Vanimpotoanan'ny Poui ao Trinidad & Tobago, fampahatsiahivana ara-potoana ny hatsaràna sy ny fanantenàna

Karipetra-na “poui ” mamelana ao amin'ny Park Savannah ao Queen's, ao amin'ny Seranan'i Espaina, Trinidad. Saripika an'i Bobbi Gail Xavier, fampiasàna nahazoana alàlana

Rehefa mihamanakaiky ny fiafaràn'ny vaninandro maina ao Trinidad & Tobago — matetika izy io dia ny Janoary hatramin'ny May — dia mamelana be eny amin'ireo zaridainam-panjakana, na an'olontsotra, ireo hazo “poui” ao amin'ny firenena, hazo manendrika izay mety hahatratra 12 m (40 feet) any ho any ny halavany ary mamokatra voninkazo miendrika trompetra mavokely na mavo mamiratra, ary ny tena mahavariana dia izy manome aloka ireo havoana karankaina.

Tena henjana tokoa ny vanimpotoanan'ny haintany teo, niaraka tamin'ireo doro-ala marobe nanambana ny fahasambaran'ireo bibidia sy ny ala, no sady nandoto ny rivotra. Tamin'ny lafiny hafa dia tena mafy ihany koa iny vanimpotoana iny — tato ho ato ireo pejy voalohan'ny gazety dia rakotra tantarana vono olona, fahavoazana ary fanararaotana.

Olom-pirenena iray, nanoratra ho an'ny gazety Daily Express, no nanosoka ny hoe  “Toy ny milaza amintsika ny fisian'ny hatsaràna ao anatin'ny haizina ny hakanto mampitolagagan'ireo voninkazo mavo sy mavokelin'ny hazo Poui […] tamin'ity taona ity. Aza ariana ny fanantenana.”

Ao amin'ny  Facebook, Tillah Willah niantso ireo hazo “pouis” mavo manokana ho “hazavana iray tena ilaina mamiratra manavatsava ny haromotana sy ny haratsian'ireo vaovao tato anatin'ny andro vitsy.”

Ao anatin'io faham-baovao io ihany, Danielle Boodoo-Fortuné nanampy hoe, “‘Ampahatsiahivin'ny Poui mandrakariva fa manana vanimpotoanany ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainana’. Manohina ny foko foana izy ireny rehefa mamelana. Ahoana no tsy hitiavana an'i Trinidad?”

Ireo mpampiasa media sôsialy, izay marobe amin-dry zareo no nizara saripika sy “reels” tany anatin'ny laharam-baovaon-dry zareo, dia mazava ho azy fa niombon-kevitra. i Merryl See Tai, mpampiasa Facebook, nanamarika hoe: “Marobe ny fientanentanana iainantsika momba ny fipoahan'ireo loko. Samy mandehandeha mivoaka miaraka amin'ny findainy sy ny  fakantsariny ny olona rehetra, mirakitra ilay volondoko kidaladàla.”

Bobbi Gail Xavier, mpankafy hazakazaka, nanohy nandefa  saripika mampiseho ireo hazo mampitolagaga hitany mandritra ireo fihazakazahany isanandro:

Saripika an'i Bobbi Gail Xavier, fampiasàna nahazoana alàlana

Saripika an'i Bobbi Gail Xavier, fampiasàna nahazoana alàlana.

Tena tsapan'i Xavier tsara mihitsy koa ny fifanipahan'ny hakanton'ireo puois sy ny haratsian'ny tontolo:

Saripika an'i Bobbi Gail Xavier, fampiasàna nahazoana alàlana, miaraka amin'ireo felana mavon'ny “Poui” nataony lafika, tao amin'ny Canva Pro.

“[I]reto zavatra roa miloko mavo ireto sy ny zavatra ambarany … ilay lafy maivana kokoa, mahafinaritra kokoa amin'ny fiainana, na dia mihelina ihany aza, dia manohitra ireo oloana goavana sy mandrera-tsaina eto amin'izao tontolo izao,” hoy izy nanoratra. “Hitako maso io tontolo io nandritra ny andro vitsivitsy. Ny hakanton'ireo Puoi mavo sy ireo antso ho “Fanafahana an'i Gaza”[…] tsy misy hafa amin'ny Poui izay tsy ho hita afaka andro/herinandro vitsy, dia tahàka izany koa ny ahiahintsika momba ireo tsy manantsiny.”

Ilay namana mpampiasa Facebook, Christiana Lee, nandefa  andian-tsary maromaro nampitolagaga azy. “Taitra tampoka teo ambanin'ireo felana mavo mamirapiratry ny hazo poui 🌼,” nieritreritra izy, “tena eo ambonin'ireo laingomena miofaofa ao an-tanànan'ny ray aman-dreniko. Isantaona, mampitolagaga amin'ny alàlan'ny fanapariahany ny lokony miserana ireo hazo pouis, saingy fampideràna loko mahazendana”:

Saripika an'i Christiana Lee, fampiasàna nahazoana alàlana.

Neken'i Lee ihany koa ny endrika mora lefy ananan'izany rehetra izany raha nizara saripika roa maneho hazo tokana ihany saingy nampifanoherina izy, tamin'ny fanamarihana fa “Vao tamin'ny herinandro lasa, niravaka hatsaràna namirapiratra ilay hazo poui teo an-tokotanin'ny klioba filalaovako tennis, nefa androany, nanjavona daholo ireo voninkazony”:

Saripika an'i Christiana Lee, fampiasàna nahazoana alàlana.

Nandefa andian-tsary manintona tao amin'ny Facebook ny mpakasary, Jason C. Audain, manokana dia babon'ilay poui karazana miloko mavo, :

Saripika an'i Jason C. Audain, fampiasàna nahazoana alàlana

Saripika an'i Jason C. Audain, fampiasàna nahazoana alàlana

Mandritra izany fotoana izany, Droneshot TT dia nandefa “reel” iray mahatalanjona ahitàna hazo pouis mavo nadedaky ny afo manamorona ny faritra avaratr'i Trinidad:

Amin'ny filazan'i Tillah Willah azy, “Mivelatra indray ny zavatra rehetra ry Trinidad. Iangaviana ianao hino sy hahafantatra izany.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.