Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Aogositra, 2014
Maty Vokatry ny Lozam-piaramanidina ny Kandidà ho Filoham-pirenena Breziliana Eduardo Campos
Nitovy tamin'ny andro nahafatesan'ny raibeny Miguel Arraes, izay iray tamin'ireo endrika lehibe indrindra teo amin'ny politika sosialista tany Brezila nandritra ny taonjato faha20, ny andro nahafatesan'i Campos, ny 13 Aogositra.
Roa Volana Taorian'ny Tondra-drano, Mbola Mikorontana Ny Fahalalahana Nomerika Ao Serbia
Taorian'ny tondra-drano nandravarava izay namely an'i Serbia tamin'ny volana Mey 2014, niharan'ny fanafihana ara-teknika ireo habaka ao amin'ny faritra maromaro izay namoaka ireo vaovao nitsikera ny ezaka fanavotana nataon'ny governemanta.
Andiam-Balala Hita Eto Antananarivo, Madagasikara
#valala pic.twitter.com/YHzOx5Q8QU — Vaintche Rahouli (@vincraholi) August 28, 2014 Namoaka sarin'andiam-balala manemitra an'Antananarivo renivohitr'i Madagasikara ny mpisera Twitter sy facebook maro avy eto Madagasikara. Tsy zava-tsy fahita eto Madagasikara ny fisian'andiam-balala, indrindra rehefa aorian'ny tadion'ny (rivodoza) andro mafana, fa tsy mahazatra kosa ny tanàna lehibe ny mahita izany. Mety handravarava...
Dibo-Drano Ny Tanànan'i Mizia Ao Bolgaria Taorian'ny Tondradrano Lehibe
Olona an-jatony no very trano fonenana tao amin'ny tanànan'i Mizia, tondraka ny reniranon'i Skat nohon'ny firotsahan'ny orana tsy nisy fitsaharany. Nanao ny ezaka rehetra ny vahoaka Bolgara teo amin'ny fanangonana ireo fanampiana hatolotra ireo traboina.
Miverina Misokatra Indray Ny Kianjan'ny Fahalalahana Ao Kambodza, Toeran'ny Fanoherana Ary Endriky Ny Fahalalahana Maneho Hevitra
Nofefen'ny mpitandro ny filaminana ny Kianjan'ny Fahalalahana ao Kambodza, taorian'ny naha-lasa toerana fototra azy ho fanaovana hetsika fanoherana ny governemanta.
Resaka Am-Pinday Mampihena Ny Fisamatsamahana Eo Amin'ny Indiana sy ny Pakistaney
Efa tamin'ny taona 1947 no nisian'ny rà mandriaka teo amin'i India sy Pakistana, mbola marefo ankehitriny ny fifandraisana eo amin'ny firenena roa tonta.
Tsy Manome Lanja Ny bilaogera Ny Rosiana Izay Vao Avy Nankatò Ny Lalàna Mifehy Ny Bilaogera
Tsy mahafantatra ny fisian'ny lalàna vaovao hoan'ny bilaogera ny ankamaroan'ny Rosiana, ary mihevitra ireo izay tsy mahafantatra izany fa mety ho zavatra tsara izany araka ny fitsapana hevitr'olona natao vao haingana.
Mafy Tsara Ve Ireo Sazy Avy Amin'ny Tandrefana Ho an'i Rosia?
Mbola namely mafy an'i Rosia tamin'ireo sazy faran'izay henjana ihany ny tandrefana, nilaza fa tena lasa zava-dehibe tokoa ankehitriny ny fitohizan'ny fanampian'i Rosia ireo mpisintaka any atsinanan'i Okraina. Fa mafy tsara ve anefa ireo ?
Fisorohana Ny Toetrandro Ratsy Ao Bangladesh
Ny tanjon'ny rodobe ho an'ny famantarana ny toetrandro ao Bangladesh dia ny fandalinana ny toetrandro ratsy any, anisan'izany ny tondradrano, ny rivomahery ary ny haintany.
“Casa Morada” Na “Ilay Trano Volomparasy”, Fikambanana Iray Ao Medellin Any Kolombià ‘ Hamoronana, Hankafizana Ary Handinihan-tena’
Morada na "Casa Morada", dia hevitra nitsiry avy tao amina fari-bohitra iray manahirana ao Medellin any Kolombià. Fantaro ny momba ireo tetikasa samihafa sahaniny izay mampiaraka ny zavakanto amin’ny fanabeazana sy ny fandraisana anjara.