Irana: Fanantenana, Ahiahy, Fanontaniana manodidina ny filatsahan-ko fidian'ny Filoha teo aloha

Ny fanambaran'ny filoha reformiste tao aloha Mohammad Khatami tamin'ny 08 febroary ny mbola hiazakazahany indray amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena iraniana atao ny 2009 izy dia nisarika ny sain'ny maro mpampiasa ny tontolo virtoaly izany na ety ivelany koa aza. Mpitoraka blaogy maro no mifampizara ny fanantenany, ny ahiahiny, ny fanontaniana sy ny tebitebin'izy ireo momba an'i Mohammed Khatami, izay nitondra an'i Iran ny 1997 hatramin'ny 2005. Mampiasa ny haitaon'ny numériques toy ny  Facebook ireo mpomba azy mba hanelezana ireo hafatra momba ny fifidianana.

‘Noraisina toy ny mahery fo’

Ity misy ampahan-tsarimihetsika momba ny fitsidihana nataon'i Khatami tsy ela akory izay sy ny kabariny tao Shiraz, toerana nandrangarangan'ireo mpomba azy fanehoan-kevitra maro manohitra ny jadona.

Mohmmad Ali Abtahi,  ilay praiminisitra fahiny, dia tena matoky tokoa ny vintana ananan'io mpiara-dalana taminy io hahazo ny fandresena. Manoratra ao amin'ny blaoginy izy:

   Tsy isalasalana na kely aza, miaraka amin'ny firehana roa samihafa amin'ity fifidiana ho filoham-pirenena ity dia hahita fifidianana mahaliana sy makotroka isika, ahitana an'i M. Khatami andaniny ary i M. Ahmadinejad ankilany, izay hitranga indrindra anatina fepetra hànana ny tantarany lehibe ho an'i Iran sy manerana izao tontolo izao. Mazava loatra, M. Khatami no tombànana sahady hivoaka handresy amin'ny fifidianana ary raha tarafina amin'ny hetahetan'ny olona te-hanova ny toe-draharaha iainana ankehitriny dia tsy ho sarotra izany, ka na eo aza ny fandrimpandrika samihafa natao mialoha hamingànana ireo mpifaninana, ireo hery hafa, indrindra fa ireo tanora vao misondrotra mitady izay hanànana fiainana tsaratsara kokoa, dia ampy ho antoka amin'ny fandresen'ingahy Khutami noho ny fitondran-tenan'izy ireo mendrika manoloana ireo fihetsika mirefarefa ataon'iretsy sasany.

‘Tsy misy tetikasa’
Tsy ny mpitoraka blaogy rehetra no manana izay fomba feno toky izay. Diso fanantenana i Pouya fa hoe tsy nanolotra tetikasa i Khatami. Hoy  ny mpitoraka blaogy manoratra [fa]:

در مورد خاتمی و موسوی اظهار نظر کنم، لااقل اول ببینم اینها چه می گویند، چه می خواهند، چه طرحی دارند؟

دریغ از یک متن کوتاه! …جالب این است که در هیچکدام از نوشته ها نقل قول مستقیمی از آقای خاتمی یا دفتر نماینده ی رسمی او نی

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.