Bangladesh : Ambaran'Ilay Oliravina Teo Aloha Voatsipaka Fa Sisampatin'ny Fampanambadiana Ankizy Izy

Sady mpilatro no mpankafia môtô i Jannatul Nayeem Avril. Dikasary avy tamin'ny lahatsarin'ny Youtube nampakarin'ny Cox'sbazar Riderz Club

Dera sy fangorahana no azon'ilay mpanjakavavin'ny hatsarantarehy any Bangladesh voaongana, noho ny nanafenany fa nisara-panambadiana izy, rehefa nolazainy fa tsy mbola tonga tamin'ny taona tokony hanambadiana izy nandritra io fanambadiana resahana io .

Jannatul Nayeem Avril , mpilatro sady mpankafy moto, no nahazo ny satroboninahitry ny Oliravin'i  Bangladesh 2017 natao tany Lovello tamin'ny 29 Septambra. Noheverina fa izy no hisolo tena ny firenena amin'ny fifaninanana faha-67-n'ny oliravin'ny hatsarantarehy erantany izay hatao amin'ny faramparan'ny taona 2017, saingy ny 4 Oktobra dia nalàn'ny mpikarakara tamin'i Avril ny anaram-boninahitra noho ny nanafenany ny raharaham-panambadiany taloha. Ny lefitra voalohany, Jessia Islam no nasolo azy ary notolorana ny satroboninahitra. 

Nandritra ny harivan'ny fifaninanana 29 Septambra no nanombohan'ilay disadisa rehefa nilaza ilay mpandray anjara iray fa izy no tokony handresy fa tsy i Avril, sady tsy niraharaha ny fanapahankevitry ny mpitsara. Fotoana fohy taorian'io zava-niseho io dia nambara fa i Avril no mpandresy, ary nolazaina fa diso ilay fanambaràna teo aloha.

Nirongatra ny haino aman-jery sosialy, niaraka tamin'ny fanamafisan'ireo mpisera fa nolalaovin'ny mpikarakara ny fifantenana. Nivadika ny toe-draharaha rehefa navoakan'ny tatibaovao famotopotorana fa nanambady nandritra ny telo volana i Avril tamin'ny 2013 ary misara-panambadiana izy izao, fa nokoboniny izany. Ny ezaka nataony hanafina ny marina , fa tsy nitsotra hoe nisara-panambadiana izy no nitarika ireo manampahefana tamin'ny fifaninanana hanala taminy ny anaram-boninahitra.

Avy eo, nohazavain'i Avril  tao amin'ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook, naparitaka angamba, herinandro talohan'ny fanamarihan'izao tontolo izao ny Andro Iraisam-pirenena Ho an'ny Zazavavy, fa vokatry ny lalaon'ireo ray aman-dreniny ilay fisaraham-panambadiana no sady tsy ara-dalàna satria vao 16 taona izy tamin'izany fotoana izany. Nolazainy fa izy ihany no nanapaka ilay fanambadiana, ary avy eo dia lasa nifototra tamin'ny filatroana izy.

Faritan'ny UNICEF ho ” fanambadiana ara-dalàna na firaisana tsy mazava mialoha ny 18 taona” ny fanambadian'ny ankizy. Amin'ireo firenena aziatika, dia i Bangladesh no iray manana taha ambony indrindra  amin'ny fanambadian'ny zaza tsy feno taona, 18 ny vavy ary 21 taona ny lahy. Amin'ny ankapobeny dia ny ray aman-drany no mikarakara ny fanambadiana izay tsy ahafahan'ny zazavavy miteny firy.

Amin'ity tranga ity sy amin'ny maha-fiarahamonina mandàla ny nentim-paharazana ny any Bangladesh, dia maro no nihevitra fa fahasahiana ny fihetsik'i Avril. Nanoratra tao amin'ny Facebook i Abul Hasnat Milton, mpanoratra bangla miaina an-tsesintany any Aostralia :

[…] আমি শুধু এভ্রিলকে একটা বাহবা দিতে চাই তার সাহসের জন্য। মাত্র ষোল বছর বয়সে তাকে ‘বাল্যবিবাহের’ শিকার হতে হয়েছিল। তরুণী তার প্রতিবাদে সেই বয়সেই ঘর ছেড়েছে। শুধু তাই নয়, নানান প্রতিকূলতার বিরূদ্ধে দাঁড়িয়ে নিজেকে গড়েছে। আত্মবিশ্বাসী, সাহসী একটা মেয়ে বাইকে চড়ে শহরময় ঘুরে বেড়াচ্ছে, দৃশ্যটির কথা ভাবতেই আমি মুগ্ধ হই।

আপনাকে অভিবাদন এভ্রিল।

[…] Te hiarahaba an'i Avril fotsiny aho noho ny herimpony sy ny fahasahiany. Sisampatin'ny “fampanambadiana ankizy izy”. Nefa notoherin'ireo tovovavy izany ka niala tamin'ny fanambadiany ry zareo. Niady tamin-javatra hafahafa maro izy ary nandresy tamin'ny fanamby maro mba hiomanany izy tenany ho toy ny vehivavy mahomby.  Zava-dehibe tokony ho jerena ilay tovovavy iray feno fahatokiana sy fahasahiana mitaingina ny môtôny any an-tanànan'i Dhaka.

Arahabaina ry Avril.

