Politika Manjavozavo Ao Yemen Mitohy Miaraka Amin'ny Fanambaràna “Tsy Manaraka Lalàm-panorenana” Nataon'i Al Houthi

A cartoon by Samer Al Shameri summing up the negotiations in Yemen

Sariitatra nataon'i Samer Al Shameri mahafehy ny fifampiraharahàna tao Yemen

Taorian'ny fihazohazoana politika tao Yemen nandrtry ny herinandro maro, nanambara tamn'ny 7 Febroary e ny  milisy Houthi izay naka ny fifehezana an'i Sana'a renivohitr ary nanery ny Filoha Abdu Rabu Mansour Hadi sy ny kabinetrany hametra-pialana tamin'ny volana lasa, fa horavàn-dry zareo ny Antenimiera, hametrahany ny rantsana fiarovana sy mpanoime vaovao avy ao aminy, fantatra amin'ny hoe “Supreme Revolutionary Committee (SRC), Kaomity Faratampon'ny Revolisiona” ho mpitondra an'i Yemen.

Efa hatramin'ny 22 Janoary i Yemen no tsy nisy mpitondra ara-dalàna. Nanao kaonferansam-pirenena nandritry ny telo andro ireo Houthi mpitarika, nifarana tamin'ny Sabotsy 1 Febroary teo tamin'ny nanomezany ho an'ireo mpifanandrina ara-politika ao Yemen andro telo hahitàna fifanarahana hamenoana ny fahabangana ara-politika na raha tsy izany dia izy ireo no handray ny fitondràna.

Nibitsika i Mohammed Al Qadi, Yemeni mpanao gazety :

governemanta iray takalonaina, filoha iray takalonaina, vahoaka iray takalonaina #Yemen

Satria tsy nisy marimaritra hita, dia nampiana teloandro fanampiny ilay fe-potoana, izay nifarana ny 7 Febroary tamin'ny 4 ora tolakandro, ora tao Yemen, narahan'ilay fanambaràna nolazaina fa “Fanambaràna araka ny Lalàm-panorenana”. Noravàn'ny Houthis ny antenimiera ary nosoloiny Transitional National Council (TNC) – Filankevi-pirenena Tetezamita – ahitàna mpikambana 551, hisy Filankevitry ny filoha hahitàna mpikambana 5 hofidian'ny TNC ary hatoltraho ankataavin'ny SRC, ao anatin'ny taona roa haharetan'ny tetezamita. Nalefa tamin'ny fahitalavitra ny fanambaràna manontolo avy ao amin'ny Lapan'ny Repoblika, ary nadikan'i Haykal Bafana ho amin'ny teny Angisy ato:

Ireto ny fanehoankevitra voalohany :

Hisham Al-Omeisy nibitsika tamim-pahaketrahana :

Tsy misy fifidianna, tsy misy digana, tsy misy na inona na inona…fa dia ny kaomity revolisionera fotsiny izao no mitantana “araka ny lalàm-panorenana” sy tompon'ny teny amin'ny Zavatra rehetra #Yemen

Hazavain'i Nadwa Dawsary mazava tsara hoe iza no toa tena eo amin'ny familiana :

#Yemen: kaomity faratampony revolisionera tarihan'i Mohammed Al-Houthis izao no mifehy. Kipitsopitsony ny ambiny. #Houthis

Manondro ny fanohanan'ny tafika izay toa manome aina ny Houthi i Sama Al-Hamdani :

Zavatra iray no mazava izao avy amin'ny mpihaino ny kabarinny #houthi tao amin'ny lapan'nyreoblika, ny tafika Yemenita no tànana mpanatanterak'izy ireo. #Yemen

Nibitsika ny zavatra efa nosaininy i Hakim Almasmari mpanao gazety :

Tsarovy ity bitsika nalefako efa ho maherin'ny telo volana lasa ity. Izay izany, “Efa niteny taminareo aho!”
[Mikononkonona zavatra GOAVANA ny houthistes. Tsy hisy dikany ny fakàna an'i Sana'a  raha oharina amin'izay mbola hitranga]

