Netizen Report: Miely manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara ny hetran'aterineto — ary mampangina olompirenena

Diaben'ny Vondron'asa fanoheran'ny vehivavy, Jona 2018 ao Kampala, Ogandà. Saripikan'i Katumba Badru, nahazoana alalana.

Milaza ireo fanamby, fandresena ary fironana misongadina amin'ny zo an'aterineto manerantany ny Advox Netizen Report.

Amin'ny fanombohan'izao “hetran'ny bilaogera” ao Tanzania sy ny hetra media sosialy nampidirina vao haingana tao Ogandà izao, dia nankatò karazan-ketra ho an'ny mpisera media sosialy sy ireo sehatra fifandraisana tahaka ny WhatsApp, Facebook, Viber ary ny hafa ny kabinetran'i Zambia tamin'ny tapaky ny volana aogositra.

Tahaka izany ihany koa ny governemantan'i Benin tamin'ny fankatoavana ny fanitsiana hetra mitovitovy amin'izany izay mikendry ireo fandefasan-kafatra sy antso mifototra amin'ny fiantsoana telefonina, ary avy eo nametraka hetra tovana amin'ny fampiasana ireo fampiasa fifandraisana mifototra amin'ny aterineto.

Niteraka adihevitra tsy mety lany ny fifantohana ataon'ny governemanta maro amin'ny fampiasa miankina amin'ny aterineto, toy ny WhatsApp, izay tsy misy sara aloa ho an'ny tsirairay afa-miditra aterineto. Notabatabain'ny governemanta hatry ny ela ny ahaverezan'ny vola tokony hiditra amin'ireo mpanome tolotra fifandraisandavi-pirenena lehibe fahiny ireo (sady nahazo tombony be tamin'izany).

Fa amin'izao fivoaran'ny sehatra fifandraisandavitra any amin'ny maro amin'ny firenen'i Afrika atsimon'i Sahara izao, dia sehatra manandanja lehibe amin'ny fielezan'ny firaisamonim-pifandraisandavitra, fampitam-baovao ary ny fanairana ny vahoaka mandritra ny voina tampoka ny sehatra tahaka ny WhatsApp sy ny Facebook Messenger. Ny fampanaovana azy ireny ho lafo kokoa dia mety hampihena be dia be ny fahafahan'ny olom-pirenena mifandray amin'ny hafa.

Nankatoavina ny hetra vaovao tao Zambia na dia teo aza ny fanoherana avy amin'ny sehatr'asa samihafa, anisan'izany ny Antenimieran'ny Varotra sy ny Indostiria, izay efa nijery mialoha ny hetra hitambesatra amin'ny fihariana maro.

Namoaka fanambaràna feno fanahiana amin'ity raharaha ity ny Media Institute of Southern Africa, sampana ao Zambia, izay niarahany namoaka tamin'ny Blogger of Zambia, firaisankinam-pirenena iray. Nanoratra ireo hoe:

This is a form of double and punitive taxation and taxing individual users in lieu of the social media companies that actually make money. We are concerned about this proposal because it falls within a pattern of government clampdown on online expression as we have noted of late.
[…]
Why should we make this expensive in the midst of already over-taxed residents, coupled with high poverty levels?

Karazana hetra miverina in-droa toa fanasaziana ilay izy, izay ny mpisera no tena tratran'ny hetra fa tsy ireo orinasa izay mitantana ny tambajotra sosialy sady mahazo tombony amin'ilay izy. Feno ahiahy amin'izao tolokevitra izao izahay satria tafiditra ao anatin'ny politikan'ny governemanta amin'ny fanakombonam-bava ny fahenoan-kevitra an-tserasera, tahaka izay efa tsikaritray vao haingana.
[…]
Fa nahoana isika no hampanao izay hahalafo azy ireny ho an'ny mponina efa itambesaran'ny hetra sady tafiditra lalina amin'ny fahantrana?

