Tantara mikasika ny Ghana

Balancing Act ao amin'ny bilaogy Afrikanina

  22 Oktobra 2018

Manomboka amin'ny lahatsoratra momba ny bilaogy Afrikanina ny fanontana ankehitriny ao amin'ny Balancing Act - gazety antserasera malaza momba ny fifandraisan-davitra Afrikanina - ary mampiseho bilaogera maromaro mandray anjara ao amin'ny Global Voices,

Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?

  15 Oktobra 2018

Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.

Fankalazana ny Ashura manerantany

  28 Septambra 2018

Muharram, volana voalohany amin'ny alimanaka Islamika, no fotoam-pisaonana ho an'ireo Silamo Shiita. Mandritra izany volana izany, mankalaza ny fahafatesan'i Husain, zafikelin'ny Mpaminany Mohammed sy ny Imam shiita fahatelo, ao amin'ny Ady tao Karbala izy ireo. Tonga amin'ny fara-tampon'ny Ashura, andro fahafolo amin'ny volana ny lanonana fisaonana.

Mamakivaky ny afovoan-tsenan'i Kumasi

  28 Septambra 2018

Lahatsary iray notontosaina mampiseho ny famakivakiana ny iray amin'ireo tsena lehibe indrindra an-kalamanjana ao Afrika. Nalaina ary novolavolaina tamin'ny 23 Jolay 2005. Avy amin'ny mpitendry aponga Ghanaina Obo Addy ny mozika, nalaina tao amin'ilay rakikirany  Afieye Okropong  ary nahazoana alalana avy amin'i Alula Records.