Tantara mikasika ny Antsafa tamin'ny Septambra, 2018
Fantaro ilay bilaogera Yesenia Corrales
Nandritra ny telo taona, nifantoka tamin'ny fanazavana ireo faritra mpifanolo-bodirindrina samihafa manodidina ny tanàna, toa an'i La Loma, ary koa faritra hafa ao Kolombia ny tetikasa HiperBarrio ao Medellin. Na izany aza, asa mafy nataon'ireo mpandrindra ny tetikasa izany, indrindra fa ireo bilaogera vaovao, izay nanampytamin'ny tetikasa.
Fampahafantarana ny tetikasa firesahana momba ny fady
Mitohy ny fanomanana ho an'ny atrikasa voalohany ao amin'ny tetikasa "Miresaka ny Fady" nokarakarain'ny ekipa avy ao amin'ny vondrona ao Kairo Nazra for Feminist Studies, iray amin'ireo tetikasa telo eto Ejipta izay tohanan'ny Rising Voices amin'izao fotoana izao.
Tafatafa niarahana tamin'i Cristina Quisbert ao amin'ny Voces Bolivianas
Iray tamin'ireo tetikasa fampahalalam-baovaon'olon-tsotra dimy voalohany nahazo ny vatsy kely avy amin'ny Rising Voices tamin'ny volana Jolay ny Voces Bolivianas ('Feo Boliviana'). Nikarakara andiana atrikasa efatra isan-kerinandro tao amin'ny cybercafe iray ao El Alto, Bolivia ireo tetikasa fitaratra roa voalohany, tarihan'i Mario Duran, Eduardo Ávila, sy Hugo Miranda.
Bilaogerana asongadina: Getutza
Manaiky i Getutza fa olona saro-kenatra izy. Na izany aza, nahita izy fa nanampy azy handresy io fahamenarana io ny bilaogy noho ny fandraisany anjara tamin'ny tetikasa Blogging the Dream avy amin'ny Orizonturi Foundation tao amin'ny Campulung Moldovenesc any Romania.
Fantaro ilay bilaogera Sara Abd Al-Maktari
Nanomboka nandray anjara tamin'ny atrikasa voalohany natolotry ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices 'Fanohanana ireo Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media' (EWMAT) any Yemen ilay bilaogera Sara Abd Al-Maktari. Nanolontena izy nanomboka tamin'izay tamin'ny fitarihana ny andiana atrikasa mba hampianarana ny vehivavy momba ny fampiasana ny fampitam-baovaon'olon-tsotra.
Bilaogera Asongadina: Edgar Andres Yana Lisme
"Te hampahafantatra ny faritaniko aho" hoy ilay bilaogera Edgar Andres Yana Lisme nanamafy,