· Jona, 2008

Below are posts about citizen media in Malagasy. Don't miss Global Voices teny Malagasy, where Global Voices posts are translated into Malagasy! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Jona, 2008

Vovonàna GV : Tena lafatra ny andro voalohany !

  30 Jona 2008

Raha izay fahitanay azy dia tena lafatra ny andro voalohan'ny vovonàna 2008-n'ny Global Voices izay tanterahina any Bodàpestà, any Hôngria (mazava ho azy fa tsy arakay maso daholo izay antsipirihan'ny fikarakarana rehetra). Nanomboka tamin'ny teny fampidirana avy amin'i Ethan Zuckerman sy Rebecca MacKinnon izay namorona ny Global Voices, ny andro voalohany, izay nisaorany...

Faritra Balkanika : Michael J. Totten mpizahatany

  30 Jona 2008

Michael J. Totten ao amin'ny gazety Middle East Journal no manapariaka lahatsoratra ravahina sary mikasika ny diany farany tany amin'ny faritra Balkanika (93 ireo hafatra voarainy); LimbicNutrition Weblog kosa dia nanoratra ao amin'ny blaoginy ny valin-taratasy atolony an'i Totten.

Shhh… Nisokatra ny vovonàna 2008-n'ny Global Voices Citizen Media

  29 Jona 2008

Raha somary nangingina ny sehatry ny Global Voices izay “indroandroa andro” lasa izay dia satria notaterinay aty Bodàpestà, Hôngria ny 80 amin'ireo mpandrindra, mpanoratra sy mpandikateny hanatrika ny vovonàna miaksika ny fahalalaham-pitenenana, ny fijoroana vaolombelon'ny tsirairay [citizen media, médias citoyens] ary izay toeran'ny vohikala Global Voices amin'ny ireo taona ho...

Palestina : Maka bahana … mitifitra [sary] … dia nahamarika

  28 Jona 2008

Nampitombo isa ny fandresena norombahan'ny ady hoan'ny rariny ara-sosialy [social justice] i Muna Nawajaa. Nampiasa itony fakana lahatsary [camera] izay fanomezan'ny fikambanana B'Tselem's Shooting Back project azy, i Nawajaa izay Ramatoa Palestiniana iray, dia naka lahatsary ireo olona misaron-tava izay nidaroka sy nanao herisetra ny sasany amin'ny fianakaviany, vokatr'izany dia nanokatra...

Angôla : Tatitra an-tsary

  27 Jona 2008

JotaCê Carranca no manapariaka ao amin'ny Pensar e Falar Angola [Misaintsaina sy miresaka mikasika an'i Angôla] tatitra an-tsary izay ahitana fiara vita amin'ny hazo [karazana varamba] tany Bocoio sy sekoly any Libangue any Angôla : A escola não tem nada além do que se vê: pedras a servir de cadeira...

Ozbekistana: Ady amin’ny fanivanana ny aterineto

  26 Jona 2008

Amin’izao fotoana, i Ozbekistana dia mitoetra ho iray amin’ireo firenena mpamoritra aty amin’ny faritra ary mifehy mafy ny fampahalalàm-baovao mitodika amin’ny daholobe. Na dia misy aza ireo fampanantenana poak’aty [anaran-tsy very] ho fiantohana ny fahalalahàm-pitenenana, dia tsy afa-bela amin’ny fanenjehan’ny governemanta hatrany ny fampahalalàm-baovao. Ny toko faha 5 ao amin’ny...

Koety : Notafiana ny “Hard Candy”-n'i Madonna

  26 Jona 2008

Moey no mitatitra fa notafian'ny sampan-draharahan'ny Ministry ny Fampahalalam-baovao an-keriny ny sarin'i Madonna amin'ny raki-kira vaovao “Hard Candy” any Koety : Madonna’s album is being raped by Kuwaiti MOI [Ministry of Information], they basically forced leggings on her and took all the pictures off her CD booklet, it is a...

Kenya : Raha tsy Kenyana …

  25 Jona 2008

Ao amin'ny Memorable Jokes [hatsikana tsy mety lefy] no amakiana ny lisitra zavatra 31 tsy fahita raha tsy amin'ny Kenyana ihany : 1. Are engaged for 5 years or more, 2. Never bother to divorce, they just separate, 3. Are late to church, work, and everything else, EXCEPT when the...

Ireo pejinay momba an i Malagasy

mg