· Mey, 2008

Below are posts about citizen media in Malagasy. Don't miss Global Voices teny Malagasy, where Global Voices posts are translated into Malagasy! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Mey, 2008

Tonizia : Firenena faha-47 “anjakan'ny fandriama-pahalemana indrindra”

  30 Mey 2008

zizou from Djerba no mitatitra fa laharana faha-47 amin'ireo firenena “anjakan'ny fandriama-pahalemana indrindra” manerana izao tontolo izao i Tonizia, araky ny filaharana napariaky ny Global Peace Index: La Tunisie est malheureusement passe de la 39eme place en 2007 a la 47 eme en 2008… On reste quand meme parmi les...

Kôngô (RDK) : Fihaonambe mikasika ny sarimihetsika Eorôpeana sy ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo

  30 Mey 2008

Tsy mahagaga an'i Du Cabiau a Kinshasa raha tsy rototra akory ireo mpijery manoloana izay tsy fahatanterahana nandritra ny Fihaonambe mikasika ny sarimihetsika Eorôpeana [festival du film européen] notanterahina tany Kinshasa, ary dia manararaotra mizara izay fijeriny ny fihetsiky ny mponina manoloana ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo any Kôngô (RDK)...

Nikaragoa : Fanaraha-maso akaiky ny tetikasam-panjakana mivoy “fampindramam-bola madinika”

  29 Mey 2008

Nandritra ny fandaharana “Esta Semana” [Ity herinandro ity] izay fandaharana fampahalalam-baovao maharitra 60 minitra mpandeha amin'ny fahitalavitra any Nikaragoa, nisy tatitra sy fanadihadiana ny mikasika ny fomba fanao manodidina ny Usura Cero (zanabola aotra) izay tetikasam-panjakana mivoy “fampindramam-bola kely” hoan'ireo vehivavy izay mpandraharaha “madinika”. Naren Mayorga no mamintina ao amin'ny...

Egypta : Fampijaliana azo ekena ihany

  29 Mey 2008

Zendana ny mpiblaogy Egyptiana Mostafa raha nahatsikaritra taorian'ny fanadihadiana notanterahiny anivon'ny mpiray dia ao amin'ny vohikala Facebook, fa misy ireo namany izay mihevitra fa azo ekena ihany ny fampijaliana atao ny olona iray, mba hanongotana an-tery izay tiana ho fantatra mandritra ny fampanoavana azy.

Shina : Fisaonana tao Tiananmen ireo maty sy niharam-boina nohon'ny horohorontany

  29 Mey 2008

hk1183 no manapariaka andiantsary maro nalaina tany amin'ny kianja malalaky Tiananmen, nandritra ny hetsika “3 minitram-pahanginana” ho fisaonana ireo maty sy fiaraha-miory amin'ireo niharam-boina nohon'ny horohorontany nitranga tany amin'ny faritry Sichuan, izay natao ny 19 May 2008 tany Beijing, any Shina, ary nahitana olona mpandray anjara maro.

Bahrain : “Fahirano” atao ireo teratany Bangladeshy

  28 Mey 2008

Taorian'ny nitrangan'ny loza andro vitsy izay, izay namonoan'olona ity teratany Bahrainy iray nohon'ny fandavany handoa ireo fanampin-karama 500 fils (1.3 USD) izay notakian'ity Mekanisiana teratany Bangladeshy iray tamin'ny asa notanterahiny, dia nahanton'ny fanjakan'i Bahrain ny fanomezana fahazahoan-dalàna miasa hoan'ny teratany Bangladeshy rehetra. Misy aza vondrona Solombavam-bahoaka izay miketrika ny hanolorana...

Ethiopia : Ny tantaram-piainan'i Kedir Mohammed

  28 Mey 2008

Ensent no mitantara ny fiainan'itompokolahy Kedir Mohammed, miaramilan'ny fivoizana ny zon'olombelona izay vao nodimandry tany Ethiopia : Even as a refugee, Kedir never ended his activism and the struggle for justice, human rights and equality of citizens of his country. He joined a budding organization that was cultivated by the...

Malawi : Nogiazana tsy mahazo mivoaka tao an-tranony ny filoham-pirenena taloha

  27 Mey 2008

Ho tohin'ilay raharaha “fanomana fanonganana” ny filoham-pirenena izay nisamborana olo maro tany Malawi notaterina teto dia re indray izao fa napetraky ny mpitandro ny filaminana ambany figiazana tsy mahazo mivoaka tao an-tranony ingahy Bakili Muluzi izay filoham-pirenena teo aloha. Ny mpanao gazety Bright Sonani avy any Lilongwe sady vavolombelona nanatri-maso, no...

Ireo pejinay momba an i Malagasy

mg