Nanasongadina fitsontsoriky ny fiseraserana amin'ny aterineto finday, avy any amin'ny 6,1 tapitrisa mankany amin'ny 5,2 tapitrisa tamin'ny taona 2017, ihany koa ny Quartz Africa, ka mampihevitra fa lasa lafo loatra ny sara fiseraserana. Amin'izao fampiharana hetra vaovao izao, mbola mety hitsontsorika bebe kokoa io tarehimarika io.

Miditra ao amin'ny VKontakte, tambajotra sosialy rosiana ny miaramilan'i Myanmar

Taorian'ny nandraràn'ny Facebook kaonty miisa 18 sy pejy miisa 52 misy ifandraisany amin'ireo miaramilan'i Myanmar tamin'ny aogositra lasa teo, izay niaraka tamin'ny famoahana ny tsikaritry ny Firenena Mikambana fa nampiroborobo ny herisetra hamelezana ny vahoaka Rohingya ny tafik'i Myanmar, haingana ny nananganan'ny biraon'ny Lehiben'ny Tafika ao Myanmar kaonty vaovao tao amin'ny tranokalan'ny media sosialy rosiana VKontakte (VK), ary nanara-dia tamin'izany ihany koa ireo miaramila manamboninahitra maro hafa.

Tamin'ny 14 Septambra, nanana mpanjohy miisa 37.000 ny kaonty. Ny fotoana no hilaza raha ho afahan'ny tafika manangana indray ny fisiany an-tserasera ao amin'ny VK izao tetezamita izao. Misy itovizana amin'ny Facebook ny sehatra ary mandrara votoaty manao “propagandy na mandray anjara amin'ny fankahalana ara-bolonkoditra, fivavahana, foko, mampiroborobo ny fasisma sy ny fahamboniana ara-poko.”

Vehivavy Shina nosamborina fa nampitandrina ny namany amin'ny mety hisian'ny risika ara-pahasalamana noho ny fiakaran'ny rano

Nosamborina tamin'ny 25 aogositra 2018 noho ny fampielezana “tsaho” amin'ny fielezan'ny valan'aretina amin'ny biby fiompy vokatry ny fisian'ny fihoaran-drano tsy mbola nisy toy izany ny mpisera WeChat miisa roa ao amin'ny faritanin'i Shandong ao Shina. Samy namoaka hafatra nampitandrina ny namana sy ny fianakaviana ho mailo amin'ny aretina ireo mpisera miisa roa ireo, noho ny fisian'ny tondradrano avy amin'ny Rivodoza. Ao Shina, heverina ho tsaho izay sombim-baovao rehetra tsy avy amin'ny fantsona ofisialin'ny governemanta.

Tokony avotsotra ny fonja i Mahmoud Shawkan, Ejipsiana mpakasary fanao an-gazety

Ho afahana tsy ho ela ilay Ejipsiana mpakasary fanao an-gazety Mahmoud Shawkan, izay nodidiana higadra dimy taona noho ny fitaterany ny fihoaram-pahefana nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny taona 2013. Tao anatin'ny fitsarana tambabe izay nahitana olona miisa 739 nampangaina taorian'ny fanaparitahana an-kerisetra ny tobim-panohanana an'i Mohamed Morsi, filoha Ejipsiana teo aloha tamin'ny taona 2013, izao namoahana didy an'i Shawkan izao. Nandritra ity fotoam-pitsarana ity, nomelohina ho faty ireo mpikambana vaventy sady mpikambana ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana miisa 75.

Manaiky ny fitakian'i Rosia hanivana ireo mpikatroka ny Google

Andro iray mialoha ny fihetsiketsehana lehibe anoherana ny fanitsiana ny fisotroan-dronono tsy tiam-bahoaka nomanina manerana an'i Rosia, nampahafantatra tamin'ireo mpikarakara ny fihetsiketsehana ny Google, ny Orina Mpanasoa miady amin'ny Kolikoly izany mpikarakara izany, fa nakanton-dry zareo ny lahatsary YouTube fanentanana ny fihetsiketsehana, tamin'ny fanononana ny fanitsakitsahana ny lalam-pifidianana rosiana. Milaza ireo manampahaizana ara-pitsarana fa fomba fandraisana ny lalàna azo iadian-kevitra tsara mihitsy izany. Nampitandrina i Leonid Volkov, talen'ny fanentanana avy amin'ny mpikatroka ao amin'ny fanoherana sady kandidà Ben'ny tanànan'i Moskoa teo aloha Alexey Navalny amin'ny fankatoavana an-jambany ireo fangataham-panivanana avy amin'ny governemanta mpanao famoretana.

