Ity manaraka ity dia fandikàna feno ho amin'ny teny Anglisy ny lahatsoratra iray an'i Vadim Yelistratov izay navoaka tamin'ny teny Rosiana tao amin'ny tranonkala TJ tamin'ny 7 Febroary 2015.
“Asa, Fanatanjahantena, ary Vladimir Putin,” nosoratan'i Vadim Yelistratov
Ny 7 Febroary, nankalaza ny faha-herintaonany ny lalao Olaimpika fanao amin'ny andro Ririnina tao Sochi. Tena 12 volana katroka mihitsy tany aloha no nanombohan'ny iray tamin'ireo hetsika ara-panatanjahantena goavana indrindra tao Rosia. Marobe ireo Rosiana no niaina ny firongatry ny fitiavana tanindrazana nandritry ny Lalao (Nahazo ny anjara medaliny i Rosia, sady tsara karakara tokoa ny lanonana) ary nantenain-dry zareo fa ny fampiantranoana ny lalao dia hanatsara ny lazan'ny firenena eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.
Na izany aza, amin'izao Febroary 2015 izao, ao anaty krizy ara-toekarena i Rosia, ary tonga amin'ny fetra maha-ratsy azy ny fifandraisany amin'i Etazonia sy Eoropa. Ary saika noho izany indrindra, misy ny ezaka iraisana alefa amin'ireo onjampeo rehetra mba hampahatsiarovana ny Rosiana ny momba ny tsingerintaonan'ny fandresen'ny firenena tamin'ny Lalao Olaimpika.
Sarihan'ny TJournal ny saina mba ho any amin'ireo andianà bitsika mitovitovy, nalefa tamin'ny 7 Febroary, “nosoratan” ny “bots” (rindrambaiko informatika mibaiko tena) mikasika ny tsingerintaonan'ny Lalao Olaimpika.
Fahatsiarovana
Ny sasany amin'ireny bitsika natao dika maro ireny no nifantoka fotsiny tamin'ny fampahatsiahivana ireo mpamaky ny momba ny tsingerintaonan'ny Lalao Olaimpika. Nisy endrika vitsivitsy tamin'ity hafatra ity, izay mamerina ireo lohateny lehibe tamin'ny vaovao.
Критично. Мир, труд, спорт, Владимир Путин…ОЛИМПИАДА!!!
— EllenEverard (@EllenEverard1) February 7, 2015
Henjana. Fandriampahalemana, asa, fanatanjahantena, Vladimir Putin … Lalao Olaimpika!
Олимпиада в Сочи. Год спустя
— BoolmanWarren (@BoolmanWarren) February 7, 2015
Ny Lalao Olaimpika tao Sochi. Taona iray aty aoriana.
Россия: Ну, я пошла. Олимпиада! Всех победили! Урааа!
— Мария (@remendosans) February 7, 2015
Rosia: izay izany, vita ny ahy. Ny Lalao Olaimpika! Resintsika daholo ny rehetra! Hooraaaay!
Ровно год назад в Сочи стартовала Олимпиада
— Nikodim Tihonov (@adnudaxe) February 7, 2015
Herintaona katroka lasa izany, tao Sochi, nanomboka ny lalao Olaimpika.
Олимпиада в Сочи: год спустя. Россия сегодня вспоминает об Олимпийских играх …
— CristWhitney (@CristWhitney) February 7, 2015
Ny lalao Olaimpika tao Sochi: taona iray aty aoriana. Tsaroan'i Rosia androany ny Lalao Olaimpika…
Fijoroana Vavolombelona manokana
Ny bitsika sasany kosa niezaka nivarotra ny Lalao Olaimpika toy ny hoe hetsika manokan'ny tenany teo amin'ny fiainan'ny Rosiana tsirairay.
Олимпиада. Как это было для меня.
— ThorntonPoole (@ThorntonPoole1) February 7, 2015
Ny Lalao Olaimpika. Araka izay niainako azy.
Сегодня же #годпослеигр Олимпиада навсегда в моем сердце
— Arina (@arina_novak) February 7, 2015
Anio no #taonaIrayTaorianLalaoOlaimpika. Ho ao ampoko mandrakariva ny Lalao Olaimpika.
Voninahitry Ny Rosiana
Ny betsaka amin'ireny bitsika nalefan'ny “bots” ireny no manindry fa hoe “fahombiazam-pirenena” ho an'i Rosia ny Lalao Olaimpika izay nitondra “fiantraika miabo tamin'ny sary omena azy”
Олимпиада в Сочи: год национального триумфа 33/13
— CorralJarvis (@CorralJarvis) February 7, 2015
lalao Olaimpika tao Sochi : taona iray ho an'ny fahombiazan'ny firenentsika 33/13 [ny “33/13” dia midika isan'ny medaly azon'ny Rosiana (volamena sy volafotsy).]
