Nandritra ny 2.202 andro ny Breziliana nanontany hoe iza no nanome baiko sy namono an’i Marielle Franco, mpanolotsainan’ny tanànan’i Rio de Janeiro, tamin’ny 14 Martsa 2018. Enin-taona aty aoriana, tamin’ny 24 Marsa, nosamborin’ny polisy federaly ny telo lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fandrafetana ilay heloka bevava ary manakarama lehilahy mitam-basy hanatanteraka izany: Domingos Brazão, mpanao politika sady mpanolotsaina ao amin'ny Fitsarana Mpandinika ao Rio, ny rahalahiny, Chiquinho Brazão, mpikamban'ny kongresy federaly, ary Rivaldo Barbosa, lehiben'ny polisy sivily ao Rio de Janeiro teo aloha.
Araka ny tatitry ny polisy ho an'ny Operation Murder Inc., ny antony nahatonga ny famonoana dia noho ny fanoherana mafy nataon'i Franco hitsinjara tany any amin'ny zaratany noraofin'ny milisy — ao Rio manokana, ny voambolana dia manondro “vondrona saika miaramila norafetin'ny polisy miasa ankehitriny sy taloha mbamin'ireo Manamboninahitra miaramila mpamonjy voina (na mpamono afo), jiolahy, mpanao politika ary manamboninahitra miaramila, izay miasa ho toy ny mafia ara-dalàna ihany koa amin'ny alàlan'ny fandrobana ara-barotra sy ny fitaomana ara-politika.”
Tamin'ny taona 2019, herintaona taorian'ny heloka bevava, nosamborina amin'ny maha-voarohirohy azy ireo ny polisy teo aloha roa. Voarohirohy ho nanapoaka ny basy nahafaty an'i Franco sy ny mpamiliny, Anderson Gomes, ny iray tamin'ireo polisy antsoina hoe Ronnie Lessa, bala 13 isa no nandrotika ilay fiara. Taorian'ny fifanarahana tamin'ny mpanao famotorana dia niaiky ny heloka bevava vitany i Lessa ary nanondro ireo voasambotra amin'izao fotoana ho ireo olona nanakarama azy.
Milaza ny tantara iray navoakan'ny gazety Folha de S. Paulo fa maro ny banga tamin'ny tatitry ny fanadihadiana ary tsy ampy porofo hanamafisana ny fifandraisan'i Brazão mirahalahy amin'i Barbosa. Samy mandà tsy nandray anjara tamin’ity asaratsy ity izy telo lahy.
Barbosa, izay vao voatendry ho lehiben'ny polisy sivily taloha kelin'ny heloka bevava ary nihaona tamin'ny fianakavian'ireo niharam-boina, no voatondro fa niantoka ny tsy fanasaziana ireo mpanatanteraka. Tahaka izany ry Brazão mirahalahy, hoy ny nomarihan'ny ny gazety UK The Guardian taorian'ny fisamborana:
The Brazão brothers have long faced accusations of involvement in organised crime — claims they have denied. During the 1980s, the men were reportedly known in Rio as the “Irmãos Metralha” (The Beagle Boys) — a reference to the Disney cartoon villains.
Efa ela ry Brazão mirahalahy no niatrika fiampangana ho anisan'ny andian-jiolahy — izay notsipahin-dry zareo. Nandritra ny taompolo 1980, voalaza fa fantatra tao Rio ho “Irmãos Metralha” (The Beagle Boys – Ry zalahy alika) ireo lehilahy ireo — fanondroana ireo olon-dratsin'ny sarimiaina Disney.
Nilaza ny Intercept Brasil fa, araka ny filazan'ny talen'ny polisy federaly, maro ny toe-javatra nitarika ny famonoana an'i Marielle Franco, ary tena lehibe indrindra amin'izany ny anjara drafitra mila ankatoavin'ny Antenimieran'ny tanàna. Noresahan'ny famoaham-baovao ihany koa ny olona iray niditra an-tsokosoko tao amin'ny antokon'i Franco, Antoko Sosialisma sy Fahafahana (PSOL), herintaona talohan'io mba hanara-maso azy.
