Ny Orkesitra Aragon, Singa Iray Manandanja Amin'ny Fiarahamiasa Ara-javakanto Amin'i Kioba Sy Afrika

Ny ankamaroan'ny tanora Afrikana tamin'ny taona 50 sy 60 no nahita ny mozika ary nanao ny dingana voalohany tamin'ny dihin'izy ireo niaraka tamin'ny gadona Afro-kiobàna: Cha-Cha-Cha, Pachanga, Charanga, sns. Nanaovan'i Etazonia ankivy, taona vitsivitsy taorian'ny fandresena, nampiasain'ny fitondràna Castro ny mozikany mba hahazoana toerana eo amin'izao tontolo izao.  Tao anatin'izany ezaka izany, nitàna toerana lehibe noho ireo fitsidihana manerantany nataony ny Orkesitra Aragon

Lahatsoratra iray ao amin'ny tranonkala africultures.com no mitantara ny fivoaran'ny fifankahitan'ny kolontsaina mozikaly kiobana novelomin'io tarika io tany Cienfuegos (Kiobà) tamin'ny taona 1939 noforonin'i Orestes Aragón, mpandrafitra ary manana kolontsaina Afrikana :

Tamin'ny taona 1971, nahita an'i Afrika i Aragon

Niaina ny faran'ny fanjanahantany sy ny fidirana tamin'ny fahaleovantena tamin'ny alalan'ny gadona Cha cha cha ireo firenena ao amin'ny tanibe Afrikana, ary ny  modely Kiobàna no tena nanindry ny mozika vaovao tany Afrika, nanomboka tamin'ny Rumba Kongole.

Ho an'ny Afrikana, ny Aragon no “ilay” fitaratra kiobàna, ary ilay tarika dia mahazo fandraisana mafana avy amin'ireo filoham-panjakana. Setrin'izay, hametraka tomboase amin'ny mozikany i Afrika, miaraka amin'ny lohateny toy ny “Muanga” an'ilay Kongole Franklin Boukaka; ary ny vao haingana indrindra “Yaye Boy”, hiran'ny tarika Senegale Africando. Ny Cha-Onda, gadona sy dihy noforonin'ilay mpitendry lokanga, Tomas Valdés, tany am-piandohan'ny taona 70, dia vokatry ny fijanonany tany Ginea sy ny fifandraisana tamin'ny tarika tsara indrindra tao amin'ny firenena, ny Bembaya Jazz National…

Mitantara ny rivo-piainana sy ny fifandraisana ara-politika any amin'ny renivohitra afrikana anaovan'ity orkesitra malaza ity seho ny tranokala lusafrica.fr:

Ny fandevy sy ny sofin'ny taranaka vao misondrotra dia niitatra hatrany Kioba: ny fifindràn'ny tonga lafatra revolisionera, ny famakiana indray ny raharaha mampalahelo momba ny fanandevozana, dia miaraka tsara amin'ny hamaivan'ny gadon'ny dihy cha-cha-cha. Tamin'ny 1971, ela be taorian'ny nahitan'i Afrika ny Aragón no nahita an'i Afrika i Aragon, ary ny toerana notsidihanay voalohany tamin'izany dia Ginea (an'i Sékou Touré) sy Mali. Ary hisy koa avy eo fitsidihana maro hafa ka ny fandaharam-potoana amin'izany dia fety ofisialy eo anoloan'ireo minisitra sy olo-manankaja maromaro na fampisehoana ho an'ny vahoaka. Orquesta Aragón, masoivoho sy mpisava lalana, tarika Kiobàna hany tokana mba mandehandeha manerana an'i Afrika, lasa kintana tokana tany Ginea any Kongo, hatrany Bénin ka hatrany Zanzibar; noho ny fisian'ny horonampeo piraty; tonga hatramin'ny famoronana gadona vaovao mihitsy, ny Cha-onda, noforonin'ilay mpitendry lokanga Thomas Valdès, niainga avy tamin'ny feo re teny an-dàlamben'i Konakry.

Ho fankalazana ny 75 taonany, nifidy ny tany Afrikana ny orkesitra Aragon, ohatra amin'izany Abidijan, renivohitra Ivoariana, izay, amin'izao fotoana izao, misy fikambanana am-polony mpankafy salsa, trano fisakafoanana ary trano fandihizana amin'ny alina mpankafy manokana salsa.