Nankalaza ny herimpon'i Avril ihany koa ilay mpitoraka bilaogy sady mpikatroka mafana fo Ajanta Deb Roy :

তার জীবনে ঘটে যাওয়া বাল্যবিয়ে নামক একটা দুর্ঘটনার কারণে ‘মিস ওয়ার্ল্ড বাংলাদেশ’ প্রতিযোগিতায় যোগ দেয়ার তথাকথিত যোগ্যতা হয়তো সে হারিয়েছে কিন্তু আমার চোখে মেয়েটার সাহস আর আত্মবিশ্বাসই তার সবচাইতে বড় সৌন্দর্য্য।

Angamba nesorina tamin'ny fifaninanana “Oliravin'i Bangladesh” izy noho ny fanambadiany tsy nahy fahiny, fa amiko, ny herimpony sy ny fahatokiany no tena hatsarantarehy marina.

Fanehoankevitra maro, na izany aza, no nanakiana an'i Avril noho ny nanafenany fa efa nanambady izy. Tsy niombon-kevitra tamin'ny safidin'i Avril hikobona ny lasany  ilay mpianatry ny anjerimanontolo Tasdidul Haque, nefa nanameloka ny fanalàna baraka azy :

আচ্ছা বিয়ের ব্যাপার টা লুকায় সে ভুল করছে আপনি তার ডিস্কোয়ালিফিকেশন দাবি করতেই পারেন কিন্তু তার ছবি আপ্লোডাইয়া রসায় রসায় ক্যাপশন দেওয়াটা লেমনেস। একটা ১৬বছরের মেয়েকে এসএসসির সময়ে ইলিগ্যালি জোর করে বাল্য বিয়ে দেয়ে হলো সে সেই বিয়ে থেকে নিজেকে মুক্ত করে পরিবারের কোনো সাপোর্ট ছাড়াই এই স্টেজ অব্দি পৌছুছে, দেশ সেরা লেডী বাইকার সে, এসব আপ্নদের চোখে পড়েনা?

Nanao hadisoana izy tamin'ny nanafenany ny momba ny fanambadiany fahiny. Noho izany azo kianina izy. Fa mampalahelo ny fanalàna baraka azy amin'ny fanovàna ireo sary na fanaovana vazivazy. Odianareo tsy hita ny marina fa sisampatin'ny fampanambadiana ankizy izy ary tonga mpilatro sy  mpankafia môtô ikoizana tsy nisy fanohanana avy amin'ny fianakaviana.

Narovan'ilay mpilalao Jyotika Jyoti i Avril tamin'ny filazana azy ho “tsy manambady” :

এভ্রিল দাবী করছে সে অবিবাহিত, আমি তার দাবীর সাথে একমত। একটা বিয়ের ছবি কিংবা জোর করে দেয়া বিয়ের টিকে থাকা ১৫ দিন দিয়ে একজনের ঘাড়ে বিবাহিত দায় চাপানো যায়না ।

Nilaza i Avril fa “tsy manambady”, miombon-kevitra aminy aho. Ny fanambadiana noterena na sarintsarinà fampakarambady dia tsy manaporofo fa nanaiky hanambady.

Avy any amin'ny faritra ambanivohitra i Avril, fa lasa mpilatro ikoizana sy masoivoho famantarana ho anà orinasa iraisam-pirenena mombanà môtô. Tantara mampisy aingam-panahy no niantsoin'ilay mpanabe Rasheda Rawnak Khan izany :

অবাক হয়ে লক্ষ্য করলাম, তার দুচোখ ভরা স্বপ্ন! হাজারও উচ্চশিক্ষিত মেয়ের ভেতরে যে স্বপ্ন দেখার সাহস নেই, এই ‘সুন্দরী’ হতে আসা মেয়েটির ভেতরে তা আছে|

Gaga aho nahita fa nanana nofinofy izy. Maro ireo vehivavy nahita fianarana sy mihaja no tsy sahy manonofy hiala amin'ny toerana misy azy. Nanana izany fahasahiana izany ity mpifaninana nantsoina handresy tamin'ny fifaninanana hatsarantarehy ity.

Taorian'ilay vaovao nanalàna azy, dia naneho hevitra tamin'ny fandefasana lahatsary mivantana tamin'ny  Facebook i Avril fa hiasa hanohitra ny fampanambadiana ankizy izy :

আমি আপনাদের এভ্রিল, আপনাদের চোখে চ্যাম্পিয়ন ছিলাম, চ্যাম্পিয়ন আছি এবং আপনাদের ভালোবাসায় থাকবো।
যতদিন পর্যন্ত বেঁচে আছি, বাল্যবিবাহ নিয়ে আমি কাজ করবো, যাতে আর কোন মেয়ের স্বপ্ন না ভাঙ্গে।

Izaho, Avril-nareo, tompondaka eo imasonareo, dia ho tompondaka amin'ny fitiavanareo. Hiezaka aho hanakana ny fampanambadiana ny ankizy, mandritra ny andro rehetra iainako, mba tsy hisy nofinofin'ankizivavy hafa ho voatohintohina.

Noho izay antony izay, dia efa nahatsangana fikambanana mpanao asa soa atao hoe Avril Foundation izy.

Hatao any Shina amin'ny Novambra 2017 ny fifaninanana Oliravin'ny hatsarantarehy erantany 2017Jessia Islam no hisolo tena an'i Bangladesh.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.