Tantara an-tsary Makedoniana Iray Mandrisika ny Vehivavy Hiditra Amin'ny Asan'ny Fananganana Programa An-Tsolosaina

Sombin-tantara an-tsary Neta.mk, nahazoana alalana ny famoahana azy indray. Tsindrio raha tianao ho lehibe ny habeny.

Tao anatin'ny roa taona sy tapany izao, nisy andian-tantara an-tsary an-tserasera iray mansongadina vehivavy tanora iray injenieran'ny rindrambaiko antsoina hoe Neta hitahita tao amin'ny sehatra teknika Makedoniana mandrisika ny vehivavy hiditra amin'ny kianja anjalazakan'ny lehilahy.

Neta dia novokarin'ny Netcetera, orinasan-teknolojia iraisampirenena iray izay manana orinasa lehibe indrindra ao Zurich sy Skopje. Ny filaharan'ny tantara dia nosoratan'ny ekipa mpiantsoroka ao amin'ny orinasa, raha ilay artista makedoniana malaza amin'ny fanaovana tantara an-tsary antsoina hoe Zlatko Girov kosa no nandravaka ny tantara.

Ny sombin-tantara dia azo jerena amin'ny teny Makedoniana sy Anglisy ao amin'ny tranonkala Neta.mk. Tamin'ny taona 2015, nahazo tsikeram-pahafinaretana nataon'ny gazetiboky be mpamaky ao an-toerana It.com.mk, izay milaza azy ho “mampitola-gaga”:

Нацртан е одлично, и програмерските шеги се навистина кул. Тоа што ни се допаѓа е што Нета, очигледно, е женски лик, а на македонската програмерска сцена и требаат девојки, бидејќи требаат свежи и нови идеи. Можеби Нета ќе ги мотивира девојките да се заинтересираат за професија доминирана од машки гикови?

Tsara dia tsara ilay sanganasa ary mahafinaritra tokoa ny hanihanin'ny programera. Ny tena tianay manokana dia ny fahitana fa miharihary tokoa ny toetra maha-vehivavy an'i Neta, ary mila zazavavy maro ny sehatra fandrafetana programa Makedoniana, satria mila hevitra madio sy vaovao io sehatra io. Angamba mety handrisika ny vehivavy ho liana amin'ny asa izay anjakazakan'ny “geek” lehilahy i Neta?

#ILookLikeAnEngineer (tahaka ny injeniera aho), sombin-tantara an-tsary, nahazoana alalana indray ny famoahana azy. Tsindrio raha tianao ho lehibe ny habeny.

Sombin-tantara an-tsary Neta.mk, nahazoana alalana indray ny famoahana azy. Tsindrio raha tianao ho lehibe ny habeny.

Nahazo ny mpanoratra an'i Neta ny Global Voices nanadihady ny tian-dry zareo hotratrarina sy ny fiantraikan'ny tantara an-tsary. Namaly ry zareo:

Целта на стрипот е да има локален, македонски стрип кој е креиран тука и го покрива IT светот во кој живееме. Уникатен е, не е копиран од интернет, се обидуваме за шегите да бидат што е можно пооригинални и да ја отсликуваат нашата секојдневна работа и да ги насмееме сите што работат во областа на информациските технологии. Од друга страна пак, би сакале со стрипот да ги охрабриме студентите да избираат инженерски факултети, особено да ги охрабриме и девојките кои навистина треба да се гордеат со своите успеси во избраната инженерска професија.

Ny tanjonay dia ny hitatitra ny fijerin'ny vondrom-piarahamonina teknolojika makedoniana amin'ny alalan'ny tantara an-tsary vita eto an-toerana. Miavaka ilay izy, tsy dika mitovy avy amin'ny zavatra efa hita amin'ny aterineto. Miezaka izahay manao izay haha-ôrizinaly araka izay azo atao ny hatsikana sady mitaratra ny asa andavanandro mba hampisy akony ao amin'ny olona miasa amin'ilay kianja. Etsy ankilany, tianay ny mandrisika ny mpianatra hisafidy ny fianarana ho injiniera any amin'ny oniversite, ary indrindra ny handrisika ny zazavavy izay tokony ho afa-mirehareha amin'ny fahombiazany tamin'ny nisafidianana ny asan'ny injiniera.

Sombin-tantara an-tsary Neta.mk, nahazoana alalana indray ny famoahana azy. Tsindrio raha tianao ho lehibe ny habeny.

Tsy mizty dokambarotra mivantana ho an'ny orinasa ny tantara an-tsary, raha ahitana fampiroboroboana mivantana iray fanombohan-draharaha teknolojika ikendrena ny tanora tahaka ny NASA Space Apps Challenge ny fizaran-tantara sasantsasany, hita ao amin'izany ihany koa ny fifaninanana fandrafetana programa tahaka ny endrika makedoniana amin'ny CodeFu sy ny hackaton [fandrafetana programa tsy misy fiatoana] IEEEXtreme. Nipoitra indray na indroa amin'ireny lanonana ireny amin'ny endrika maskôty na karazam-pandravahana i Neta.

Sombin-tantara an-tsary Neta.mk, nahazoana alalana indray ny famoahana azy. Tsindrio raha tianao ho lehibe ny habeny.

Milaza ny mpanoratra fa na dia “tsy mahalala ny fiantraikan'ny tantara an-tsary aza izahay […] dia ankafizinay ny manao izany ary manantena izahay fa hankafy amin'ny famakiana azy ny olona avy amin'ny tontolon'ny teknolojiam-pifandraisana. Faly ery izahay manisa ireo zara ao amin'ny media sosialy.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.