· Jona, 2010

Below are posts about citizen media in English. Don't miss Global Voices, where Global Voices posts are translated into English! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Jona, 2010

Rosia: Famakafakana ny hetraketraka atao amin'ny mpitoraka bilaogy

Akon  25 Jona 2010

Tato anatin'ny 5 taona izao dia mpitoraka bilaogy miteny rosiana 40 eo ho eo no lasibatry ny piraty informatika (hackers) ka izany hetraketraka izany dia tarihan'ny vondrona mitondra ny anarana hoe The Brigade of Hell (Ny Brigadin'ny Afobe). Mihetraketraka ireo mpitoraka bilaogy miresaka politika sy varotra izy ireo. Raha mihena...

Ejipta: Fa iza i Mister Ejipta?

  24 Jona 2010

Tarek Mohammed Abdel Gawad, 26 taona, no voahosotra ho lehilahy tsara tarehy indrindra any Ajipta tamin'ity taona 2010 ity (Mister Ejipta 2010). Izy koa no solontenan'i Ejipta tamin'ny fifaninanana Mister World 2010 (lehilahy tsara indrindra maneran-tany 2010) natao tany Incheon, tany Korea, vao haingana. Araka ny voalazan'ny Universal Queen: Ny tena...

Korea Atsimo sy Avaratra: Tankina noho ny Mondial ny fifampihenjanana

  20 Jona 2010

Somary nihanalefaka kely ny fifankahalàna nisy teo amin'ireo Korea roa tonta izay tsy nitsaha-nisondrotra nanomboka tamin'ny faharendrehan'ny sambo mpiady iray an'ny Korea Atsimo noho ny tifitra nolazaina fa avy amin'i Korea Avaratra, noho ny fientanentanam-po miakatra dia miakatra izay tsy misy afa-tsy ny Mondial ihany no mahavita izany. Rakotra fanohanana...

China: Fanentanana ny mba hampiasàna ny tena anarana eo anivon'ny aterineto

GV Mpisolovava  20 Jona 2010

Ho an'ny maro amin'ny mafana fo amin'ny fampielezam-baovao, ny fametrahana ny tena anarana eo anivon'ny aterineto dia fanitsakitsahana ny fiainana manokana, kanefa, ao  China, misy sasantsasany amin'ireo olon-tsotra mafana fo no manentana ny hametrahana ny tena anaran'ny tena amin'izay rehetra atao eo anivon'ny aterineto mba hioharana ny tahotra. Tamin'ny volana...

Alzeria: Fahadisoam-panantenana sy hatezerana taorian'ny faharesena nanoloana an'i Slovenia

  19 Jona 2010

Mpanohana mijery amin'ny alalan'ny Amenkifo ao amin'ny Flirck nahazoana alalana tamin'ny Creative Commons Taorian'ny fiandrasana naharitra 24 taona, dia nandray anjara indray tamin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin'ny baolina kitra natao nanomboka ny 11 jona any Afrika Atsimo ny Alzeriana. Ireo alzeriana “niharan-doza” noho ny resaka navoakan'ny fampahalalam-baovao ofisialy (radio...

Torkia: mety mbola ho tafaverina indray ve ny fifandraisana amin'Isiraely?

  19 Jona 2010

Satria moa nanatri-maso tamin'izay nitranga tao anatin'ny “vondron-tsambon'ny fahafahana any Gaza” notarihan'ny Tiorka iza tontolo izao dia nahita ihany koa ny fahasimban'ny fifandraisana teo amin'ireo Governemantan'i Torkia sy Isiraely.  Mivandravandra ny fahatezerana mahazo ny Governemantan’ Isiraely any Torkia, ary hoharabaina ofisialy tahaka ny mahery fo ireo mafana fo rehefa tafaverina....

Iran: Hihetsika sa tsia amin'ny fankalazana ny tsingerin-taonan'ny fifidianana

  19 Jona 2010

Mir Hussein Mousavi sy Mehdi Karroubi, endrika roa fanta-daza amin'ny fanoherana Iraniana dia nangataka ampahibe maso tamin'ny manam-pahefana hahazo alalana hanao fihetsiketsehana amin'ny tsingerin-taonan'ny fifidianana filoham-pirenena ny 12 Jiona. Naneho ny ahiahiny amin'ny fiarovana ny mpanohitra tamina fanambarana iombonana ry zareo. Maro ireo Iraniana no tsy nankasitraka ity fihetsika mailomailo...

Ireo pejinay momba an i Anglisy

en