Ny nahatonga an'i Mongolia tanjaky ny Basket 3×3

Ny mpilalao ao anatin'ny ekipam-pirenena Basket 3X3 avy ao Mongolia mankalaza ny fandresena azony tamin'ny FIBA 2023 Asia Cup. Pikantsary avy amin'ny lahatsary “Mongolia | Asia Cup  Winners Mixtape | FIBA 3×3 Asia Cup 2023″ tao amin'ny fantsona Youtube an'ny  FIBA3X3. Fampiasàna ara-drariny

Tamin'ny FIBA 3×3 Basketball Asian Cup natao tao Singapore ny 27 hatramin'ny 31 Martsa,  nanoratra ireo vokatra tsara indrindra vitany tanatin'ilay fifanintsanana i Mongolia, samy nahazo medaly alimo ny ekipam-pirenena lehilahy sy vehivavy. Manampy an'i Mongolia amin'ny fanamafisana ny toerany ho iray amin'ireo tanjaky ny basket ao Azia ireo zava-nisongadina ireo. Araka ny voalazan'ny Federasiôna Iraisampirenen'ny Basketball, laharana faha-9 erantany ilay firenena ary faha-2 ao Azia.

Ny zotra manan-tantara tsy mbola nisy toa azy vitan'ireo ekipam-pirenen'i Mongolia tato anatin'ny fito taona farany teo amin'ny sehatry ny lalao basket 3×3 dia nanampy azy hisidina avo dia avo teo amin'ny filaharana. Ity endrika lalao ity dia mitovitovy nefa koa samihafa amin'ilay basket 5×5 mahazatra. Hita ao anatin'ny fahasamihafàny ny filalaovana azy anaty antsasaka kianja sy harato tokana monja, ahitàna mpilalao telo avy ny ekipa, ary maharitra folo minitra ny lalao. Tamin'ny 2000s no natomboky ny FIBA ny fampiroboroboana azy ity ho toy ny lalao mahaleotena eo amin'ny sehatra erantany, ary tamin'ireo Lalao Olaimpikan-dohataona tao Tokyo no  nanombohan'ny fifaninanana.

Indro ny lahatsary Youtube iray manazava ny basketball 3×3.

Tao amin'ireo lalao ôlaimpika 2020, nanoratra ny tantara ny ekipam-pirenena vehivavy avy ao Mongolia tamin'ny nandraisany anjara tamin'ilay fifaninanana voalohany indrindra tamin'ny filalaovana anaty ekipa. Talohan'io, efa azon-dry zareo ny Amboaran'i FIBA 3×3 Asian Cup tamin'ny 2019. Nanomboka teo, nahazo medaly roa volafotsy sy alimo iray ry zareo nandritra ny Asia Cup. Nahazendana ihany koa ireo zavabitan'ny ekipam-pirenena lehilahy basketball 3×3. Teo anelanelan'ny 2017 sy 2023, nahazo medaly roa volamena sy roa volafotsy ry zareo nandritra ireo lalao fifaninanana FIBA Asian Cup, nahatonga ny basketball ho lasa iray amin'ireo fanatanjahantena malaza indrindra ao amin'ny firenena.

Indro ireo songadina avy amin'ny lalao famaranana ny FIBA 3×3 Asia Cup tamin'ny 2017, izay sambany nandresen'i  Mongolia tamin'ilay fifanintsanana.

Nifanandrify tamin'ny fidiran'ny firenena ho amin'ny demaokrasia sy ny toekaren'ny tsena malalaka tany amin'ny fiandohan'ny 1990 tany ilay fisandratan'ny lazan'ny basketball tao Mongolia. Tamin'io vanimpotoana io, nanalokaloka ny Mongols ny kolontsaina avy any ivelany, isan'izany ny basketball, izay nahazo laza erantany tsy mbola nisy hatrizay, niaraka tamin'i Michael Jordan sy ny Chicago Bulls izay nanjakazaka tamin'ny NBA sy ny ekipam-pirenena lehilahy tao Etazonia, nomena anarana hoe “Dream Team”,  nahazo medaly volamena nandritra ny Lalao Ôlaimpika Fahavaratra 1992 tao Barcelona.

Amin'ireo fanatanjahantena maoderina rehetra nampidirina tao Mongolia, ny basketball no iray tena niraikitra sy nahavita nahatratra ny sata naha-fanatanjahantena nasiônaly azy.  Antony iray lehibe tamin'io ny hoe ny basketball dia, voalohany indrindra,  fanatanjahantena lalaovina anaty efitrano, izay tena zavadehibe tokoa noho ny toetrandro henjana sy mahangoly ao amin'ilay firenena izay mahatonga ny tsy fahafahana milalao azy any ivelan'ny trano mandritra ny volana enina isantaona raha kely indrindra.

Antony iray lehibe kokoa amin'ny fisandratan'ny basketball  ireo fampiasambola ataon'ireo mpandraharaha. Nahazoan'ny firenena tombony lehibe ny firoboroboan'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany tao Mongolia tany amin'ny andian-taona 2010, ka tao anatin'izay dia nahangona harena tsy hita noanoa ireo orinasa goavana mpitrandraka harena ankibon'ny tany no sady nanomboka niahy ekipa mpilalao basket tao an-toerana, izay nanampy azy ireny hanafatra mpanazatra sy mpilalao avy any ivelany, hanorina fotodrafitrasa sy hikarakara fifaninanana.

Toa efa akaiky ilay andro hisiana Mongol voalohany hiditra hilalao amin'ny NBA. Tamin'ny 2023, ilay mpilalao sangany indrindra ao amin'ny firenena, Enkhiin-Od Sharavjamts,  fantatry ny maro amin'ny hoe Mike Mongol ao an-tanindrazany, dia nahazo ilay vatsimpianarana malaza ho an'ny fanatanjahantena D-1 ho entina mianatra amina anjerimanontolo iray any Etazonia, toerana ilofosany mba ho voaray anatina ekipa iray milalao ny NBA.

Indro ny lahatsary YouTube momba an'i  Mike Mongol.

Ravan'ny ekipa nasiônaly mpilalao baskety ilay finoanaanalaza hoe tsy afaka ny hamiratra afa-tsy anaty fanatanjahantena lalaovin'olontokana ny Mongols. Misy ampahany kely mety ho marina ihany ao anatin'ilay finoana satria ireo medaly 30 rehetra azon'i Mongolia nandritra ny lalao Ôlaimpika dia avy amin'ny judo, ady totohondry, tolona ary tifitra. Amin'io lafiny io, tena marimaritra iraisana iray tsara tokoa ny baslketball 3×3 satria io dia lalao iraisana manana endrika sy fitsipika idirana mpilalao vitsy no sady manome vàhana ny lalaon'olon-tokana.

Tsy ny basketball irery ihany no lalao avy any ivelany nambabo ny fon'ireo atleta mongol. Ny ‘sumo’ japoney dia  nanjakan'ireo Mongol mpiangaly tolona hatrany amin'ny fiandohan'ny andian-taona 2000s. Raha mahazo ny fahalinana sy fitaovana misimisy kokoa atsofoka ao aminy, azo antoka fa mbola maro ny laza ho azon'i Mongolia eo amin'ny tontolon'ny basketball iraisampirenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.