Lasa malaza any amin'ny firenena Balkana maro ny sarimihetsika Serba mikasika ilay mpihira Romà

Pikantsary tamin'ny sarimihetsika YouTube tamin'ny sombintsombin'ny sarimihetsika “Nedelja.” Hoy ny vakin'ny lahatsoratra: Fampiasana ara-drariny.

Nahazo fahombiazana ara-barotra tany amin'ny firenena Balkana maromaro mifanila aminy nandritra ny volana voalohan'ny taona 2024 ny “Nedelja” (Alahady), sarimihetsika tantaram-piainana mitantara amin'ny fomba mampalahelo ny fiainana  sy ny asan'i Džej Ramadanov(1964–2020), mpihira Serba avy amin'ny foko Romà.

Fantatra tamin'ny hira mampalahelo baladika kafana (toeram-pisotroana) tamin'ny endrika folk nentim-paharazana, ary koa ny hira turbo-folk izay nampifangaro ny folk tamin'ny pop, rap sy Eurodance, miaraka amin'ny tononkira upbeat i Džej. Nandritra ny asany, izay nanomboka tamin'ny taona 1987, namoaka rakitsary studio telo ambin'ny folo sy kapila mangilatra (singles) vitsivitsy mandeha irery izy.

Mampiseho amin'ny fomba mampalahelo ny fiainany sy ny asany ilay sarimihetsika mitantara olo-malaza (biopic), ao anatin'izany ny fifandraisan'ny fianakaviana sy ny fahalebiazana tao tao Dorćol manodidina ny afovoan-tanànan'i Belgrade, izay mandinika ny fifandraisany amin'ny tontolo ambanin'ny tany, ary ny laza taorian'ny nidirany teo amin'ny filaharan'ny sangany turbo-folk.

Tao anatin'ny taona maro lasa izay, matetika nampifangaro ny mihoatra ny zava-misy amin'ny fanehoana manintona sy mampihetsi-po ny fomban-drazana Romà manokana ny sarimihetsika Balkana ahitana ireo mpilalao Romà, manomboka amin'ny “Time of the Gypsies” (1988) ka hatramin'ny “Gypsy Magic” (1997) sy “Black Cat, White Cat”.

Mifanohitra amin'izany, na dia tsy menatra amin'ny maha-Romà azy aza, ny sarimihetsika momba an'i Džej  dia manolotra tantara an-tanàndehibe maoderina sy tena izy miompana amin'ny tantaram-piainany manokana sy ny mozikany, sy ny faniriana hamerina ny fahombiazan'ny  sarimihetsika “Toma,” nivoaka tamin'ny taona 2021, mikasika ilay mpihira folk Serba hafa manana tantaram-piainana mampalahelo, Toma Zdravković (1938–1991) .

Notontosain'i Nemanja Ćeranić  ilay sarimihetsika izay mampisogandina ilay mpihira  Husein Alijević ho Džej Ramadanovski olon-dehibe.

Avy any Resen any Makedonia Avaratra ny fianakavian'i Džej, ary nolalaovin'ireo mpilalao Romà Makedoniana Bajram Severdžan sy Emra Kurtišova ny ray aman-dreniny ao amin'ilay sarimihetsika.

Nahazo tatitra sy valinteny tsara amin'ny ankapobeany avy amin'ny mpijery ilay sarimihetsika tantaran'olona malaza (biopic), nahazo mpijery maherin'ny 400.000 tao amin'ny sinema Serba tao anatin'ny telo herinandro voalohany taorian'ny namoahana azy tamin'ny faran'ny volana janoary, izay tena betsaka raha ao amin'ny firenena misy mponina latsaka ny fito tapitrisa.

Nilaza ny fandinihana avy amin'i Marina Petrović tao amin'ny gazetiboky Kroaty “Journal.hr” momba ny fomba fiainana sy ny kolontsaina fa na dia olona tsy nandre momba an'i Džej na mpankafy mozika folk aza dia hankafy ilay sarimihetsika niteraka resabe. Nanamarika izy fa na dia voafetra aza ny fizarana nandritra ny faran'ny herinandro voalohany, nahitana mpijery 4.500 ny “Nedelja”, nihoatra noho ilay sarimihetsika “Argylle.

Premda najavljivana prvenstveno kao biografska priča o jednom pjevaču, Nedelja može biti shvaćena i kao biografska priča jednog grada. I u tome se ogleda jaka snaga ovog filma. Točnije, ogleda se u osebujnim likovima koji su scenaristički i glumački uspješno preneseni na veliko platno.

Na dia nambara ho tantaram-piainan'ny mpihira iray aza ny “Nedelja”, dia azo raisina ho toy ny tantaram-piainan'ny tanàna iray. Izany no tanjak'ity sarimihetsika ity. Raha ny marimarina kokoa, momba ireo tarehin-tsoratra tsy manam-paharoa izay naseho tamim-pahombiazana tao amin'ny efijery lehibe, na tamin'ny alalan'ny seho an-tsehatra na tamin'ny alalan'ny fampisehoana nataon'ireo mpilalao ny tanjany.

Nanome tatitra tsara ihany koa ny zanany vavy Marija Ramadanovski, ireo bilaogera Serba, ary ireo fampahalalam-baovao avy any Bosnia sy Herzegovina, Makedonia Avaratra, MontenegroCroatia, ary Slovenia.

