Tantara mikasika ny Benin

Ny Orkesitra Aragon, Singa Iray Manandanja Amin'ny Fiarahamiasa Ara-javakanto Amin'i Kioba Sy Afrika

  04 Desambra 2016

Ny ankamaroan'ny tanora Afrikana tamin'ny taona 50 sy 60 no nahita ny mozika ary nanao ny dingana voalohany tamin'ny dihin'izy ireo niaraka tamin'ny gadona Afro-kiobàna: Cha-Cha-Cha, Pachanga, Charanga, sns. Nanaovan'i Etazonia ankivy, taona vitsivitsy taorian'ny fandresena, nampiasain'ny fitondràna Castro ny mozikany mba hahazoana toerana eo amin'izao tontolo izao.

Loharanon'Angovo 5 Tsy Tsara Trandraka Ao Afrika

  06 Desambra 2013

Mbola mizaka matetika loatra ny olan'ny fampifandimbiasana fanapahan-jiro ny ankamaroan'ireo firenena ao Afrika, izay manakana ny firosoana ara-toekareny. Kanefa tsy ny loharanon'angovo akory no tsy misy. Ity ny lisitr'ireo loharanon'nagovo izay tena tsy tsara trandraka ao Afrika ao

Ny Miteraka Ny Fahatapahana Herinaratra Ao Bénin

  27 Novambra 2013

Ho fampahatsiahivana, ao Nizeria, izay firenena lehibe indrindra mpamokatra solika aty Afrika, efa ho ny roa ampahatelon'ny vahoaka no miaina ambanin'ny fetran'ny fahantrana ary ireo mba manana fahafahana miditra amin'ny tambajotran'ny herinaratra indray dia mizaka fahatapahana isanandro.

Solitanin'i Bénin: Fikoropahana sa Fanambaràna Politika?

  10 Novambra 2013

Nanambara ny governemanta beninoà fa nahita toera-pitrandrahana solika tao amin'ny faritra Sèmè-Podji. Mahafaly ny sasany izany toe-javatra izany fa mampanontany ny hafa kosa hahalalany ny antsipirihany momba ny fahitana ity zava-baovao ity.

Bénin : Tsy Ny Rehetra no Manaiky ny Bemidina Djakpata

  24 Jona 2013

Hatramin'ny nanokafan'ny minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny fivavahana ny Bemidina Djakpata no mikendry ny hanenjika ny jiolahy rehetra, izay mandika lalàna mety hanohintohina ny filaminan'ny vahoaka beninoà. Nefa betsaka ny tsy manaiky ity tetikasa ity tao anatin'ny andro vitsivitsy izay.

Afrika Frankôfôna: Ny Ivotoeram-Piofanam-Pitantanam-Panjakana

  09 Septambra 2012

Tamin’ny volana Febroary 2001, lany nandritra ny fivoriambe tany Windhoek, ao Namibia  ny Sata Mifehy ny Asam-panjakana ao Afrika (PDF). Efa-polo taona taorian'ny fahaleovantena, mampiseho ny fahataran'ny fanomezan-danja ny fitantanam-panjakana momba ny fampandrosoana sy ny fitsinjaran-karena ao Afrika ny fanambarana nivoaka tao Windhoek. Nampisy fihenana ny isan’ny mpiasam-panjakana afrikanina ny fandaharan’asa momba ny...