Я смотрела во все глаза) Олимпиада в Сочи великое событие, которое положительно сказалось на имидже страны.
— reyna manayan pacho (@anyereyn) February 7, 2015
Tena narahako maso tsara mihitsy fony aho nijery. 🙂 Hetsika goavana be nisy fiantraikany miabo tamin'ny sary ahafantarana ny firenena ny Lalao Olaimpika.
Valim-pitsapankevitra
Tena mavitrika nefa tsy misy filazàna ny loharano nakany azy, nalefany ireo lohateny vaventy avy aminà lahatsoratra navoaka tao amin'ny The Russian Times sy ny RBC, namoaka valim-pitsapankevitra nataon'ny masoivoho Romir, Gallup International, ary ny VTsIOM.
Опрос: Крым и Олимпиада сделали россиян счастливыми
— Алёна Козлова (@woodyxt) February 7, 2015
Fitsapankevitra: Nahafaly ny Rosiana ny raharaha Krimea sy ny Lalao Olaimpika.
49 процентов россиян уверены, что Олимпиада повысила престиж России
— Анна Семенова (@Semenovadextsap) February 7, 2015
49 isanjato amin'ny Rosiana no resy lahatra fa nampitombo ny voninahitr'i Rosia ny Lalao Olaimpika.
Fitanisàna avy amin'i Putin sy ireo Atleta hafa manana haavo iraisam-pirenena
Matetika ireo kaonty “bots” no mamerina ireo fanambaràna mandokandoka avy amin'i Vladimir Putin, ilay in-telo efa tompondaka erantany tamin'ny fikorisàna amin'ny Skate Irina Rodnina, Vitaly Mutko Minisitry ny Fanatanjahantena, ary ny Filohan'ny Kaomity Rosiana Momba ny Lalao Olaimpika Alexander Zhukov.
Виталий Мутко: Олимпиада в Сочи – длинная дистанция с хорошим финишем
— Ирина Евдокимова (@lambi_tania) February 7, 2015
Vitaly Mutko: Lalàna lavitra ezaka niafàra tamin'ny zava-mahafinaritra ny Lalao Olaimpika tao Sochi
Путин: Олимпиада в Сочи вызвала всплеск положительных эмоций
— Alexey Gryzlov (@Alexeev001) February 7, 2015
Putin: niteraka fipoahana fihetsehampo miabo ny Lalao Olaimpika tao Sochi.
Роднина: Олимпиада в Сочи доказала, что РФ справляется с любой задачей
— Исаак Олин (@taprunch) February 7, 2015
Rodnina: Nasehon'ny Lalao Olaimpika tao Sochi fa vitan'i Rosia ny miatrika fanamby, na inona izany na inona.
Единая Россия: Фетисов: Олимпиада в Сочи была праздником для всей страны -
— Юля Люц (@Tratdi_Osood) February 7, 2015
United Russia: Fetisov: Lanonana ho an'ny firenena manontolo ny Lalao Olaimpika tao Sochi.
Жуков: Олимпиада в Сочи дала сильный толчок развитию спорта в России
— Искренне Вашъ (@Nikolasha_A) February 7, 2015
Zhukov: nanosika ny firoboroboan'ny fanatanjahantena tao Rosia ny Lalao Olaimpika tao Sochi.
Ny vidin-javatra lafo
Nony farany, ny iray tamin'ireo hafatra nobitsihana no nahazendana fa niezaka ny nanamaivana ny masom-bola nolaniana tamin'ireo Lalao Olaimpika, tamin'ny famerenany ny kajin'ny fandaniana, niainga avy amin'ny vola robla nihen-danja.
В пересчёте на нынешний курс доллара, сочинская олимпиада обошлась не так уж и дорого…
— DylanDerrick (@DylanDerrick3) February 7, 2015
Rehefa averinao kajiana amin'ny vola Robla amin'izao fotoana izao ny fandaniana tamin'iny, dia toa tsy nandany vola be toy inona ireo Lalao Olaimpika tao Sochi…
Ny fampahalalam-baovao Rosiana
Ny ankamaroan'ny mpampahalala vaovao Rosiana koa dia nitatitra momba ny tsingerintaonan'ny Lalao Olaimpika tamin'ny endriny miabo tsy misy fangarony, tsy niteny mihitsy zavatra mikasika ny krizy ara-toekarena naterany ho an'ny firenena. Tamin'ireo gazety goavana, ny hany mba namoaka zavatra mifanohitra momba ilay hetsika tamin'izany fotoana izany dia ny Argumenty i Fakty.