Nanao fampisehoaha ho an'ny mpanankarena izy mba hanentana ny takarivam-piantràna isantaona fanaon'ny Fikambanana Ny Ankizin'i Afrika  an-Dramatoa Dominique Ouattara, vadin'ny Filohan'i Côte d'Ivoire ao amin'ny Lapa tsara tarehy an'ny Kongresy ao amin'ny Sofitel Abidjan Hôtely Ivoire, miaraka amin'ny mpandray anjara avy amin'ny firenena Afrikana sy tany hafa

Avy eo, nanao fampisehoana ho an'ny mponina tao amin'ny kartie an'i Treichville izy mba hiaraka hankalaza ny tsingerintaonany, araka ny voalazan'ny Emily Tapé ao amin'ny tranonkala gbich.com:

Voalohany, ny fandraisan'izy ireo anjara tao amin'ny sakafo arahina rindran-kira ho an'ny fikambanana Children of Africa an-Dramatoa Dominique Ouattara, vadin'ny filoham-pirenena,  ny asabotsy 12 martsa. Ary ny alahady faha-13, manomboka amin'ny 6 ora sy sasany hariva;   ao amin'ny lapan'ny kolontsaina ao Treichvillehankalaza ny faha-75 taonany teo amin'ny sehatry ny mozika ilay tarika ao anatin'ny zara-taona fitopolony. Ireo mpankafy lokanga, sodina ary ny gadona mafana salsa dia tokony hivonona hiaina fotoana TSY HO HAY A-DI-NO-I-NA!

Raha namaly ny fanontanian'i Mary Alfred Charles Ngoma ao amin'ny tranonkala Bouetoum-Kiyindou, Kongole mpanao gazety mpahay tantara, filohan'ny vondrona, Salsa Ideal manadihady ny fivoaran'ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy mozika izay nitondra tany amin'ny fifampizarana harena amin'i Kiobà sy ny firenena Afrikana:

Marina fa fakan'ny mozika Afro-Kiobàna tokoa dia maka tsy misy adihevitra ampahany betsaka avy amin'ny kolontsaina Banto ao amin'ny fanjakàna Kongo sy ny manodidina azy izay tokony ampifanampiana amin'ny fiavian Yurba. Mahita ny tenany ao anatin'ireny gadona ireny ny Kongoley tamin'ny tapaky ny taonjato faha-20. Nalain'ireo Kongoley mpisava làlana ny mozika maoderina ireny mba hiteraka ny dihy Romba Kongoley. Ny “Trovas” sy ny “Feo Lehibe” an'ny Trio Matamotos sy ny Sexteto hafa no natao fanetsehana fototra ny aingam-panahy. Ny Revolisiona Kiobana niaraka tamin'i Fidel Castro dia niteraka fifanatonana tena izy, ara-batana teo amin'ny Kiobàna sy Kongoley mpanakanto sy mpiangaly mozika. Noho ny filoha Fidel Castro, nanitsaka ny tany kongoley ny andianà Kiobàna mpiangaly mozika: Maravillas de Cuba, Sensacion na ilay orkestra malaza Aragon, izay tonga im-betsaka tany Kongo. Mifanohitra amin'izany, nandeha tany Kiobà ny orkesitra Bntous an'ny Renivohitra tamin'ny taona 1974 sy 1978 nampahafantatra ny toerany nanomboka tamin'ny namoronana azy ho mpahay ny “Ritmo de Oro”

Ao amin'ny tranonkala cairn.info, ny fanadihadiana nataon'i Elina Djebbari, mpikaroka ao amin'ny King's College (Londona) ao amin'ny tetikasa Modern Moves (2013-2018) vatsian'ny Filankevitry Eoropeana momba ny Fikarohana , dia manadihady ny momba ny politika sy ny mozika eo amin'ny fiarahamiasan'i Kiobà sy Mali. Lohateny entinìilay fanadihadiana ny hoe Ady mangatsiaka, kilalao politika ary fifamoivoizana ara-mozika eo amin'iKioba sy Afrika Andrefana Las Marvillas, hatrany Mali ka hatrany Kioba ary ny Orquesta Aragón any Afrika. Afaka vakiana toy izao ilay fanadihadiana:

Miorina amin'ny fikarohana tany sy ny fandinihana ny tahirin-kevitra tany Mali sy Kiobà, ity lahatsoratra ity dia manadihady ny olana ara-politika sy mozika izay avoitran'ny fivezivezena sy ny fivahinianan'ireo mpitendry mozika Maliana sy Kiobana manerana ny kaontinanta araka ny fifanakalozana ara-kolotsaina teraka teo amin'i Kioba sy ireo  firenena afrikana taorian'ny fahaleovantena. Raha noraisina ho tanjon'ilay fandihadiana ny fahatongavan'ny orkesitra Las Maravillas de Mali tany Kiobà sy fitsidihan'ny Orquesta Aragón tany Afrika Andrefana, maro amin'ireo tetikasa momba ny fivezivezen'ny mozika manerana an'i Atlantika no niharihary. Ity lahatsoratra ity dia miresaka momba ny anjara asa manokan'ny politika ao amin'ny tantaran'ny fanatontoloana mozikaly manerana an'i Atlantika

