Telopolo taona androany no nidiran'i Brian Lara, mpilalao “cricket” tao anatin'ny tantaran'i Antilles

Brian Lara tao Manchester, Angletera, Aprily 2006. Saripika an'i Georgia Popplewell, (CC BY-NC-ND 2.0 DEED).

Telopolo taona lasa izao, tokony ho mitataovovonana latsaka fahefany, ny 18 Aprily 1994 no teo an-kianja Antigua Recreation Ground ilay Trinidadiàna tanora mpilalao ‘cricket’, Brian Lara, nahazo laza vetivety be noho ny fahaizany amin'ny maha-mpikapoka kavia azy. Nifanandrina nanao lalao fitsapàna tamin'i Angletera i Antilles tamin'izany. Toraka fohy no nataon'i Chris Lewis, ary in-dray nikapoka monja, nihoaran'i Lara ny zavabitan'i Sir Garfield Sobers tamin'ny isana hazakazaka be indrindra tao anaty lalao iray fitsapàna — 365 raha nifanandrina tamin'i Pakistan tany Jamaika tamin'i 1958 — tamin'ny nitondràny ny baolina hatreny amin'ny fetra farany ka nahazoany ny fitambaran'isany ho 375.

Hatramin'izay fotoana izay dia naharitra 36 taona ilay zavabitan'i Sobers. Zavabita nampitolagaga izany ho ana mpilalao iray 24 taona izay vao teo amin'ny faha-16 amin'ireo lalao fitsapàna nilalaovany, nahatonga an'i Angletera hahazo aina vao indray. Raha resy nandritra ireo lalao fitsapàna telo voalohany ry zareo mpitsidika, dia vao avy nahazo fandresena nampahery kosa tao Barbady, namerina ny sasany tamin'ny fifaninanana ho ao anatin'ny andiany — ary teo ireo mpankafy cricket tao Antille isaky ny fotoana misy fientanentanana.

Somary tsara fanombohana ihany ny Anglisy. Na voa teo amin'ny antsapaka aza ry zareo ary nalefa teny an-kianja, dia nahavita nahazo “wickets” isa vitsivitsy ry zareo, namela an'i Lara nanana ilay Jamaikàna mpikapoka Jimmy Adams ho mpiaraka. Lara, izay indraindray tsy tao tsara (= tsy nitombina) mihitsy tamin'izay fotoana izay, dia toa tony sy tafapetraka tsara hatrany am-panombohana, nikapoka tamina fomba tsy niova no sady tsy nandray risika mety hitera-pahavoazana. Rehefa nifarana iny andro 1 iny, nitondra an'i Antilles ho amin'ny isa  274-3 izy sy Adams, ka 164 tamin'ireo hazakazaka dia i Lara irery no nahazo azy.

Tamin'ny andro faha-2, nohatevenin'i Shivnarine Chanderpaul, 19 taona teratany avy ao Guyane, ary sambany nanao ny andiana lalao fitsapàna, nahatratra ny 320 i Lara  ary tsy voaisotra mihitsy hatrany am-paran'ny lalao. Ny andro faha-3, 18 Aprily, no andro nidirany tao anatin'ny tantara. Fahavononana tsy mbola nananany hatrizay no nentin'iLara niditra ny kianja,  niraka tamin'ny fahatoniany niampanga ny ny fahavononany tsy hay hozongozonina hanamontsana ny zavabita tsara indrindra. Ny vao mainka nahatonga izany ho miavaka dia ny fisain'i Sobers teny amin'ny “tribunes”.

Nampientanentana ny atmosfera tao amin'ilay kianja filalaovana ‘cricket'; fantatr'ireo mpankafy fa akaiky ilay fotoana, ary tian-dry zareo ny ho eo mba hankamamy izany fotoana izany. Toerana somary kely ny Antigua Recreation Ground, mahazaka mpijery manodidina ny 10.000 eo, saingy an'aliny maro ireo nijery tamin'ny fahitalavitra, tao Karaiba sy tany Angletera mazava loatra, fa koa tany amin'ireo firenena mpankafy ‘cricket’ manerana izao tontolo izao.

Tamin'ny fotoana nahatratraran'i Lara ny 365 vitan'i Sobers, nihoby sy nihira ireo mpijery. Toy ny hoe niandry fotoana fotsiny. Ilay mpanipy ‘spin’ amin'ny tànana havia, Phil Tufnell  avy any Angletera, nahita ny voasoratra teny amin'ny tabilao ary nanamarina fa nanao “teny kely” ho an'i Chris Lewis,  izay nanipy baolina nandritra ireo andian-dalào: “Niteny taminy [aho] mba hanao zavatra (izay tratra) hahazoana isa   — tsy hoe hanaisotra azy in-dray mandeha fotsiny mba hahafahany manapaka an'io. Nanapaka hevitra i Chris ny hanapoaka azy tamina ‘bumper’ iray ary dia nesoriny mora foana ka avy eo ny kianja iray manontolo no nipoaka.”

