Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

GV Face: Voaràra Ao Yemen tantanin'i Houthi Ny Fihetsiketsehana

Ao anatin'ny korontana ara-politika i Yemen, tsy manana filoha sy governemanta io firenena io hatramin'ny nakan'ny milisy Houthi ny fitondram-panjakana sy ny lapam-panjakana tao Sanaa renivohitra. Tamin'ny 9 Febroary, namoaka antontan-taratasy miaraka amin'ny fangon'ny Ministeran'ny Atitany mandràra ny fihetsiketsehana rehetra ao Yemen izy ireo.

Fanapahan-kevitra vaovao ao amin'ny tanin'i Houthi: Voaràra ny hetsi-panoherana rehetra, mandray ny demokrasia vaovao i Yemen

Tamin'ny famoahana ny “Fanambarana ny Lalàmpanorenana” nataon'ny Houthis, eo am-pametrapetrahana ny toerany ny fahefana vaovao. Inona ny eritreretin'ny Yemenita? Ahoana no fahitan'izy ireo ny fotoanan'ny tetezamita eo ambany fitondran'ny Houthis ary inona no tena ahiahin'izy ireo?

Hiresaka amin'ireo mpikatroka avy ao Yemen isika ao anatin'ity andian'ny GVFace ity dia Baraa Shiban (@BShtwtr), Osama Alrawhani (@PoliticsYemen), Alhussain Albukhaiti (@HussainBukhaiti) ary @NoonArabia .

Mandamina ny adihevitra miaraka amiko i Amira Alhussaini, tonian-dahatsoratry ny MENA.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.