Fanontàna ho amin'ny fiteny Romani ny tantara an-tsary Dikan mivoaka ao Serbia

Sarin'ireo takelaky ny Politikin Zabavnik mampiseho tantara an-tsary  amin'ny fitenim-pirenena roa, serba sy Romani. Sary an'ny Meta.mk, nahazoana alàlana.

Tao amin'ny Meta.mk ity lahatsoratra ity no nivoaka voalohany. Dika nasiana fanovàna no averina avoaka etoana ao anatin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty nifanaovan'ny Global Voices sy ny Orina  Metamorphosis. 

Namoaka tantara an-tsary iray amin'ny fiteny Romani ny Politikin Zabavnik, gazetiboky serba malaza mivoaka isankerinandro, izay mankalaza ny faha-85 taonany amin'ity taona ity.

Asongadin'ilay tantara an-tsary nataon'i Lazo Sredanović sy Nikola Lekić ny anjorian’ i Dikan “ilay Slavy Tranainy sy tanora indrindra,” izay tena nalaza be mihitsy nanerana an'i Yôgôslavia manontolo. Tao anatin'ireo fanontàna farany nataony, nasian'ny Politikin Zabavnik takelaka iray misy fizaràna roa amin'ilay tantara an-tsary Dikan, sambany milahatra amin'ny fiteny serba sy romani.

Ny 8 Aprily dia nekena ho toy ny Andro Erantany ho an'ny Romani, ampiasaina ho fankalazàna ny kolontsaina Romani ary hanairana ny saina momba ireo olana atrehan'ny vahoaka Romani. Tamin'ny 1990 no nambara tamin'ny fomba ôfisialy ilay andro, tao Serock, Pôlônina, toerana nanaovana ny Kaongresy Fahefatry ny Fikambanan'ireo Romani Erantany.

“Fiarahana miasa amin'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisan-davitra, izy io sy izay fanontàna mbola ho avy amin'ny Politikin Zabavnik, dia hisy takelaka miaraka amina tantara an-tsary momba an'i Dikan, ilay Slavy Tranainy, amin'ny fiteny serba sy Romani,” hoy ny nambaran'ilay gazetiboky tao amin'ny pejy voalohany amin'ilay takelaka natsofoka ho ao amin'ny fanontàna faha-3764 navoakany.

Matetika i Dikan no ampitahaina amin'ireo maherifo ao anatin'ilay tantara an-tsary frantsay Asterix, izay nitondra aingampanahy ho an'i Lekić, mpanoratra, rehefa namorona an'i Dikan izy. Mitantara ny anjorian'ireo Slavy tranainy roa ilay tantara an-tsary, dia i Dikan sy ilay namana mahatoky azy Dadatoa Vukoje. Ny tantara dia nitranga nandritra ny vanimpotoanan'ny Fifindràmonina Goavan'ny Olona, tao Balkàna amin'ny ankapobeny.  Hita amin'ireo mpilalao ao anatiny ny dika mahatsikaiky avy amin'ireo foko, vahoaka, toerana ary olona nanan-tantara, isan'ireny ny Amperora Justinian Voalohany.

Tamin'ny Aprily 1969 no navoaka ny laharana voalohany tamin'ny tantara an-tsary Dikan.

Izy io no faharoa tantara an-tsary amin'ny fiteny Romani nataon'ny Politikin Zabavnik. Tamin'ny 2004 no natontan-dry zareo ny dikanteny Romani ho an'ny laharana iray amin'ny “Ireo anjorian'i Tintin” nosoratan'i Hergé, lay Belza mpanoratra, nitondra ny lohateny hoe “The Black Island.” (Ilay Nosy Mainty)

Tamin'ny Febroary 2024, navoakan'ny Politikin Zabavnik ny famerenana nanonta indray ny laharana voalohany nataon-dry zareo tamin'ny 1939, ho toy ny takelaka  natsofoka tao anatin'ny fanontàna jobily ho fankalazàna ny faha-85 taonany. Sary: Meta.mk.

Eo anilan'ilay gazetiboky frantsay Spirou, Zabavnik dia iray amin'ireo gazetiboky eorôpeàna tranainy indrindra ahitàna ny tantara an-tsary mitàna toerana manandanja na ampahany malaza amin'ireo votoatin-dry zareo. Hatramin'ilay laharana voalohany navoakany, natontan'ny vondrona iray nisy ireo manampahaizana liam-pivoarana avy amin'ny elatra havia tao Belgrady tamin'ny Febroary 1939, tantara an-tsary novokarin'ireo mpanoratra avy ao an-toerana no nasongadiny, ary manokana amin'izany ny Walt Disney, sy ireo mpanonta hafa Amerikàna sy Eorôpeàna. Rehefa nifandimby ny taona dia nampidiriny ireo klasika marobe avy amin'izao tontolo izao,  Flash Gordon sy the Phantom, hatramin'ny Modesty Blaise sy Tintin, sy ireo tantara an-tsary toa an'i Hagar the Horrible sy Garfield.

Tamin'ny 1941, nitsahatra tsy nanonta ny Zabavnik nandritra ny fibodoan'ny Nazi, ary nitohy tamin'ny 1951 taorian'ny nihoarany ireo fironana sasantsasany nankany amin'ny sivana teo anivon'ny Antoko Kaominista tao Yôgôslavia, satria ny sasany tamin'ireo tomponandraikitra dia nihevitra ny tantara an-tsary ho dindon'ny Tandrefana. Na izany aza, araka ny lovantsofina, ny filoha yôgôslavy Josip Broz Tito tenany muhitsy no nanome ny fankatoavany hanavaozana ny fanafarana boky tantara an-tsary, tamin'ny filazàna fa izy, toy ireo hafa ihany koa, dia mpankafy ny Donald Duck.

Tany amin'ny faramparan'ny andian-taona 1990s, nandritra ny Ady tao Yôgôslavia, naaton'ny Disney ny fiarahana miasa tamin'ny trano mpanonta printy Politika, izay nampiasa ireo bokiny hafa, ankoatra ny Politikin Zabavnik, mba hanohanana ny fitondran'i Slobodan Milošević. Ao anatin'ilay fanontàna jôbily nataony, nilaza ny efitrano famoaham-baovaon'ny Politikin Zabavnik fa hanavao ny fifandraisana amin'ny Disney ry zareo amin'ny hoavy.

Ilay fanontàna dia mbola aparitaka hatrany manerana ireo repoblika rehetra tao anatin'ny Yôgôslavia teo aloha ka manana tranokely fivarotana gazety.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.