Mihamivoatra ny nentin-drazana tsimanampaharoa hiraina mandritra ny Ramadany ao Azia Afovoany

Kilongan'i Kyrgyzstan miakanjo ny fitafiam-pirenena sy mihira jaramazan. Nopihana avy amin'ny horonantsary “”KGтай” балдары – Жарамазан (Клип 2023)” avy amin'ny fantsona YouTube Solo. Fampiasana ara-drariny.

Tamin'ny 5 Aprily, nitaraina momba ireo ankizy mihira jaramazan eny an-dalana i Elizaveta Alymbaeva, depioten'ny filankevitry ny tanànan'i Bishkek, renivohitr'i Kyrgyzstan, ka mampikoropaka ireo mpanamory fiara. Voatondro amin'ny Jaramazan, fantatra ihany koa amin'ny hoe jarapazan amin'ny fiteny Kazakh sy yaremezan amin'ny fiteny Turkmen, ireo hira nentin-drazana fanaon'ny olona ao amin'ireo repoblika ao Azia Afovoany ao Kazakhstan, Kyrgyzstan, Turkmenistan, ary Ozbekistan mandritra ny Ramadany ho fankalazana ny fanombohany sy hifampiarahabana rehefa miala amin'ny trano iray mankany amin'ny iray hafa.

Ity misy lahatsary YouTube momba ny tantara sy ny fitsipiky ny fihirana jaramazan ao Kyrgyzstan.

Araka ny filazan'i Alymbaeva, mihaza olona manodidina ireo ankizy mihira jaramazan ao Bishkek ary iverimberenany tsidihana ireo trano, birao, fiara ary trano fisakafoana, ary manantena zavatra sy vola ho setrin'izany. Nososohan‘i Svetlana Kenzhebayeva, mpiara-miasa aminy, fa na dia amin'ny antoandro aza ireo ankizy ireo dia mihira jaramazan, izay mifanohitra amin'ny fomban-drazana tsy mihira izany raha tsy amin'ny alina.

Ny mahasorena ireo depiote ireo dia ny fiovan'ny fomban-drazana manodidina ny jaramazan, karazana mozika safatsiroa any Azia Afovoany ary avy amin'ny fampifanarahana ny finoana silamo amin'ny odidina ara-kolontsaina sy sosialy eo an-toerana. Tamin'ny taonjato faha-8 no tonga voalohany tao amin'ny faritra ny finoana islamo, taorian'ny nisandratan'ny kalifà Abbasid tamin'ny nandreseny ny tarana-mpanjaka Shinoa Tang tamin'ny ady tao Talas, izay nitranga tao Kyrgyzstan amin'izao fotoana tamin'ny taona 751. Nanova ny kolontsain'ny faritra ny vokatry ny ady, nanokatra ny varavarana hidiran'ny fanasilamoana azy, ary ankehitriny, maherin'ny 90 isanjaton'ny mponina ao Azia Afovoany no silamo Sonita.

Misy endrika maromaro ny jaramazan. Matetika ireo manao izany no mamorona sy manova ny tononkira, arakaraka ny harena sy ny satan’ny olona ihiràny eo alohany. Na izany aza, manana rafitra mitovy misy fiarahabana sy fampahafantarana fahatongavan'ny Ramadany amin'ny fiandohana ny endrika rehetra amin'ny jaramazan arahin'ny fideràna ireo tompon-trano mihaino ny hira, ary manolotra vavaka sy firarian-tsoa amin'ny farany.

Indro ny jaramazan amin'ny fiteny Kyrgyz.

Tany aloha, mivezivezy manodidina ny andian-tovolahy sy lehilahy lehibe nihira jaramazan teo anoloan’ny mpiara-monina aminy, izay nanome akanjo sy sakafo ary hatramin’ny omby, arakaraka ny hareny. Misy mihevitra fa olona mahantra no nanao ny jaramazan, izay nanao izany ho amin'ny tombontsoa ara-toekarena. Ny hafa indray mametraka fa ny akyns (poeta mamorona eo noho eo) no mpanao jaramazan mampiasa zavamaneno ao an-toerana ho anisan'ny fomban-drazana ara-pivavahana ifotony sy nasionaly mifandraika amin'ny Ramadany.

Indro ny jaramazan amin'ny fiteny Kazakh.

Na dia taorian'ny nahatongavan'ny finoana islamo tany Azia Afovoany aza no nipoiran'ny jamarazan, dia manaiky ny mpampianatra ambony fa mifototra amin'ny finoana sy fombafomba talohan'ny fahatongavan'ny islamo izy io, toy ny fiantsoana hanombohan'ny orana na hampitsaharana ny rivotra, izay nahitana fihirana mandritra izany. Amin'io lafiny io ny jaramazan mitovy amin'ny fankalazana ny Nowruz, fetin'ny Zoroastriana, izay mbola malaza any Azia Afovoany noho ny fiaraha-mientana taminy miaraka amin'ny Miozolomana ao an-toerana ho fetim-pirenena fa tsy fety ara-pivavahana.

Hatramin'ny taona 1991 no nampalaza ny Jaramazan, rehefa nahazo fahaleovantena tamin'ny Firaisana Sovietika i Azia Afovoany. Nanomboka teo, nitarika ho amin'ny fampiroboroboana ny fomba amam-panao islamika indray ny fanasilamoana ny faritra, toy ny fifadian-kanina mandritra ny Ramadany, sy ireo fomban-drazana isan-karazany mifandray amin'izany. Ny fitomboan-dazan'ny Jaramazan no mitondra azy ho any amin'ny trano fisakafoana, zaridainam-panjakana, lalana, ary birao, izay tanterahan'ny mpihira matihanina, ny ankizy madinika ary ny tanora. Niteraka adihevitra ampahibemaso ihany koa ny hoe ny jaramazan amin'ny ankapobeny dia fanazaran-tena fitalahoana tsy misy ifandraisany amin'ny finoana islamo. Ny tsy isalasalana fa marina dia fomban-drazana miavaka amin'ny mozika velona izay mifanaraka amin'ny toe-javatra samihafa ary miova isa-taranaka mifandimby ny fampiharana azy ny jaramazan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.