· Marsa, 2009

Below are posts about citizen media in English. Don't miss Global Voices, where Global Voices posts are translated into English! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Marsa, 2009

Israely: Noraisina tamin-kafanampo ny rindrin’ny hatsiaka

  08 Marsa 2009

Noraisin’ireo mponina tamin-kafaliana aok’izany ny rotsa-panala sy ny ranomandry izay nampangatsiatsiaka an’Israely tamin’ity herinandro ity. Kely sisa dia ho tapitra ny vanim-potoanan’ny orana, maro ireo matahotra fa ho tafiditra ao anatin’ny haitany mahatsiravina noho ny ny rotsak’orana kely dia kelin’ity taona ity ny vanim-potoanan’ny fararano.

Miray hina ny mpamaham-bolongana Ejipsiana miatrika ny fampihorohoroana

  08 Marsa 2009

Nanoratra I Eman AbdElRahman hoe ahoana re ny fihetsika asehon’ny tontolon’ny famahanam-bolongana Ejipsiana manoloana ny daroka baomba tao Al Hussein tamin’ny 22 Febroary izay nahafaty mpizaha tany Frantsay ary nandratrana olona mihoatra ny 20 isa. Te hiresaka ho androany mikasika ny vondron’ny mpamaham-bolongana Ejipsiana sy ny fanapaha-kevitr’izy ireo hiady manohitra ny fampihorohoroana.

Morocco: namoaka ny sangan’asa voalohany ny mpanoratra Morokan-Amerikana

  07 Marsa 2009

Efa ho taona vitsivitsy izay no nanoratany ny bokiny voalohany, vokatra azo avy amina fanakambanan tantara mitondra ny lohateny hoe Hope and Other Dangerous Pursuits (Fanantenana sy ny Fanenjehana hafa atahorana), no navoaka. Tafiditra tao anatin’ny mpanoratra fanta-daza ao Morocco I Laila Lalami. Rehefa voadika tamin’ny teny Anglisy ny asa soratra vitsivitsin’ny Marokana, eny fa na ny an’ireo mpanoratra vehivavy vitsivitsy koa aza, dia nameno ny banga eo amin’ny fifandraisan’ny literatiora Morokana amin’ny literaora tandrefana ny bokin’I Lalami voasoratra amin’ny teny Anglisy.

Isiraely: hanaraka ny fivavahana jiosy ve i Lindsay Lohan?

  07 Marsa 2009

Niova hanaraka ny fivavahana jiosy i Lindsay Lohan no malaza ao Isiraely.Voalazany ao anatin’ny pejy Facebook-ny manokana hoe nanantena izy fa ny fiovany dia hitondra azy hanakaiky bebe kokoa ny namany jiosy, antsoina hoe Samantha Ronson. Ankehitriny dia ao Londres I Lohan sy Ronson manatrika ny fotoampivavaham-pianakaviana jiosy, mitzvah. Image...

Kyrgystan: Tambatsary tsy misy hevitra politika

  05 Marsa 2009

Tapitra ny vanim-potoanan’ny ririnina, ary miandry ny lohataona mafana I Kyrgyzstan: ny fivorivoriana, ny hetsika fitakiana sy ny sisa. Kanefa aleho kosa mba hiresaka ny hatsarana isika e, fa tsy hoe ny politika tsisy farany io foana. Mba nanao ahoana izay ny sarin-drininina tao Kyrgyzstana? Nendefa am-bolongana ny sary tokan’ilay...

Fanadihadiana ny hevitry ny vahoaka Kambodjianina

  05 Marsa 2009

Notaritin’ny ivo-toerana Repoblikana iraisam-pirenenana ny fanadihadiana mikasika ny hevitry ny vahoaka Kambodjianina tamin’ny Octobra – Novambra 2008. Tsikaritry ny fanadihadiana fa ny 82%n’ny Kambodjianina no mahita fa mizotra mankany amin’ny lalana tsara ny firenen’izy ireo, ny 59%n’ny Kambodjianina no milazafa olana lehibe ao aorian’ny vidin-entana ny resaka sisitany sy ny fametrahana izany. Ny 85%n’ny mpamaly fanontaniana dia mitaky ny fifidianana ny sefom-pokotany tian’izy ireo apetraka fa tsy hoe akory hanaiky foana izay tendren’ny governemanta .

Ireo pejinay momba an i Anglisy

en