· Septambra, 2009

Below are posts about citizen media in English. Don't miss Global Voices, where Global Voices posts are translated into English! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Septambra, 2009

Porto Rico: Adihevitra momba ny sivana

  28 Septambra 2009

Ny Ministeran'ny Fampianaran'ny governemantan'i Porto Rico dia nanala boky dimy amin'ny fandaharam-pianaran'ny taona faha-11 ao amin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana. Maro ireo mpanoratra sy mpanakanto any Porto Rico no naneho ankarihary ny olany ary nandray ny fihetsiky ny governemanta ho sivana. Mihetsika noho izany fifanoheran-kevitra izany ny tontolon'ny blaogy ao Porto Rico.

Inde: Onjan'ny famonoan-tena ao amin'ny tantsaha

  25 Septambra 2009

Miha mandray fepetra hentitra tsikelikely ny tantsaha Indiana, ao anatin'izany ny famonoan-tena, hitsoahana ny fahasarotan'ny olan'ny fahantrana, ny tsy fahombiazan'ny voly sy ny fitombon'ny trosa.Mandinika ny zava-misy ny mpampiasa blaogy Indiana.

Etazonia: Hajian'ny Idy miteraka fankahalana any Tennessee

  24 Septambra 2009

Andian'ilay hajia taona 2008 , nialoha ny fiakaran'ny vidim- piainana Raha eo am-pankalazana ny Idy al-Fitr, manamarika ny fiafaran'ny volana Ramadany, indrindra ny Miozolomana any Etazonia, dia mivezivezy haingana dia haingana any ny rojon'imailaka feno fanaratsiana. Miampanga lainga ny filoha Obama ho mamoaka hajia vaovao fahatsiarovana ny Idy roa sosona...

Kazakhstan: Tsy fahazakàna fampielezan-kevitra

  23 Septambra 2009

Araka izay amaritan'i megakhuimyak azy, tamin'ny herinandro lasa iny tao Kazakhstan,  “miha-henjana ny fikorosiana.” Mbola manalokaloka sy mibahana ao an-tsain'ny firenena iray manontolo ny vinantolahin'ny filoha teo aloha, Rakhat Aliev, fahavalo  émigré ho an'ny fitondrana # 1. Ny tahotry ny olona ny fiandrianana mahafehy ny zavatra rehetra sy ny mpiasam-mpanjakana...

Shina: Mpianatra ao Beijing manohitra ny hanao famerenana mitabe

  22 Septambra 2009

Satria moa efa mihamanakaiky ny 1 Oktobra hankalazana ny faha-60 taonan'ny Repoblika entim-bahoakan'i Shina, dia netsehina hanao mitabe ho amin'izany fotoan-dehibe izany ny mpianatra avy amin'ny lisea sy ny Anjerimanontolo mihoatra ny iray hetsy ao Beijing. Misy ny mpianatra tsy faly loatra satria tsy maintsy manao mitabe avokoa ny mpianatra...

Egypta: Gamal Mubarak … Fa nahoana no tsy izy?

  22 Septambra 2009

Nifanojo ny  fandraisana an-tànana nataon”i Sharek sy ny an'i Gamal Murbak, nanapaka hevitra ny hanao ny fampielezan-kevitra amin'ny fombany manokana [AR] ho an'i Gamal Murbak ity mpihira Egyptiana iray Mohsen El Sayad Gamal Mubarak . Leih Maye7komshi (Maninona izy no tsy natao hitondra?) no lohatenin'ny hira ary Wa7da Masreya manoritra...

Sina: Fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana Han

  22 Septambra 2009

"Tao anatin'ny Fandaharan'asan'ny antoko komionista sinoa, tsy ny foko vitsy an'isa ihany no tsy nanana zo ara-pivavahana fa ny avy amin'ny maro an'isa Han koa aza...Amin'ny maha teraka Han sy nanalehibiazana ahy teto Sina, tsy mahita izany antsoina hoe fitiavan-tanindrazana mihoam-pampana Han izany izahay!"

Ireo pejinay momba an i Anglisy

en