiasa Weibo ihany koa i Wang mba hitantanana ireo fanentanana ifandrimbonana ho fananganana vondrom-piarahamonina. Fanentanana iray, aingam-panahy avy amin'ny lahatsoratra indray takariva avy aminà shinoa mpamaky, nanasa ireo olona mba hamoaka tantara mikasika ny “fiankinandohan-dry zareo amin'ny Wikipedia”. Fanentanana hafa iray nifototra tamin'ny fampahafantarana ny vondrom-piarahamonina ao ambadiky ny Wikipedia tamin'ireo shinoa mpamaky . Tamin'ny volana Jolay 2013, nandefa filazana iray i Wang momba ny fivoriana Wikimania ho atao ao Hong Kong. Nampanantena izy fa ny olona rehetra mamerina mandefa filazàna ao amin'ny fantsona Weibo-n'izy ireo dia ho voasoratra daholo amina fisarihana iray mba hahazo karatra paositaly  iray avy any Hong Kong mandritra ilay fivoriana. Naharay fampidirana niisa 239 io fanentanana io ary 300 no isan'ireo mpamandrika vaovao voarakitra.

Tamin'ireo mpamandrika manodidina ny 10 000 tao anatin'ny enim-bolana latsaka, nanjary fitaovana raitra iray ny kaonty Wikipedia an'ny Weibo hanapariahana ny feo momba ilay hetsika, sahala amin'ny Meetups  Wikipedia teo an-toerana (ilay iray vao haingana tao amin'ny Anjerimanontolo ho an'ny Teknolojia ao Dalian, nahitàna mpandray anjara 60). Mampiasa Weibo ihany koa Wang mba ampahafantarana ny fanentanana manaraka: ny Wiki Loves Monuments.

Ireo fanentanana media sosialy ireo dia niteraka fandraisana anjara vaovao tao amin'ny Wikipedia shinoa. Niasa manokana niaraka tamina mpanaraka iray i Wang, ity farany izay lasa liana tamin'ny fandraisana anjara taorian'ilay fanentanana Wikimania, manoro lalana azy manerana ny zotra fampiakarana an'ireo sarina tonelin-dalamby eo an-toerana izay toerana iray nisian'ny tranga manan-tantara iray ho an'ny Wikimedia Commons. Mino i Wang fa ny fandraisana anjara dia misy vokany mahomby eo amin'ny tsirairay sy eo amin'ny Wikipedia: “Rehefa mamoaka Wikipedia ianao, mahay zavatra maro”, hoy izy, “eo ampamolavolana hevitra ao an-tsainao ianao amin'izao fotoana izao”.

Na efa manampy olona vaovao aza mba hialàna amin'ireo fahasarotana ara-teknika amin'ny fianarana handray anjara, misy hatrany ireo olana ara-tsosialy sy ara-pitsaràna ary ireo fahadisoan-kevitra tsy maintsy vahan'ireo matihanina mpampiasa Wikipedia toa an'i Addis Wang. Raha ny fisehon'ny goragora momba ny zon'ny mpamorona ao Shina no heverina, milaza i Wang fa sarotra kokoa ny mampianatra mpandray anjara vaovao hialàna amin'ny halatahaka rehefa mikirakira ireo lahatsoratra hifanarana amin'ireo politikan'i Wikipedia. Ary marihany fa “ao Shina, ampifamatorin'ny olona amin'ny WikiLeaks ny Wikipedia.”

Mahatoky tena be i Wang mikasika ny herin'ny Wikipedia ao Shina. Mino izy fa ny vahoaka shinoa dia mety hanana fiantraikany goavana amin'ny fianarana ny fomba fanatonana malalaka sy misokatra ananan'ny Wikipedia mankany amin'ny fahalalàna. Heveriny ho toy ny fomba iray hahafahany mampitombo an'io fiantraikany io ny fanentanana amin'ireo media sosialy. “Anisan'ny iray amin'ireo fomba tsara indrindra handonana mivantana  ireo olona ao Shina ny media sosialy. Natomboko io tetikasa io satria fantatro fa kely ny fahafahako mandray anjara amin'ny maha-olon-drery”, hoy izy. “Raha lahatsoratra iray isanandro no andraisako anjara dia tsy afaka mamorona afatsy lahatsoratra 365 aho ao anatin'ny taona iray.” Nefa raha mahazo aho, na dia olona iray isan-kerinandro aza, mba hanjohy ny Wikipedia, dia afaka hanana fiantraikany manan-danja betsaka eo amin'ny vontoatiny. Ary koa hitondra hevitra sy fomba fijery misimisy kokoa.”

Tafatafa sy mombamomba an'i Jonathan Morgan, Mpikaroka Tetkadi ho an'ny Orina Fanasoavan'ny Wikimedia

Fandraisana anjara tamin'ny fanoratana sy famoahana avy amin'i Siko Bouterse. Lehiben'ny Individual Engagement Grants ao amin'ny Orina Fanasoavan'ny Wikimedia.

Fandraisana anjara amin'ny vontoaty avy amin'i Addis Wang, Wikipedian sy Individual Engagement Grantee.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.