Nibitsika i Nadia Al-Sakkaf, minisitra fahiny nisahana ny fampahalalam-baovao :

Miketrika fifanarahana vaovao i Arabia Saodita, izay sady hidiran'i Islah (antoko islamista) sy GPC (kaongersim-bahoaka) mba hanatsimbadihana ny #Houthis. Tsy efa fandrenareo ve? Miverina hoazy ny tantara ao #Yemen

Haykal Bafanaa nibitsika ny sasany tamin'ny torohevitry ny realpolitik :

Ireto ny sasantsasany amin'ireo torohevitra ho an'ireo dilaomatin'ny UN manaraka eo izay mihevitra ny hanadrana & hamaha ny olan'ny Yemenita: aty Yemen, ny Herisetra no mamelona

Mandritra izany dia nibitsika i Hussain Al-Bukhaiti hoe :

Raha tokony ho fifampiraharahàna tany “movenpiek”, dia ho any amin'ny lapan'ny repoblika izany izao, mivoha ho an'ny fiaraha-miasa ny varavarana ao anatin'ny filankevitry ny filoha, governemanta & kaongresy nasionaly

Nampiany hoe:

Tsy misy fanambaràna avy amin'ny GPC&islah satria mbola miandry ny terana ho raisin'ny UN, ny GCC, ny G10, mampiseho aminareo izany fa miankina amin'ny any ivelany ry zalahy fa tsy ny vahoaka ao Yemen

Nisy ny afomanga fankalazàna taorian'ilay fanambaràna araka ity bitsiky ny Yemen Updates ity :

Afomanga sy poa-basy tao in #Sanaa sy Saada ho fankalazàna ny Fanambaràna an-dry zareo #Houthi .

Nasser Maweri nibitsika fa nisy fihetsiketsehana ho fanoherana izany tany an-toeran-kafa :

Sary iray hafa avy amin'ireo hetsi-panoherana tao #Taiz nitranga vao izao hanoherana ny #fanambaràn_ny_houthi #yemen

Bitsika feno eso avy amin'i Peter Salisbary, mpanao gazety:

Toa tafta tsara ny fanambaràna nataon'ny Houthis. 2/3 amin'ny mponina ihany no mahitra azy iny hatreto…#yemen

Efa miandry fifanatrehana eo amin'ny Filoha voaongana Ali Abdullah Saleh sy ny Houthis ireo Yemenita, na ho ela na ho haingana, izay efa mikaon-doha mikaroka fiarahamiasa amin'izao fotoana izao.
Yemen Updates nibitsika hoe:

Mivaky toy izao ilay fanambaràna: “Mpiara-dia ao anatin'ny Fanonganana; Mpifahavalo amin'ny hoavy. Nohamorain'ì  Saleh ny fakàn'ny Houthi an'i Sana'a

Jamal Badr nibitsika ny antanan-tohatry ny fifanatrehana farany, izay efa hitan'ny sasany nialoha :

Mitohy ny fiainana ho an'ireo Yemenita na eo aza ny kornana ara-politika, araka izay anasongadinan'ity lahatsoratra avy amin'ny New York Times azy ity:

Henjana, izay fotsiny izao no fiainana ao Yeen, omaly, androany ary isanandro. Tsy olana na nemttra-pialana nay aza ny filoha sy ny kabinetrany,na tsy nihodina nandritry ny herinandro maro aza ny governemanta, na hiteny aza ireo lehilahy mitàna fiadiana mifehy ny arabe rehetra fa hoe miomana ny hametraka fitondràna iray vaovao araka izay itiavany azy.
Miatrika tolona henjana hatrany ireo fianakaviana mba hahatafitàny ny androny ao anatin'ity firenena iray ity izay efa ela ny governemanta no tsy nahavita na dia ny nanome ireo tolotra ena ilaina aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.