Niray feo ny Fitsarana Tampony hitazona am-ponja azy telo mirahalahy noho ny fikasana sy ny fibaikoana hamono.
Iza moa i Marielle Franco
Nitombo tao amin'ny Maré Complex, Marielle Franco dia nobeazina tao amin'ny Complexe Maré, iray amin'ireo tangoron-trano favela sy onenan'olona lehibe indrindra ao an-tanànan'i Rio de Janeiro, i Marielle Franco. Mpahay sôsiôlôjia, niasa ho mpanampy an'ilay kongresy Marcelo Freixo, izay nitarika fanadihadiana parlemantera momba ireo milisy ao amin'ny fanjakan'i Rio, izy talohan'ny nifidianana azy voalohany ho mpanolotsaina tamin'ny taona 2016, nahazo vato 46.502.
Hoy ny gazety Valor Econômico:
Durante sua trajetória, Marielle abordava muitas temáticas sociais como a pobreza e marginalidade das comunidades, o acesso a universidades públicas, violações aos direitos humanos e violência contra as mulheres e costumava criticar abertamente ações da Polícia Militar em favelas cariocas.
Nandritra ny diany, niresaka lohahevitra ara-tsosialy maro toy ny fahantrana sy ny fanilikilihana vondrom-piarahamonina i Marielle, ny fidirana amin'ny oniversitem-panjakana, ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ary ny herisetra atao amin'ny vehivavy ary nanakiana ampahibemaso ny hetsika nataon'ny Polisy Miaramila ao amin'ny favelas an'i Rio.
Herinandro talohan'ny namonoana azy, ny 8 martsa, andro iraisampirenena ho an'ny vehivavy, nanao kabary manan-tantara tao amin'ny Antenimieran'ny tanàna i Franco. Raha niresaka momba ny isan'ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao Brezila — ka vehivavy 12 no maty isan'andro, ary 13 isan'andro iharan'ny fanolanana, dia nisy lehilahy iray teo amin'ny mpanatrika nilaza zavatra, ary namaly i Franco:
Tem um senhor que está defendendo a ditadura e falando alguma coisa contrária? É isso? Eu peço que a Presidência da Casa, no caso de maiores manifestações que venham a atrapalhar minha fala, proceda como fazemos quando a Galeria interrompe qualquer vereador. Não serei interrompida, não aturo interrupção dos vereadores desta Casa, não aturarei de um cidadão que vem aqui e não sabe ouvir a posição de uma mulher eleita Presidente da Comissão da Mulher nesta Casa.
Misy lehilahy mihaja miaro ny jadona sady milaza zavatra mifanohitra amin’izany ve? Izany ve? Manontany ny filohan'ny Lapa aho, raha sendra misy fihetsiketsehana mahery vaika mety hanelingelina ny kabariko, mba hirosoana amin'izay fanaontsika rehefa manapaka (ny tenin'i) ny mpanolotsainan'ny Tanàna ny mpanatrika eny an-davarangana. Tsy hotapahina aho, tsy miandany amin’ny fanapahan-teny Mpanolo-tsainan’ny Tanàna eto amin’ity Lapa ity aho, tsy mijoro ho amin’izany avy amin’ny olom-pirenena tonga eto sady tsy mahay mihaino vehivavy iray lany ho filohan’ny Vaomieran'ny Vehivavy eto amin’ity Lapa ity aho.
Nanatrika lanonana iray momba ny “Vehivavy mainty hoditra mampihetsika rafitra” izy ny alin’ny 14 martsa 2018, rehefa nivoaka ny fivoriana izy, dia nohatonin’ny fiara hafa ny fiarany, ary nisy olona tao anatiny nitifitra ka nahafaty ilay mpanolotsaina sy ny mpamily azy, Anderson Gomes. Tafavoaka velona i Fernanda Chaves, izay niara-niasa tamin’i Franco amin'ny maha-mpanampy azy.
