Fampahafantarana ny “Vehivavin'i Minya isan'andro”

(Marihina fa tamin'ny 28 Jolay 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
http://blip.tv/play/hfMYgfG3eAA
Tetikasa vaovao indrindra ao amin'ny New Women Foundation (Orina Mpanasoa ho an'ny Vehivavy Olom-baovao) any Kairo ny vehivavin'i Minya isan'andro. Nanome atrikasa ho an'ny vehivavy monina sy miasa any El Minya  any amin'ny 250 km eo atsimon'ny renivohitra i Nevine Ebeid sy ireo mpikambana hafa ao amin'ny ekipan'ny Orina Mpanasoa. Ireo vehivavy izay miasa any amin'ny toeram-pambolena sy ny asa an-trano, ary matetika miatrika fanavakavahana sy herisetra no mpandray anjara nokendrena. Hasehon'ny ekipa ireo vehivavy ny fomba fampiasana ny fitaovana nomerika, toy ny fanatontosana rakipeo sy fakana sary mba hitantarana ny fiainany andavanandro, ary ho hita ao amin'ny tranonkalan'ny Orina Mpanasoa ho an'ny Vehivavy Olom-baovao izany. Ato amin'ity lahatsary ity, niresaka momba ny dingana voalohany nataon'ny tetikasa mba hiarovana ny fampiroboroboana ny zon'ny vehivavy sy mba hanomezana hoan'ny vahoaka ny feo an-tserasera i Nevine.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.