Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tatitry ny Fangaraharahana : Miakatra Be ny Fangatahana avy any Rosia

Images edited by Kevin Rothrock.

Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Namoaka ny tatitra mangarahara ny Twitter farany teo, mampiseho fa niakatra 40 isanjato ny fangatahan'ny governemanta ny mombamomba ny kaontin'ny mpiserasera hatramin'ny tatitra farany nataon'ny Twitter tamin'ny Jolay 2014. Nilaza ny Twitter fa naharay fangatahana marobe avy amin'ny firenena manerantany izy, saingy “miavaka” kosa ny firenena telo: Torkia, Etazonia, ary Rosia. Tao Rosia, niainga tamin'ny tsy naharaisana fangatahana tany am-boalohany ka tafakatra mihoatra ny 100 ny fangatahana mombamomba ny kaonty nandritra ity fotoana taterina ity. Tsy manome na inona na inona izahay ho valin'izany fangatahana rehetra izany,” hoy ny tatitry ny Twitter.

Nanampy tamin'ny fiakarana 84 isan-jato ihany koa i Rosia tamin'ireo “fangatahana tohanan'ny governemanta sy fangatahan'ny governemanta manerantany hanaisorana ireo vontoaty ao amin'ny Twitter,” nandefa fangatahana 91 tahaka izany tao amin'ny Twitter hatramin'ny Jolay 2014. “Ny fangatahana dia misy hatramin'ny fampiroboroboana fanafody tsy ara-dalàna ka hatramin'ny fikasana hanaisotra ireo fihetsiketsehana milamina” hoy ny Twitter. “Raha nahita izahay fa mifanaraka amin'ny fitsipika ny 13 isanjaton'ny fitakiana, dia nolavinay ny fangatahana maro hanampim-bava ireo mpitsikera malaza ny governemanta Rosiana sy fitakiana hafa hametra ny fanehoan-kevitra momba ny fihetsiketsehana milamina ao Okraina.”

Nanomboka namoaka tatitra mangarahara ny Twitter tamin'ny 2012. Hatreo, orinasan'ny teknolojia malaza hafa mihoatra ny 30 no nanaraka izany. “Zavatra tsara tokony atao ny manome izany vaovao anatiny izany” hoy ny Twitter tamin'ny fanambarana androany vao maraina, “indrindra amin'izao taonan'ny ahiahy tsy mitsaha-mitombo momba ny fanaraha-maso ataon'ny governemanta izao”

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.