Somary nangigina araka ny filazan'ny gazety breziliana ny fandraisany anjara tamin'ilay tetikasa noheverina ho nitarika tamin'ny famonoana azy.
Tao anatin'ny enintaona, vehivavy maro no nanaraka ny diany tamin'ny politika, nahazo aingam-panahy avy aminy, ary naniry ny hanohy ny lova navelany. Natsangana nanomboka tamin'izany ny Ivotoerana iray mitondra ny anarany. Ny rahavaviny, Anielle Franco, no minisitry ny fitoviana ara-poko amin'izao fotoana izao ao amin'ny governemantan'i Luiz Inácio Lula da Silva. Ny vadiny, Monica Benicio, dia Voafidy ho mpanolotsaina ny tanànan'i Rio tamin'ny taona 2020, ao amin'ny antoko PSOL ihany koa i Monica Benicio vady navelany.
Vehivavy mainty hoditra sady LGBTQ+ ary lasa reny teo amin'ny faha-19 taonany, i Marielle Franco no solo fanehoana ny maro tsy mbola nahazo fahefana hatrizay niainany. Lasa Sary-ohatra ny famonoana azy ary niteraka tabataba nanerana ny firenena sy iraisampirenena avy hatrany.
Fanehoan-kevitra
Namoaka horonantsary, niaraka tamin'ny reniny, i Anielle Franco haneho hevitra momba ny fivoarana farany momba ny raharahan'ny rahavaviny:
Há seis anos, nos tiravam Marielle e Anderson em um crime brutal que abalou as estruturas democráticas do país.
A solução deste crime, sobre quem mandou matar e porquê, é uma resposta para a democracia.
Essa luta não é apenas das famílias, mas de todos e todas do Brasil.… pic.twitter.com/LMe1WdPPmN
— Anielle Franco (@aniellefranco) March 24, 2024
Enin-taona lasa izay, nalain-dry zareo tamin'ny fomba feno habibiana taminay i Marielle sy i Anderson izay nanozongozona ny rafitra demaokratika rehetra tao amin'ny firenena.
Ny vahaolana amin'ity heloka bevava ity, amin'ny hoe iza no nanome baiko hamono ary nahoana, dia valiny ho an'ny demaokrasia.
Tsy avy amin'ny fianakaviana ihany ity ady ity, fa avy amin'ny vahoaka manontolo eto Brezila …
Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny TV Brasil i Monica Benicio nilaza fa tsy taitra tamin'ny nahavoaroiroy an-dry Brazão mirahalahy saingy tohina raha nahafantatra ny momba an'i Barbosa, izay nandray ny fianakavian'i Franco sy Gomes tao amin'ny biraony andro maromaro taorian'ny famonoana, nampanantena azy ireo fa laharam-pahamehana ny famahana olana ny raharaha.
“Hay nifanatrika tamin'ny lehilahy iray tena nahafantatra tsara ny zava-nitranga aho ora vitsy taorian'ny namonoana ny vadiko,” hoy izy.
Hatramin'ny 14 martsa 2018, maro ny olona tsy nitsahatra nanotany isan'andro tao amin'ny media sosialy hoe iza no namono sy nanome baiko ny famonoana an'i Marielle Franco. Amin'ireo fanontaniana mbola tsy voavaly, mangataka ny rariny i Monica Benicio:
2.204 dias sem ela.
2.204 dias de saudade. #JustiçaParaMarielleeAnderson— Monica Benicio 🏳️🌈 (@monica_benicio) March 26, 2024
2.204 andro tsy nisy azy.
2.204 andro tsy nahitana azy. #Rariny ho an'i Mariellesy i Anderson