Sina: te-ho lasa “mpiasam-panjakana voatsolotra” ny zazavavy kely mpianatra

Nanadihady ny mpianatra madinika ao amin'ny sekoly ambaratonga voalohany ny amin'ny tanjon'izy ireo eo amin'ny fiainana ny Gazety mpivoaka isan'andro Southern Metropolitana any Guangzhou ny andro voalohan'ny taom-pianarana vaovao any Sina (1 Septambra), Southern Metropolitan Daily.Nilaza tamin'ny mpanao gazety ny iray amin'izy ireo fa ny nofiny dia ny ho”lasa mpiasam-panjakana”. Raha nanontany azy ny mpanao gazety hoe mpiasam-panjakana inona no tianao, dia namaly izy hoe ” ho lasa mpiasam-panjakana voatsolotra”.Manana tombontsoa betsaka ny mpiasam-panjakana voatsolotra.”

Efa mandeha amin'ny youtube izao ilay horonantsary, notakonana ny endrik'ilay zazavavy kely:

Niely nanerana ny haino aman-jery sy ny blaogy  Sinoa ity valinteny ity. Mihevitra ny sasany hoe fanamarihana kisendrasendra ihany ny an'ity zaza, fa maro kosa no nitazona ny heviny fa fitaratry ny tena zava-misy eo amin'ny fiaraha-monina izany. Naneho karazana fanamarihana vitsivitsy ny resaka ao amin'ny ifeng :

rviflss 2009-9-4 14:16: 童言无忌

Tsy tokony ho raisintsika matotra ny tenin-jaza.

joanna-jin 2009-9-4 12:46: 可悲可恨啊,越长大越了解社会的黑暗

Mampalahelo sy mahatezitra izany, miha mahafantatra ny lafy ratsin'ny fiaraha-monina ianao rehefa miha-lehibe.

上來看看的 2009-9-4 13:20 : 我倒是觉现在的孩子才叫懂得什么叫现实,学校教的那一套就如同走过场一样,如果按照学校教的走向社会,那你只能回家了

mino aho fa efa fantatry ny ankizy amin'izao fotoana izao ny tena zava-misy marina. Tsy misy intsony ny soatoavina ampianarina any an-tsekoly. Raha manaraka ny fitsipika ianarana any an-tsekoly ianao ary miezaka ny hiaina izany ao anatin'ny fiaraha-monina, ny sisa anjaranao dia ny mody any an-trano.

toplong6450 2009-9-4 16:26: 只是说出了实话啊!!!! 大人应该好好检讨 我难过啊

Miteny ho azy ny marina! Tokony handini-tena ny olon-dehibe. Mampalahelo ahy izany.

wangbaozhu 2009-9-8 21:21: 皇帝的新装,只有孩子才说句实话。老师们,不要自欺欺人了,从小学做起,教他们学做贪官和奸商吧。

Ao anatin'ny tantaran'ny Akanjo Vaovaon'ny Amperora, zaza iray ihany no milaza ny marina. Ry mpanabe, aza mandainga amin'ny tenanareo intsony. Nanomboka tany amin'ny sekoly ambaratonga fototra ianareo no nampianatra ny ankizy ho lasa mpiasam-panjakana voatsolotra sy ho mpanao afera.

Ny mpanoratra mavitrika ato amin'ny serasera i Shihua (施化),tao amin'ny lahatsoratra vao haingana, dia nanamarika ny momba ny valintenin'ilay zazavavy mpianatra , ary nanome anarana ny fipariahan'ny trangan-javatry ny kolikoly any Sina ho ny hoe ” fahefam-bahoaka nasionaly” tsy misy fetrany:

这个六岁小女孩说出了成年人心里想说又不敢说的话。这句话里有两个事实,一个是,只有官才能贪,贪腐依靠权力,只听说过贪官,没听说过贪民的;一个是,要想有很多东西,在中国别无它径,最好是做官。

Ity zaza enin-taona no nahasahy nilaza ny zavatra tsy sahin'ny olon-dehibe lazaina. Zavatra roa no asehon'izay. Voalohany, ny mpiasa-panjakana ihany no manana fahefana ny hanao kolikoly (tsolotra); ny mpiasam-panjakana voatsolotra ihany no misy fa tsy misy ny hoe vahoaka voatsolotra. Faharoa, raha te hankafy zavatra tsara ianao any Sina, ny làlana tsara indrindra dia ny lasa mpiasam-panjakana.

贪污必须先做官,也就是行使国家公权力。但是,国家公权力(National Public Power)指的是公共权力,而不是国家机构自己的权力。也就是说,公权力强调的不是国家行政对社会、对人民的“管理”,而是对人民神圣不可侵犯的私有权力的保护。

Mila lasa mpiasam-mpanjakana aloha ianao raha te hiditra hanao kolikoly, izany hoe, ny fanatanterahana ny ” fahefam-bahoaka nasionaly” . Nefa midika hoe fahefan'ny vahoaka maro ny ” fahefam-bahoaka nasionaly” , fa tsy hoe fahefan'ny rafitry ny governemanta. Tsy fanaraha-maso ataon'ny governemanta amin'ny vahoaka sy ny mponina akory ny ” fahefam-bahoaka nasionaly” , fa fiarovana ny fahefan'ireo tsy miankina.

由于中国长期实行单一的公有制和计划经济,不可能自发产生私法观念和私权观念,所形成的唯一只有公法、公权观念…… 人民和企业的一切行为都须得到国家的许可,国家拥有绝对不受限制的权力。这样一来,本来应当保护私人的公权力就开始向私人领域伸出贪婪的手。

Tsy afaka mivelatra ho azy amin'izao ny fananana tsy miankina amin'ny fanjakana satria efa ela i Sina no nampiasa ny drafitra ara-toekarena voafaritra sy ara-tsosialy. Ny fahefam-bahoaka sy ny fitsipika no fanehoana mibahan-toerana… Mila eken'ny fanjakana avokoa ny hetsika rehetra ataon'ny mponina sy ny mpanao afera; manana fahefana tsy misy fetrany ny fanjakana. Na izany aza, ny ” fahefam-bahoaka nasionaly” , izay natao hiaro ny zon'ny tsy miankina tany am-boalohany, dia nanitatra ny hatendàny sy ny kolikoly ho amin'ny tontolon'ny tsy miankina.

一旦公共权力的形成,不是由全民经由民主方式,而是由某个独大的政党采取的强制方式,公权力在一夜之间就被偷换。腐败是和过度使用的公权力并存的,但不常存在于私权力。

Diso avy hatrany ny fandikàna ny ” fahefam-bahoaka nasionaly” raha tsy nalaina avy amin'ny dingana ara-demokratika izy, fa nofehezin'ny antoko politika tokana mavesa-danja. Miara mitoetra amin'ny fanatanterahana mihoampampana ny ” fahefam-bahoaka nasionaly” ny kolikoly, fa havitsiana amin'ny fahefan'ny tsy miankina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.