Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Kolontsaina

03 Desambra 2018

Lahatsary: Mankalaza ny firodanan'ny rindrin'i Berlin izao tontolo izao

Androany ny fankalazana ny faha 20 taonan'ny firodanan'ny Rindrin'i Berlinthe, rafitra fiarovana izay nanasaraka an'i Berlin Atsinanana sy Andrefana any Alemaina. Androany isika dia mampiseho ny sasany amin'ireo lahatsary manerana izao tontolo izao izay nakarina ho fankalazana ity daty ity.

Kolombia: Laboratoaran'ny Media Vaovao andrenivohitra Pixelazo sy ny fihaonan'ny bilaogeran'i Medellín

Nankafy ny fisian'ny hetsika marobe mifandraika amin'ny mediam-baovao i Kolombia. Ny herinandro lasa teo, ny labiera sy bilaogy MedalloBloguero (tanànan'ny fikambanan'ny bilaogy Medellin), izay nihaonan'ireo bilaogera Kolombiana ao an-tanàna, mba hifampiresaka sy hisotrosotro. Naka sary ny vahiny mpitsidika iray avy any Bogota, Victor Solano ary nandefa ireo sary tamin'ny hetsika.

Serbia: Maneho hevitra Mikasika Ny Fisamborana An'i Radovan Karadzic Ireo Blaogera Serba

Voasambotra i Radovan Karadzic, Filoham-pirenen'ny Repoblika Serba ao Bosnia, andro vitsivitsy taorian'ny tsingerintaona faha-13n'ilay fandripahana olona tao Srebrenica , izay nitarika fahafatesan'olona 7 000, ka sivily miozolomana ny ankamaroan'izy ireo tamin'izany.

01 Desambra 2018

Pakistana: Bilaogin'ny Fiankinandoha

Salama, Omer no anarako ary adalan'ny aterineto aho. Efa 8 taona aho izao no miankin-doha amin'ny aterineto ary manaiky aho fa mila fanampiana. Nanomboka tamin'ny fijerena mahazatra ireo vohikala vitsivitsy mpamoaka vaovao ny fiankinandohako, ary hatreo dia nivoatra ho 20 ora tsy diso isan'andro.

Pakistana: Bilaogin'ny Fialantsasatra

Tafaverina aho! …sa tsy nisy nahatsikaritra ny fahalasàko? Na izany na tsy izany, koa satria tsy afaka nanatrika ny fihaonamben'ny Global Voices tany Delhi ny tenako (satria mbola miandry ny fanekena ny visako avy any India efa telo volana izao), dia nandeha nitsidika an'i Pakistana. Sarobidy tokoa ny androko tany.

Pakistana: Bilaogin'ny Tsikera

Tahaka ny 'Phoenix' velona indray, miverina aho, nohavaozina, velombelona ary nihatanora ho bilaogera vaovao sy mavitrika. Raha ny marina, manita-dresaka kely aho, ny savorovoro mivoaka avy amin'ny krizy no mitovitovy amiko kokoa, miverina aho, mahantra, torovana sy ketraka manampy ilay bilaogera efa kamolahy ato anatiko.

Pakistana: Bilaogin'ny Fiafenana

Lalina avy ato anatin'ny toeram-piafenana ambanin'ny tany vao azoko aho no manoratra ity lahatsoratra ity. Tsy hoe akory be fanahiana ny amin'ny fifandirana mananontanona ao Afovoany Atsinanana izay hivadika nokleary, fa satria niakatra be ny lazan'ny bilaogiko: niala taminà mpanaraka roa mampalahelo ka nahatratra isa goavana, mpanaraka 3 sy tapany.

30 Novambra 2018

Sahara Andrefana: Fampisehoana Ny Tontolombolongana Sahraouie

Ny 5 Jolay 2008, nanomboka nandrakotra ny tontolombolongana tao Sahara ny Global Voices niaraka tamin'ny lahatsoratra iray momba ny fahitalavitra vaovao alefa amin'ny zanabolana [teny anglisy] ao amin'ny faritra. Io lahatsoratra io, an'i Yazan Badran, dia mifantoka amin'ny ampahany miteny arabo ao amin'ny tontolombolongan'i Sahara. Tsy ela dia narahina iray...

29 Novambra 2018

Miblaogy mikasika an'i India, NRIs, Bokkywood sy ny Cricket An-dranomandry

Sasany amin'ireo zavatra jerentsika ao anatin'ity fanaovana bango tokana ity ny mpanangona blaogy vaovao, ohatrinona ny mividy trano ao Bangalore, ny NRI, ny Bollywood Anglisy, ny cricket an-dranomandry.

India: Wal-mart, Bangalore ary BarCamp Bangalore II

Sasany amin'ireo lohahevitra jerentsika ao anatin'ny fibangoana an'ity herinandro ity mikasika ny zavatra Indiana rehetra ny Tombontsoam-Pirenena, Wal-Mart, Aterineto, Barcamp, Bangalore sy ny Bollywood.