Vao tonga tsy nisy nahasakana hatreny amin'ny fetra ny baolina, nirohotra nankeny an-kianja daholo ireo mpijery, tsy nisy nahavita, na tsy nisy te-hanakana azy ireo ny pôlisy nijoro teny amin'ny manodidina. Niaraka tamina tsiky lehibe teny amin'ny endriny, nikapo-drivotra i Lara ho mariky ny fandresena no sady nanoroka ny kianja, vetivety dia nentina niditra teny an-kianja i Sobers mba hiarahaba ilay tompon'ny zavabita tsara indrindra vaovao. Zavatra iray hiditra ao anatin'ny bokin'ny tantara io — samy avy ao Antilles daholo ireo roa mitazona ny zavabita tsara indrindra tamina lalao fitsapàna.

20 mn no nilain'ireo tomponandraikitra nanadiovana ny kianja sy nanohizana indray ny lalao; tratran'i Jack Russell  tamin'ny isa 375 i Lara nony farany, baolina iray natorak'i Andy Caddick. Nandritra ny 12 ora sy 46 mn i Lara no nijanona tao anatin'ny faritra, niatrika baolina niisa 538, nahazo isa 45 tami'ireo natoraka.

Taorian'ny zavabitany, nanolotra tany ho fankasitrahana an'i Lara ny governemanta ao Trinidad & Tobago, manoloana ny  Queen's Park Savannah ao an-tSeranan'i Espaina mba hanorenany ny tranony. Nisy ireo hira Soca voasoratra momba ilay zavabita. Nanao sonia fifanarahana goavana iray ihany koa izy, tamin'izany fotoana izany, nitentina GBP 40,000 (somary latsaka kely ny USD 50,000) mba hilalao cricket ho an'ny faripiadidiana Warwickshire any Angletera. Herinandro enina teo ho eo monja taorian'izay, nahazo isa 501 tsy ho an'ny ekipany i Lara, nahatonga azy ho ny nahazo ny isa betsaka indrindra nandritra ny lalao fitsapàna sy ny lalao cricket sokajy voalohany.

Hatramin'izao, mbola tohizany izany. Na dia nohatsarain'ilay Aostraliàna Matthew Hayden nandritra ny lalao nifanaovany tamin'i Zimbaboe tao Perth tamin'ny taom-pilalaovana 2003-2004 ho 380 aza ilay 375 an'i Lara, Lara no mbola mitazona ny zavabita tsara indrindra vitan'olontokana tamina lalao fitsapàna: ny in-400 tsy namoahana ivelan'ny kianja, vitany nanoloana an'i Angletera tao amin'ny Antigua Recreation Ground, nandritra ny taom-pilalaovana 2003-2004  ihany koa.

Telopolo taona aty aoriana, mbola amim-pireharehàna hatrany no ahatsiarovan'ireo Tribagôniàna mpankafy hatrany ny zavabitan'i Lara. Tao amin'ny Facebook, Skye Hernandez nahatsiahy hoe, “hazakazaka niisa 375 nandrehitra ny tontolon'ny lalao cricket. Nomontsanin'i Brian Lara ny zavabita tsara indrindra vitan'i Gary Sobers tao amin'ny St. John’s Recreation Ground, Antigua, tamin'ny 11:46 a.m. ny 18 Aprily 1994, voalohany nahazoany ny zavabitany tsara indrindra erantany. Nijery io lahatsary io tamim-pahataitairana mitovy amin'izany aho, fientanentanana sy fihetsehampo toy ny tamin'ireny taona rehetra lasa ireny. […] Tadidiko fa maro izahay no nandao ny asa [mba] handeha hijery ireo fiara nitandahatra niaraka tamin'i Lara sy Chanderpaul nandalo teo amin'ny Frederick Street. Fotoana tsy hay hadinoina.”

Ilay mpanakanto, Shaun Riaz, izay nandefa kisarisarin'i Lara, nanampy hoe, “30 taona androany, ny 18 Aprily 1994, azon'ilay Printsin'ny Seranan'i Espaina ny zavabita tsara indrindra erantany teo amin'ny tantaran'ny isa ambony indrindra nandritra ny Lalao “cricket” Fitsapàna. Isaorana ianao ry Brian Lara noho ny asa nataonao ho an'ny Cricket aty Antilles ary ny lalaon-dehilahy manankaja.”

Tamin'ny 2007 i Lara no nisintaka tsy nanao lalao cricket iraisampirenena intsony, teo amin'ny faha-38 taonany, saingy tena mbola mihosona be ao anatin'ny fanatanjahantena amin'ny maha-mpaneho hevitra azy sy mpanohana be ny cricket ao Antilles.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.