Sarimihetsika goavana malaza tany Serbia, Montenegro & Bosnia ny #mozika #biopika Alahady an'i Nemanja Ćeranić & Miloš Radunović momba ilay kintan'ny mozikan'ny taona 1990 Džej Ramadanovski. Misokatra any Kroasia izany amin'ity herinandro ity.

Nomena ny anarana avy amin'ny iray amin'ireo hiran'i Džej malaza indrindra “Nedelja” (Alahady), nivoaka tamin'ny taona 1991 ny sarimihetsika, miaraka amin'ny mozikan'i Aleksandar Radulović sy ny tononkiran'i Marina Tucaković, izay mpivady matanjaka amin'ny indostrian'ny mozika Serba.

Resaka fanaovam-beloma ho an'ny fianakaviana iray, mandeha ho any amin'ny “lalana tsy iverenana” ny tononkira.

Šta da kažem majci, što me nema
Da se javim
U dom da joj svratim

Šta da kažem, šta da slažem sad
A da je ne rastužim
Da joj bol ne pričinim

Nedelja, i svi ste tu
Sve podseća na sreću
Nedelja, a više vas ja
Zagrliti neću

Inona no azoko lazaina amin'ny reniko, nahoana aho no nandeha
Mba hiantso azy
sy hitsidika ny tranony

Inona ankehitriny no azoko lazaina, inona no lainga azoko lazaina
Izay tsy hampalahelo azy
Izay tsy hiteraka fanaintainana aminy

Alahady izao, ary eto ny rehetra
Mampahatsiahy ny fahasambarana ny zava-drehetra
Alahady izao, kanefa izaho
Tsy [ho afaka] hamihina anao indray

Nanome aingam-panahy an'ireo mpankafy maro an'i Džej ny sarimihetsika mba handefa rohy mankany amin'ny hirany amin'ny media sosialy, na hanatsonga azy.

“Rehefa mihaona amin'ny olona vaovao ianao, ary milaza izy fa tsy mbola nitomany mihitsy teo amin'ny fiainany … Aza miaraka aminy.”
– Džej Ramadanovski

Amin'ny ankapobeny, tsy niteraka fanetsiketsehana hitamaso ireo nasionalista mpikiribiby izay hanararaotra hampisy lahateny manavakavaka ny vahoaka Romà ny resabe momba ny sarimihetsika. Na izany aza, nitarika adihevitra momba ny fifanohanana eo amin'ny indostrian'ny fialamboly Serba sy ny orinasan'ny fitondrana izany.

Niara-novokarina tamin'ny Telekom Srbija, orinasam-pifandraisandavitra matanjaka an'ny governemanta Serba, izay mpiantsehatra goavana eo amin'ny indostrian'ny fifandraisandavitra sy ny fialamboly ao amin'ny faritra ny sarimihetsika “Nedelja”. Mihevitra ireo mpamakafaka fa toy ny fitaovam-pifandraisana goavana ho an'ny fahefana malefaka Serba ao Balkana ny fifehezan'izy ireo ny fahitalavitra, ny famokarana sarimihetsika sy ny fanatanjahan-tena. Ao an-toerana, mampiseho ny tatitra taona 2021 momba ny sivana min'ny fampitam-baovao navoakan'ny Santatr'Andraikitra ho an'ny Fampahalalam-baovao Afaka ao Balkan fa “mitombo hatrany ny fampiasan'ny governemanta ireo sampan-draharaham-panjakana toa an'ny Telekom Srbija mba hikirakiràna ny tsena ara-barotra.”

Nohararaotin'ny mpisera tambajotra itsikerana ny zava-misy ny nandevenana an'i Džej Ramadanovski tamin'ny taona 2020 tao amin'ny lalan'ny olom-pirenena Mendrim-piderana tao amin'ny tanim-pasana ao Belgrade, satria mpihira turbo-folk izy, karazana fialamboly misy ifandraisana amin'ny fihenan'ny kolontsaina mahazatra sy ny fanohanana ny fitondrana nasionalista tsirefesimandidy.

Ny hafa kosa nilaza fa ny fandevenana tao amin'ny Lalan'Olom-pirenena Mendrim-piderana dia hetsika mandrendri-bahoaka ataon'ny governemanta Serba amin'izao fotoana, ary nanamarika fa taloha, ireo mpanakanto sy olom-panjakana ambony indrindra ihany, toa ilay mpanao hosodoko Petar Lubarda, ilay nahazo ny Loka Nobel ho an'ny Literatiora Ivo Andrić, ilay mpanoratra Miloš Crnjanski, ary ny praiminisitra Zoran Đinđić no nomena an'io voninahitra io, fa ireo olom-pirenena hafa mendri-piderana nodimandry vao haingana sy malaza, toa an'i Jelena Žigon sy Vladeta Jerotić, kosa tsy nomena voninahitra mba halevina tao.

Nampiseho ny sarimihetsika “Nedelja” fa, tsy toy ny taloha, tsy mila mampiditra singa izay mampiraiki-po na manatsara ny maha-izy azy ara-poko mba ho lasa malaza be ny sarimihetsika Balkana momba ny olona manana fiaviana Romà. Ezahiny ny nanolotra tantara iray mampiseho ireo toetra tsy misy fitaka tahaka ny hanehoany ireo mpikambana hafa amin'ny fiarahamonina ankehitriny, tahaka ny olombelona tsotra miezaka ny handresy ireo fanamby eo amin'ny fiainana amin'ny toe-javatra misy azy manokana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.