Ny tranonkala Senegaley rewmi.com dia namerina namoaka indray ny lahatsoratra iray izay navoakan'i Walf fadjri mitondra ny lohateny hoe Fiaraha-miasa ara-kolontsaina eo amin'i Kiobà sy Afrika: Ny Salsa ho toy ny rohy eo amin'ireo vahoaka roa tonta, manolotra ny tanjon'ny iraka Kiobàna izay nitsidika firenena maromaro tany Afrika Andrefana teo ambany fitarihan'i Abel Acosta Damas, minisitra lefitry ny kolontsaina Kiobana sy ny Filohan'ny sampan-draharahan'ny Mozika an'i Kiobà tamin'ny Jona 2008:

Nanasa ireo Senegaly sy Afrikana mpanakanto mba handray anjara amin'ny fetin'ny mozika kiobàna, antsoina hoe Cubadisco, fanao isan-taona voalahatra hotontosaina ny 17 hatramin'ny 25 Jona 2008 ao La Havane ny delegasiona Kiobana. Ity fety natokana ity, andiany faha roambin'ny folo natokana ho an'ny tanibe Afrikana, dia habaka ara-teoria natokana ho fandinihana ny kolontsainan'ny mozika sy ny dindon'ny tandrefana. Hasaina ireo mpanakanto Afrikana mba hanao seho miaraka amin'ireo Kiobàna namany amin'ny tontolo andro fitokanana ny fety izay firenena dimy ambin'ny folo no efa nanamafy ny fandraisany anjara…

Araka ny filazan'i Abel Acosta Damas, ny mozika Kiobàna dia manana fiaviana mainty noho ny fivarotana andevo. Izany no mahatonga ny kolontsaina Kiobàna sy Afrikana hisy fitoviana maro noho io tantara iraisana io….

Aorian'ny Côte d'Ivoire sy Mali, dia tsy maintsy handao an'i Senegal anio alina ao anatin'ny dingana farany amin'ny fitsidihany ireo zana-paritra, Ginea Konakry, i Abel Acosta Damas .

Ao amin'ity lahatsary eto ambany ity, ny filoha Gineana, Alpha Condé, mandihy salsa miaraka amin-dramatoa masoivohon'i Kiobà tao amin'ny sakafo ofisialy miaraka amin'ny gadon'ny orkesitra Aragon tamin'ny Janoary 2014 tany Konakry

Ny fifandraisana ara-Kolontsaina amin'i Ginea no anisan'ny tranainy indrindra ao Afrika atsimon'i Sahara, noho ny fironana iraisana misy eo amin'ireo fitondrana roa ao amin'ireo firenena roa tonta ireo. Ginea no firenena faharoa ao amin'ny kaontinanta mametraka fifandraisana diplomatika amin'ny Kiobà

Tamin'ny 2014, raha teo am-pitsidihana an'i Ginea ny orkesitra Aragon, sady mampadihy ny Profesora Alpha Condé, ny orkesitra vehivavy an'ny Zandarimaria ao Ginea, ankehitriny fantatra amin'ny anarana hoe “Les Amazones de Guinée” kosa nitsidika an'i Kiobà. Ny tranonkala Guineeconakry.info manome antsipirihany:

Nanao fampisehoana izy ireo avy eo ,ny Talata 15 Aprily tamin'ny 6 ora hariva, niara-nanao fanentanana mahavariana taminà orkesitra vehivavy kiobàna mahafinaritra, “* Morena son *” tao amin'ny Casa de la Trova ao Santiago any Kiobà, toerana malaza fanaovana mozika nentin-drazana, anisan'izay nandalo tao ohatra ny Matamoros Trio, Pepe Sanchez, Nico Saquito, Eliades Ochoa, Compay Secundo, izay avy any amin'ity faritra ity rahateo koa.

Farany, tamin'ny Alarobia 16 Aprily 2014, dia nanolotra ny fampisehoany farany izy ireo, niaraka tamin'ny hafanampo nitovy hatrany, tao amin'ny kafe Theater Heredia, ho famaranana ny Kaonferansa faha-XIII iraisam-pirenena momba ny kolontsaina Afrikana sy ny Afrikana-Amerikana.

Na tany ivelan'ny kaontinanta Afrikana aza ny orkesitra Aragon sy ireo mpitendry mozika Afrikana dia nandray anjara niaraka tamin'ireo seho ara-kolontsaina. Toy izany no nandraisany anjara niaraka tany Montreal, tamin'ny Seho ara-kolontsaina Iraisam-pirenena Alin'i Afrika, andiany faha-30. “Nandritra ny 13 andron'ny fety, tamin'ny 12 hatramin'ny 24 Jolay, mpanakanto mihoatra ny 700 avy amin'ny firenena 35 no niakaka an-tsehara tany amin'ireo efitrano enina ao afovoan-tanàna sy teo amin'ny lampihazo roa nisy fampisehoana maimaimpoana tao amin'ny Zaridainan'ny Vohitry ny fety”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.