Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Desambra, 2008
Barbados: Mpanao gazety voasambotra
Misaritaka ny tontolon'ny fitorahana blaogy Barbadiana tao aorian'ny fisamborana mpanao gazety malaza anankiroa – fihetsika izay nadikan'ny mpitoraka blaogy ho fanelingelenana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Ilay blaogy fanta-daza sy be mpanaraka Barbados Free Press dia milaza fa io fisamborana io dia valifaty tamin'ny “fitaterana momba ny manam-pahefana iray izay voampanga...
Palestina: Ny andro nahalatsahan-drà be indrindra hatramin'ny 1967
Dia nanomboka toy ny andro “mahazatra” ihany ny tao Gaza. Fa tamin'ny folakandro, na izany aza, mazava be fa ny 27 Desambra dia ho tsarovana manokana ho ilay andro nahalatsahan-drà be indrindra tamin'ny fifandonan'i Palestina sy Israely hatramin'ny taona 1967. Na dia ny Hamas aza no tena lasibatra nokendren'ny tafika...
Fiji sy New Zealand miditra amina ‘famonoan-tena ara-diplaomatika’
Mihenjana ny tady eo amin'ny fifandraisan'i Fiji sy New Zealand nanomboka ny Talata teo raha samy nandroaka ireo Lehiben'ny diploamaty niasa tany aminy avy ny roa tonta. Tanaty vàlan-dresaka ho an'ny mpanao gazety io Talata hariva io, nanambara ny fitondrana foibe ao Fiji fa tsy noho ny fandàvana tsy hanome...
Noelin-dry zareo any Karaiba
Noely ny andro – Ary tsy misy n'aiza n'aiza mankalaza ny Noely ohatran'ny any Karaiba! Inty misy topi-maso kely ny amin'ny ataon'ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba mba ho tafiditra ao amin'ny fanahin'ny fankalazàna… Ny mpitoraka blaogy avy any Guyana dia nanao “meme” amin'ny hoe “Tsy Krisimasy ny Krisimasy rehefa...
Shina: Ny Sata faha 8, mba halàlaka sy tsy hanan-tahotra
Ankatoky ny fankalazana ny faha enimpolo taonan'ny fanambarana eran-tany momba ny Zon'Olombelona ny 10 Desambra, Sinoa 303 mpitandro ny zon'Olombelona, no niaraka namoaka ny Sata faha 8, izay mitaky fanavaozana pôlitika any Shina. Kanefa, ny governemanta Sinoa dia nanapa-kevitra ny hankalaza ny fanambarana eran-tany ny zon'Olombelona amin'ny alalan'ny famoretana izany...
Madagasikara: Televiziona noterena hijanona
Noho ny nandefasany ny lahatsarin'ny mpanohitra iray an-tsesintany dia nakaton'ny fanjakana ny VIVA televiziona. Miady hevitra momba ity fanapahan-kevitra politika ity sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny fahafaham-pitenenana ny mpamaham-bolongana.
Brunei:Soritroritr’ ‘Ali Baba’
Maro ny toeram-pivarotana manohy mivoha hatrany saiky amin’ny faritra maro ao Brioney. Mba hahafantaranao azy mialoha, haka toeram-pisakafoanana iray vaovao isika, dia toeram-pisotroana dité sy kafe iray vaovao, toeram-pivarotana kojakojan-tokantrano iray vaovao, na toeram-pandraharahana ara-barotra goavana iray vaovao, raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Fanampin'izay, ny ankamaroan'ireny fandraharahana ireny dia ny...
Arabia Saodita: M-Rock ny vehivavy Saodiana
Vondrona tovovavy saodiana izay no nanandratra ny feon'izy ireo mba ho re – tamin'ny fomba tsy mbola fahita firy tao Arabia Saodita mpandala ny fomban-drazana. Ao amin'ny Muslimah Media Watch, dia hoy i Ethar mitantara izany ho antsika : Misy buzz izay any amin'ny aterineto miresaka momba tarika mpiangaly rock...
Zamaika: Andro eran-tany natokana ho an'ny SIDA
Natokana ho andro eran-tany ho an'ny SIDA ny anio [01 desambra], ary amin'ny maha-faritra iray manana tahan'olona somary ambonimbony ihany miaina miaraka amin'ny otrik'aretina VIH/SIDA azy, dia mety halaim-panahy hieritreritra ny maro hoe hiresaka momba azy io ny ankamaroan'ireo mpamaham-bolongana Karibeana – saingy ny tontolon'ny fitoràhana bolongana ao Zamaika irery...
Madagasikara: Ady amin'ny fanamoramorana mandritra ny andro manerantany iadiana amin'ny SIDA
Mampahatsiahy ny mpamaky azy ny mpamaham-bolongana mandritra ity andro manerantany iadiana amin'ny SIDA ity fa na dia eo aza ny fandrosoana misy eo amin'ny fisorohana ny VIH sy ny fitsaboana ny SIDA ity, dia tsy tokony ho moramorainy amin'ny fisorohana azy ny tsirairay. Nandritra “Ny tenin'ny Filoham-pirenena” fanaon'ny filoha Marc...