Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Ghana tamin'ny Marsa, 2018

Ny Tohin'ny Dia Tany Accra

Indro ny rakipeo lava kokoa nohavaozina tamin'ny diako tany ho any Ghana tany. Fisaorana manokana an'i Alula Records noho ny namelany ahy hampiasa mozika avy amin'ny mpihira Ghaniana Obo Addy. Hasongadiko ny sanganasan'i Obo sy ny lahatsary amin'ny rakipeo manaraka . -andy

Ghana: Mpanenon-damba ao Ashanti

Lahatsary fohy mikasika ny fanenoman-damba nentim-paharazana kente ao amin'ny faritra Ashanti ao Ghana.

Toy Ny Ahoana Izany Hoe Nandeha Fiarakodia Nandritra Ny Telo Ora Niampy Nofy Ratsy Fito Ora ?

Rakipeo voalohany : manodidina ny tany amin'ny 7:15 hariva, tany ho any amin'ny faritra avaratr'i Accra tany. Rakipeo faharoa : adiny roa taty aotiana teo ho eo , somary efa akaiky kokoa an'i Accra, saingy mbola lavitry ny toerana rehetra manakaiky ny faran'ny dianay

Ghana: Resadresaka Momba Ny Rakipeo Sy Ny Bilaogin-dahatsary Tao Amin'ny Radio Ghana

Nanadihady ahy tao anatin'ny antsafa ny mpanao gazety iray avy ao amin'ny Radio Ghana nandritra ny atrikasa notontosaiko. Nihaino fampahalalam-baovao maro matetika aho kanefa tsy reko izany ary nihevitra aho noho izany fa tsy nahatratra ny fotoana nandefasana izany angamba na tsy mbola nalefa mihitsy ilay izy.