Ary raha manome vahana bebe kokoa ireo orinasan'ny nomerika ny toromarika vaovaon'ny Vondrona Eoropeana amin'ny fizaka-manana? 

Nankatoavin'ny Parlemanta Eoropeana ny Toromariky ny Fizakamanana (Copyright Directive) izay hanana fiantraikany lehibe amin'ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera. Hita ao amin'ny Toromarika ny lazaina ho “hetran'ny rohy” izay mamela ny mpanao famoahana maka sara avy amin'ny goavan'ny sehatra tahaka ny Google raha vao mametraka rohy mankany amin'ny votoaty avoakan-dry zareo na ny lahatsoratra. Hotakian'ny toromarika ihany koa ireo mpisera mpamoaka votoaty amin'ny sehatra tahaka ny YouTube mba hanombana raha azy tokoa ilay sombim-botoaty — na io video, feo, lahatsoratra na sary — mialoha ny ahafahan'ny mpisera iray mamoaka ny fisie iray. Ao amin'ny tsikeran'ny refy navoakan'ny The Guardian, nandresy lahatra i James Ball fa raha tokony hampihena ny fanjakazakan'ny sehatra aterineto lehibe, dia ny mifanohitra amin'izany no ataon-dry zareo:

“…building these pre-filters will be time-consuming and expensive – meaning that they will serve to entrench existing social networks in their positions of power and make it harder for new competitors – perhaps with better business models not based on data harvesting – to appear.”

… handany fotoana ary ho lafo izany mametraka sivana mialoha izany – izay midika fa hanamafy orina ny fanjakazakan'ireo tambajotra sosialy efa misy izany rehetra izany ary hampisy sakantsakana amin'ny fidiran'ireo mpifaninana vaovao – izay mety hanana maodelim-pihariana tsara kokoa tsy miankina amin'ny fanangonan-drakitra lahatahiry.

Nataon'i India ho tsy heloka intsony ny firaisan'ny samy lahy — mety hanampy amin'ny zo hanam-piainana an-takonana izany 

Nandidy tsy nisy nitsipaka ny Fitsarana tampony ao India fa tsy mifanaraka tamin'ny lalampanorenana ilay lalàna manameloka ny firaisan'ny olona mitovy fananahana izay efa nihatra 157 taona, ka tsy mihatra intsony izany lalàna izany. Mety hitarika zavatra maro izao fanapahan-kevitry ny fitsarana izao amin'ny fiarovana ireo zo an-takonana isan-karazany, indrindra fa ireo zo an-tserasera. Tamin'ny fanehoan-keviny manoloana izao fitsarana izao, nilaza i Jac sm Kee said, talen'ny programa ao amin'ny APC Women: “Ny asa fanamafisana ny zo hanam-piainana an-takonana sy ny fifandraisany tena ilaina amin'ny zo hahazaka tena, hiaina ary hanana fahamendrehana dia fankatoavana lehibe amin'ity zo fototra ity, ao anatin'izao vanim-potoana hanaovan'ny Fanjakana, ny orinasa ary ireo andry hafa miezaka manao ny fanarahamaso nomerika ny fiainana an-takonana sy ampahibemaso ny olon-tsotra izao.”

 

Mamandriha amin'ny fandraisana ny Netizen Report

 

 

Nandray anjara tamin'ny fanaovana ity tatitra ity i Afef Abrougui, Ellery Roberts Biddle, Mohamed ElGohary, Amanda Lichtenstein, Leila Nachawati ary i Sarah Myers West.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.