· Mey, 2009

Below are posts about citizen media in Malagasy. Don't miss Global Voices teny Malagasy, where Global Voices posts are translated into Malagasy! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Mey, 2009

Libia: Vehivavy, Mpanoratra, Mpanakanto

  20 Mey 2009

Raha ny fahitàna azy hatreto dia mbola tsy mahakasika ny tontolon’ny fitorahana blaogy libiana ny gripan-kisoa fa mino aho fa ny firesahana ny momba ny anjara toeran’ny vehivavy dia efa famakiana lay kosa. Taorian’ny fitrandrahana blaogy libianina maro, Highlander izay mandefa lahatsoratra momba ireo mpanoratra sy mpitoraka blaogy arabo/libiana dia...

Pakistana: Fandresen'ny Demokrasia

  13 Mey 2009

Tafaverina amin'ny toerany ny filohan'ny fitsarana tampony ao Pakistana, Iftikhar Mohammed Chaudry, fepetra namaly ny tanjona voalohan'ny fihetsiketsehana nataon'ireo mpitsara sy ireo mpisolo vava ary ny Diabe. Ny Praiministra Pakistane, nanambara izany nandritry ny  kabariny tao amin'ny fahitalavitra. Fanampin'izany dia nanome toky ny governemanta fa hamerina amin'ny toerany ireo mpitsara...

Rosia : Tatitra fanampiny mikasika ny fipoahana nitranga tany Moskoa

  11 Mey 2009

Indreto tatitra hafa fanampiny mikasika ilay doro trano vokatry ny fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa tamin'ny 9 : Andrei Kharlanov izay sady nametraka lahatsary ao amin'ny Youtube no nitatitra nivantana tamin'ny alalan'ny Twitter @andreikharlanov izay narahin-tsary koa;  Mpivoy LJ [LiveJournal] q-u-a-t-t-r-o (monina 1.5 km ny toerana nitrangan'ny voina dia...

Rosia : Fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa

  11 Mey 2009

Manapariaka sary mitatitra ny doro trano vokatry ny fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa tamin'ny 9 May ireo mpiblaogy Rosiana. Tsidiho ireo blaogy samihafa anivon'ny LiveJournal :  buchwurm,  goodwine, principiale,  maroot,  volland. Misy koa lahatsary napetraky HorseWhispererRF azonao jerena ao amin'ny YouTube.

Arabia Saodita: Tafio-drivotra iray voarakitra an-tsary

  11 Mey 2009

Fakantsary tsotra sy fandraisana sarimihetsika eny an-tanany, nandrakitra tafio-drivotra mahery vaika niharo fasika namely  an'i Riyad renivohitra ireo mpitoraka blaogy saodiana,izay tsy nahita-mitsinjo na dia metatra vitsy monja eo akaiky eo aza ary dia nitsahatra teo koa ny endri-piainana rehetra. Ao amin'ny YouTube, i Riyadh Travels dia nametraka ity sarimihetsika ity...

Masedonia: Lasa fomba fanao ny fankalazana ny ‘Sakura’

  09 Mey 2009

Nankalazaina tany Skopje, any Masedonia, tamin'ny 25 Aprily ny Sakura, fankalazàna isan-taona ny famelanan'ny ‘cerisiers’ izay fomba fanao any Japana. Somary taraiky kely ihany ny daty nofinidy raha ampitahaina ny tamin’ny taon-dasa satria tsy tian’ny mpandrindra hifanindry amin’ny fankalazàna ny Paska Katolika sy ‘Orthodoxe’ tamin'ny tapa-bolana lasa. Fanaovana ‘Origami’ (kilalao...

Irana: ho fiarovana ireo Baha’i vitsy an'isa

  09 Mey 2009

Voatsindry hazo lena hatramin’izay ireo  Baha’i vitsy an'isa, ary hita ho toa miharatsy izany toe-javatra izany. Tsy ela akory izay  dia niampanga mpitarika fito tao amin’ny sampam-pitsikilovana Baha'i ny manampahefana Iraniana. Ireo Baha’i ihany no miteny fa anaovana antsojay izy ireo noho ny finoana arahany. Tamin'ny volana lasa iny dia...

Ireo pejinay momba an i Malagasy

mg