Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Oktobra, 2017
Arabia Saodita: Fantsom-pahitalavitra Amin'ny Teny Persiana Ho An'ny Iraniana
Orinasam-pahitalavitra mandeha amin'ny zanabolana Saodiana ny MBC , fantatra eo amin'ny tontolo Arabo noho ireo fantsona fialamboly sy noho ny fantsom-baovao Al-Arabiya . Nanomboka nanokatra fantsona vaovao tamin'ny 9 Jolay 2008 ity orinasa ity, MBC Persia, izay ahitana sarimihetsika amin'ny dikanteny Persiana [farsi].
Tongà : Nampangaina Ho Nifehy Ny Haino Aman-jerin'ny Fanjakàna Mialoha Ny Fifidianana Ny Governemanta
"Mila atsahatry ny governemanta ny fampiasana ireo antsoina hoe fatiantoka ho toy ny fialantsiny hampiharana ny fanovàna manasazy mikendry ny hanafoanana ny trano famoaham-baovao sy ny fitantanana any amin'ny iray amin'ireo fampielezam-peom-panjakana fototra any amin'ny faritra."
Bangladesh : Ambaran'Ilay Oliravina Teo Aloha Voatsipaka Fa Sisampatin'ny Fampanambadiana Ankizy Izy
"Odianareo tsy hita ny marina fa sisampatin'ny fampanambadiana ankizy izy ary tonga mpilatro sy mpitaingina môtô ikoizana tsy nisy fanohanana avy amin'ny fianakaviana. "
Mpahay Tantara Thailandey Iray Mety Higadra 15 Taona An-tranomaizina Noho Ny ‘Fanivaivana’ Mpanjaka Taonjato Faha-16
"Te hanenjika ahy fotsiny ny fitondrana miaramila. Azon'izy ireo atao ny zava-drehetra. Tratrako ny fahatoniana. Tsy mampaninona ahy izany. Raha ny marina mampalahelo ahy ry zareo... Mampalahelo ahy ireo manana fahefana.."
Herintaona Taorian'ny Fandraràna Gazety Iray, Mbola Atao Fahirano Hatrany Ny Media Tsy Miankina Ao Oman
Efa maherin'ny herintaona izao no nakaton'ny manampahefana Omeniana ny gazety Azamn tsy miankina amin'ny teny Arabo noho ny fandrakofana ataony mikasika ny kolikoly ao amin'ny Sultanate. Mbola any am-ponja, mamita sazy herintaona an-tranomaizina i Yousef Al-Haj, iray amin'ireo tonian-dahatsoratry ny gazety.
“Ady Amin'ny Zavamahadomelina” Ataon'ny Fanjakana, Asehon'ireo Famonoana Tanora ny Vesatra Aterany sy Zakain'ireo Vondrom-Piarahamonina Marefo
"Mety hanjo ny rehetra io satria ilay olona lian-drà Duterte mankahery foana ny polisy hamono tsy manaraka ny zotra araka ny lalàna akory, mamboly porofo, ary miaro amin'ilay hazakazaka mihoson-dràny "ady amin'ny rongony".
‘Mbola Taonan'ny Vato Ve Isika ?’ Maneho Ny Hadisoam-Panantenany Ny Kambodziana Satria Nosakanan'ny Governemanta Ny Tohin'ilay Sarimihetsika “Kingsman”
"Mampihomehmy izany, tsy azoko inoana hoe ireo antsoina ho manam-pahaizana no tsy hahay hanavaka ny sarintsariny sy ny tena izy."
Antson'ny Irakiana ho an'ny Governemanta Hanampy Trano Fitaizana Zaza Kamboty Iray Mifototra amin'ny Zavakanto
"Tokony hanampy azy amin'ny fananganana orina mpanasoa feno ny governemanta satria hoavin'i Iràka ireo ankizy ireo ary mendrika ny ho tsara antoka."
Tantara an-tsary Makedoniana Iray Mandrisika ny Vehivavy Hiditra Amin'ny Asan'ny Fananganana Programa An-Tsolosaina
Lasa tsy azo ialana ao amin'ny kolontsaina teknolojika makedoniana i Neta, sombin-tantara an-tsary miresaka vehivavy tanora iray miasa amin'ny maha-injenieran'ny rindrambaiko azy.
Nahomby Ve Sa Tsia Ny Famorian'Olona An'Arivony Tao Malezia Manohitra ny Fanjakazakan'ny Halatra Ataon'ny Governemanta?
"... nirona loatra tamin'ny fanamelohana ny kolikoly, ny fanjakan'ny halatra ataon'ny governemanta ireo mpandahateny .. raha tokony hilaza bebe kokoa momba ny fomba hiatrehan'ny governemanta Pakatan, raha voafidy, ny olana toy ny...."