Paragoay: Nandresy Tao Cannes Ny Sarimihetsika “Sebastian's Voodoo”

(Marihina fa tamin'ny 27 May 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Mankalaza an'i Joaquin Baldwin, anankiray amin'ny mpanatontosa sarimihetsika sady mpanentana izay voalohany nitondra loka nody an-tanindrazana tamin'ny fifaninanana Sarimihetsika Fohy Antserasera notontosaina niaraka tamin'ny Fetiben'ny Sarimihetsik'i Cannes, ny Paragoaiana. Noforonina tamin'ny alalan'ny sarimiaina nomerika ny sarimihetsika natolotra, Sebastian's Voodoo, ary noreseny ireo tafakatra famaranana miisa 9 hafa nandritra ny fifidianana an-tserasera.

Araka ny tranonkalan'i Baldwin, ilay horonantsary 4 minitra dia azo fintinina tahaka izao : ” tsy maintsy manana herimpo hamonjena ny namany mba tsy ho voapaingotra mandramaty ny saribakoly voodoo iray.”

Nanomboka nanohana ny horonantsary ireo bilaogera Paragoaiana, toa an'i Mike Silvero ao amin'ny Sin Ánimo de Ofender [es] rehefa voatendry ho tafakatra famaranana ny horonantsary ary nandrisika hifidy. Nampiasa ny kaontiny Twitter i Baldwin hanomezana fanavaozam-baovao momba ny fifidianana sy ny filazana ny vokatra farany ihany koa :

We won at Cannes! By a gigantic 2,100 vote difference! Check out the results at http://pixelnitrate.com (follow the link below the banner)

Nandresy isika tao Cannes! Niaraka tamin'ny elanelam-bato miisa 2100 be izao! Jereo ny valiny ao amin'ny http://pixelnitrate.com (araho ny rohy etsy ambany)

Nitehaka tamin'ilay safidy sy nanao fanehoan-kevitra tamin'ny lafiny tena nankafiziny tao amin'ilay horonantsary fohy [es] i José Ángel López Barrios :

Muy buena la selección… La animación tiene todo lo necesario, misterio, encanto, suspenso y una enseñanza.. La técnica y la iluminación van a la par, la compaginación de todo este material es posible gracias a las nuevas tecnologías que permiten el cauce creador hasta en ínfimos matices, por ejemplo las texturas… excelente selección!!!

Tena safidy tsara izany … Nanana ny zava-drehetra, ny mistery, ny hatsarana, ny fientanentanana, ary ny lesona ilay sarimiaina  .. Mifandanja ny lafiny ara-teknika sy ny hazavana , ary nahafahana nanatanteraka ny fanatambarana ireo zavatra rehetra ireo ny teknolojia vaovao izay mamela ny sehatra hanaovana famoronana, eny fa na dia tamin'ny antsipirihany bitika indrindra aza, ohatra, teo amin'ny voivoitra… Safidy tena tsara !!!

Mihevitra ny bilaogera iray hafa, Carlos Rodríguez ao amin'ny Rescatar [es] fa tokony hankatoavina ny talentan'i Baldwin, zava-misy izay odian-tsy hita ao amin'ny fiarahamonina Paragoaiana:

En estos tiempos en que cuestionamos el mal uso del talento para hacer el mal, cometemos el error de minimizar a los que hacen un uso positivo de sus habilidades y conocimientos. Es momento de aplaudir a Joaquín Baldwin por su premiación en Cannes por dar una espectacular animación a un muñeco con piel de arpillera

(…)

Brillante Baldwin. No paremos hasta el Oscar.

Ao anatin'izao fotoana isalasalantsika amin'ny tsy fahampian'ny fahaizana mampiasa ny talenta noho ny fahantran'ny antony, dia manao fahadisoana isika amin'ny fanaovana tsinontsinona ireo izay mampiasa ny talentany sy ny fahalalany amin'ny fomba tsara. Tonga ny fotoana hitehafana an'i Joaquín Baldwin noho ny lokany tao Cannes sy noho ny famoronana sarimiaina mahavariana ahitana saribakoly lamba.

(…)

Mahafinaritra, Baldwin. Tohizo hatrany amin'ny fahazoana Oscar.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.