Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Febroary, 2015
Sary Tsotra Hanehoana Ny Teritery Ara-politika Ao Thailand
Ny sary nataon'i Prachatai dia manao lisitra ireo hetsika mahazatra izay nofoanan'ireo manampahefana tato anatin'ny sivy volana farany. Tafalentika lalina ny aretin-tsaina "tsy tia mainty" ao amin'ny fitondràna miaramila.
Fijerin'i Karaiba : Ny Fahalalaham-Pitenin'i Charlie Hebdo Manoloana ny Tsy Fahazakana Adihevitra
Bilaogera Karaibeana Roa Miresaka Fondamentalisma ara-pivavahana ao anatin'ny toe-draharaha fanafihana ny Charlie Hebdo sy ny eritreritra raha fanararaotra izao hiovana fitantaram-potokevitra.
Tatitry ny Fangaraharahana : Miakatra Be ny Fangatahana avy any Rosia
"Tao Rosia, niainga tamin'ny tsy naharaisana fangatahana tany am-boalohany ka tafakatra mihoatra ny 100 ny fangatahana mombamomba ny kaonty nandritra ity fotoana taterina ity. Tsy manome na inona na inona izahay ho valin'izany fangatahana rehetra izany," hoy ny tatitry ny Twitter.
GV Face: Voaràra Ao Yemen tantanin'i Houthi Ny Fihetsiketsehana
Ao anatin'ny korontana ara-politika i Yemen, tsy manana filoha sy governemanta hatramin'ny nakan'ny milisy Houthi ny fitondram-panjakana sy ny lapam-panjakana tao Sanaa renivohitra
RuNet Watchdog: ‘Mivaralila’ Noho Ny Fandàvan'ny Twitter Tsy Hibahana Ireo Mpanohitra An'i Kremlin
Alexandr Zharov, filohan'ny Roscomnadzor, nilaza tamin'ny mpanao gazety fa "nandà hatrany ny Twitter tsy hanaraka ny fangatahan'ny rafitra ara-pitsaràna Rosiana, isan'izany ireo ikendrena hiadiana amin'ny mahery fihetsika,"
Ankizivavy Manao Sarintanin'i Palestina Amin'ny Bala Israeliana Nangoniny Manodidina Ny Tranony
Nivezivezy tao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy ity sary ity androany. Milaza ny tatitra fa nanangona bala Israeliana manodidina ny tranony ny ankizivavy iray ary nanao sarintanin'i Palestina tamin'ny alalan'ny izany.
Onjanà “Bot” Miezaka Mampahatsiahy Ny Rosiana Ny Fotoana Mamy Tamin'ny Lalao Olaimpika
Eo ampiatrehana krizy ara-toekarena sy ady mitam-piadiana ao Okraina, misy ny ezaka iraisana alefa amin'ireo onjampeo rehetra mba hampahatsiarovana ny Rosiana ny momba ny tsingerintaonan'ny fandresen'ny firenena tamin'ny Lalao Olaimpika..
Hanome Valisoa (Vola) Mihoam-pampana Hoan'izay Mahafaty Ny Tompon'ny Charlie Hebdo Ilay Mpanao Lalàna Pakistaney
Nilaza i Haji Ghulam Ahmed Bilour fa hanome valisoa 200,000 dolara hoan'izay namono ny tompon'ny gazetiboky ary 100,000 dolara hoan'ireo mpandova ireo mpanafika ny Charlie Hebdo. Antsoin'ny sasany ho fisehosehoana mampidi-dooza ataon'ny PR izany.
Valopy Menan'ny Taombaovao Shinoa Nahazo Ravaka Elo Mavo ao Hong Kong
Nanao fanovana kely tamin'ny valopy mena nentim-paharazana ny mpikatroky ny mpanohana ny demaokrasia, izay tokony hitondra firariantsoa noho ny vanim-potoana, ho lasa fanohanana ny Revolisionan'ny Elo.
Politika Manjavozavo Ao Yemen Mitohy Miaraka Amin'ny Fanambaràna “Tsy Manaraka Lalàm-panorenana” Nataon'i Al Houthi
Raha nisy nyafomanga fankalazàna ilay fanambaràna dia nisy koa fihetsiketsehana ho fanoherana izany tany an-toeran-kafa. Efa miomnana hiatrika fotoan-tsarotra iray mampihazohazo sahady i Yemen.