· Aogositra, 2017

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Aogositra, 2017

Goatemalà: Mankalaza Ny Saripika Mandritra Ny Volana Septambra

  13 Aogositra 2017

Nandritra ny volana Septambra, nankalazaina tao amin'ny trano fampirantiana zavakanto tao an-drenivohitra Antigua sy Quetzaltenango ny zavakanton'ny fakana sary. Nampiasa bilaogy ankehitriny ny trano fampitantiana zavakanto nandray anjara tamin'ny hetsika antsoina hoe Foto30 mba hanomezana vaovao momba ireo mpanakanto sy hamelana ireo mpitsidika hifanakalo hevitra ao amin'ny fampiratiana.

Repoblika Dominikana: ny “Dominicana Moda” Araka ny Fijerin'ireo Bilaogy

  10 Aogositra 2017

Nanomboka ny Dominicana Moda na ny DM08 (Fetiben'ny Lamaody Dominikana) ary toa hita fa maro no nanaraka ny hetsika tamin'ny alalan'ny fampitam-baovao samihafa. Nanao fikarohana vitsivitsy izahay ary manolotra ho anareo bilaogy miisa telo izay nanokana lahatsoratra, sary maro ary mitantara ny zava-drehetra tokony ho fantatra momba ny [Dominicana Moda].

Paragoay: Nandresy Tao Cannes Ny Sarimihetsika “Sebastian's Voodoo”

  10 Aogositra 2017

Mankalaza an'i Joaquin Baldwin, anankiray amin'ny mpanatontosa sarimihetsika sady mpanentana izay voalohany nitondra loka nody an-tanindrazana tamin'ny fifaninanana Sarimihetsika Fohy Antserasera notontosaina niaraka tamin'ny Fetiben'ny Sarimihetsik'i Cannes, ny Paragoaiana. Noforonina tamin'ny alalan'ny sarimiaina nomerika ny sarimihetsika Sebastian's Voodoo, ary noreseny ireo tafakatra famaranana miisa 9 hafa nandritra ny fifidianana an-tserasera.

Goatemalà: Esquipulas sy Rabinal, Marika Roa Anà Fandriampahalemana

  02 Aogositra 2017

Tanàna roa ao Goatemalà, izay toeran'ny herisetra nahery nandritra ny fifandonana nitam-piadiana, no mankalaza fety maro manandanja rehefa volana Janoary - "Esquipulas" sy "Rabinal". Afaka nanao ireny fankalazana ireny ireo vondrom-piarahamonina ireo , taorian'ny fahataperan'ny ady, ary lasa endriky ny fandriampahalemana ho an'ny firenena izany.

Ekoadaoro: Vondrona Ara-tsosialy Manao Dia Be Ho Fankalazana ny Andron'ny Asa

  02 Aogositra 2017

Toy ny firenena maro manerana izao tontolo izao, nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Mpiasa rehefa 1 May ny Ekoadoriana. Lasa andro ara-tantara iray nitoloman'ny mpiasa rehetra manerana ny firenena hanànana fepetram-piasàna tsaratsara kokoa, na efa natao ho andro tsy fiasana tamin'ny fomba ofisialy aza izany tao amin'ny firenena tamin'ny 1915.

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es