Tantara mikasika ny Antsafa tamin'ny Jona, 2022
Fantaro i Prasanta Hembram, mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny Santali avy ao India
Prasanta Hembram dia miasa mba ho betsaka kokoa ety anaty aterineto ireo loharanon-kevitra, votoatim-panabeazana, ary fampiasa azo raisina amin'ny fiteny Santali.
Fantaro i Alhassan Mohammed Awal, mpikatroka ho an'ny fiteny Dagbani
Avy ao Ghana, niasa hatrany nizara fahalalàna tamin'ny alàlan'ny fitenindreniny i Alhassan Mohammed Awal, nampiasàny ny Dagbani tamin'ireo tetikasa Wikimedia.
Fanontaniana sy valiny ifanaovana amin'i Beñat Garaio, mpikatroky ny fiteny Basque
Ao amin'ny Firenena Basque ao Espaina, miasa i Beñat Garaio amin'ny fampiroboroboana ny teny Basque amin'ny alalan'ny fikarakarana fisantaran'andraikitra sy lanonana, fifaneraserana amin'ireo vondrom-parahamonina ampielezana ary fandraisana anjara amin'ny hetsika fanohanana akademika (oniversitera)
Fanontaniana & Valiny niarahana tamin'i Silvia Cebolla, mpikatroka ho an'ny fiteny Aragonezy
Avy any Aragón, Espaina, nampitomboin'i Silvia Cebolla ny fahitàna ny fiteny aragonezy, amin'ny maha-mpanolotra fandaharana anaty fahitalavitra azy, sy maha-mpikarakaraka sakafo "vegan" ao amin'ny YouTube, ary amin'ny alàlan'ireo hetsika maro hafa ety anaty aterineto ho fampiroborobana ilay fiteny.
Fantaro i Daniel Abugre Anyorigya, mpikatroka ho an'ny fiteny Gurene
Avy any Ghana i Daniel Abugre Anyorigya, mizara ny fahalalany amin'ny fitenindrazany, ny Gurene, amin'ny alàlan'ireo tetikasa Wikimedia.
Fanontaniana & Valiny niarahana tamin'i Romas, miasa ho fandrisihana misimisy kokoa ireo mpampiasa ny fiteny Karaim
Araka ny fanadihadiana iray vao haingana, olona latsky ny 20 sisa, zokiolona ny ankamaroany, ao Litoania no afaka mampiasa, miteny, mahatakatra ary mamaky ny fiteny Karaim. Nitafa tamin'i Romas izahay, izay nizara ireo ezaka ho fampiroboroboana ireo mpiteny vaovao.
Resadresaka nifanaovana tamin'i Kevin Scannell, mpikatroka fiteny Irlandey
Nandritra ny 20 taona mahery i Kevin Scannell no mpiaro ny teny Irlandey ary mihevitra izy fa zava-dehibe ny fanomezana safidy an-tserasera ho an'ireo mpampiasa ny teny Irlandey.