Ny teny manjavozavon'ny 419, miaraka maka sary amin'ny voay sy dadabe noely ao Ouagadougou

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2006)

Inona no mitranga rehefa miditra amin'ny nomerika ireo mpanao hosoka? Ny vokatra dia ny tontolo manjavozavo 419. Scribbles from the Den, bilaogy Kameroney nandefa lahatsoratra momba ireo mpanao hosoka: “Ho alaiko ny dolaranao”: 20/20 Mankany amin'ny Tontolo Manjavozavon'ireo mpanao hosoka an'aterineto Nizeriana:

The email usually pops unannounced in your mailbox with an enticing “private business proposal” or a “request for business relationship”. The style and content of such emails usually vary, however, the substance is always the same – someone with access to a huge sum of money (usually millions of dollars) needs your assistance to move the loot out of his or her country of residence. And for your hard work, you will receive a mouth-watering percentage of the fortune in question. This is the famous 419 Internet scam.

Miverimberina matetika ny mailaka ao amin'ny boaty fandraisanao hafatra amin'ny “tolotra fandraharahana tsy miankina” na “fangatahana fifandraisana ara-barotra”. Matetika miovaova ny endrika sy ny votoatin'ny mailaka toy izany, na izany aza, mitovy foana ny antony – olona afaka miditra amin'ny volabe (matetika dolara an-tapitrisany) saingy mila ny fanampianao mba hamindra ny hazany hiala ny taniny. Ary noho ny asa mafy ataonao, dia hahazo ny ampaham-bola betsaka amin'izany ianao. Izany no tranga fisolokiana malaza 419 amin'ny aterineto

Mijery ny fandaharana vao haingana avy amin'ny tambajotram-baovao ABC ao Etazonia momba ny fisolokiana avy any Nizeria ny bilaogy:

This evening, ABC's 20/20 (Friday, December 8, 2006 at 10 p.m. ET/PT), Chief Investigative Reporter, Brian Ross travels, to Lagos to expose the murky world of the 419ers, and turn the tables on some of these “masters” of crime who end up being the “mugus” (slang for big fool) – a classic case of outconing the conmen.

Amin'izao hariva izao, 20/20 ao amin'ny ABC (Zoma 8 desambra 2006 amin'ny 10 ora alina ET / PT), nankany Lagos ny Lehiben'ny Mpitati-baovao, mpanao famotorana, Brian Ross mba hampiseho ny tontolo mikorontana amin'ny 419ers, ary hanozongozona ny sasany amin'ireo “lehiben'ny” heloka bevava izay hiafara ho” mugus “(teninjatovo midika hoe adala be) – tranga iray mahazatra handresena ny fisolokiana.

Mbola mikasika ny fisolokiana sy ny mpisoloky ihany, tsotra sy mivantana ny lohateny avy amin'i Oluniyi David Ajao: Tsy afaka misoloky olona mitandro ny marina ianao:

…The scam popularly refered to as 419 is basically an “advance fee fraud” that is based on the greediness of the “victim”. It would take a very dishonest person to fall victim.
All the variants of 419 listed on Wikipedia are based on the greediness/gullibility of the willing victim…

There are so many indications that such attractive offers are scams. Huge sums of money are almost always involved. For example, you receive an email or text message that you have won $20,000 in a lottery. You are then asked to send $1,505 as administrative fees or something like that. Now, you would clearly know whether you staked lottery or not. If you didn’t stake any lottery, the only reason you would expect to get something for nothing, is dishonesty.

I am not holding fort for scammers and never will. My point here is simple: You can’t cheat an honest man (or woman 🙂 ).

… Ny fisolokiana malaza tondroina amin'ny hoe 419 amin'ny ankapobeny no tena “hosoka ara-bola goavana” izay mifototra amin'ny fitiavam-bola tafahoatra an'ilay “niharam-boina”. Tokony olona tena tsy azo itokisana no lasa lasibatra.
Ny endri-tsoratra 419 rehetra voasoratra ao amin'ny Wikipedia dia mifototra amin'ny fitiavam-bola/finoanoam-poana sy ny finiavana ho lasibatra …

Maro ireo fanehoana fa fisolokiana ny tolotra manintona tahaka izany. Misy resa-bola be foana. Ohatra, mahazo mailaka na hafatra an-tsoratra ianao fa nahazo 20.000 dolara tamin'ny loteria. Avy eo ianao angatahana mba handefa 1.505 dolara izay saram-pitantanana na zavatra toy izany. Ankehitriny, fantatrao raha nanao loteria ianao na tsia. Raha tsy nanao loteria ianao, dia ny tsy fitandroana fahamarinana no antony tokana antenainao hahazoana zavatra avy amin'ny tsy misy.

Tsy hanohana ireo mpisoloky aho ary tsy hanao izany mihitsy aho. Tsotra ny teniko eto: tsy afaka mamitaka lehilahy marina na vehivavy marina ianao :-)).

Ity endrika fisolokiana ity dia nomena anaran'ny fizarana ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana Nizeriana, andininy 419, izay mandràra izany.

Raha tokony handany fotoana hamaly ireo mailaka fisolokiana, nankafy nilalao voay ilay bilaogera Ghaneana, Ramblings of an African Geeka. Nizara sary akaiky miaraka amin'ny voay nalain'ny tenany ihany izy, tany Paga, avaratr'i Ghana: sary tny an-dalana tamin'izany:

Me and the Crocodile

Ny tenako mihazona rambona voay tao Paga, atsimon'ny sisintany Ghana-Burkina

Miala ao Ghana mankany Burkina Faso, nolazaina taminay fa mitsidika an'ity firenena Afrikana Andrefana ity ny Dadabe Noely. Under the acacias manoratra hoe: Tonga ao Ouagadougou ny Dadabe Noely:

Christmas is coming apparently. However, in Gorom-Gorom, there is no sign as yet of the approach of Christmas, apart from the increase in price of sheep at the market.

Burkina

So it was a shock to get to Ouaga and find at the traffic lights that, alongside the usual paper hankies and cellphone cards, inflatable Father Christmases are now also available for sale!

Toa ho avy ny Krismasy. Na dia izany aza, ao Gorom-Gorom, tsy misy famantarana fanatonan'ny Krismasy, ankoatra ny fitomboan'ny vidin'ny ondry eny an-tsena.

Ka manafintohina ny mankao Ouaga ary mahita ao amin'ny jiron'ny fifamoivoizana fa, eo akaikin'ny mosoara taratasy sy ny karatra finday, amidy ihany koa ny balaonina dadabe noely !

Mirary fety sambatra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.