Resaka Am-Pinday Mampihena Ny Fisamatsamahana Eo Amin'ny Indiana sy ny Pakistaney

Screenshot from the AIB Video

Pikantsary avy amin'ny AIB Video

Nandritra ny taona maro, nahita ezaka maromaro hanakanana ny lonilony naharitra ela teo amin'ireo firenena roa tonta i India sy Pakistana. Tamin'ny andron'ny Fahaleovantenan'i India tamin'ny 15 Aogositra 2014), nanome endrika hafa momba izany ny tarika mpanao hatsikana Indiana All India Bakchod (AIB) tamin'ny famoahana lahatsary mampiseho ireo Indiana olo-tsotra miresaka am-pinday amin'ny olon-tsy fantatra ao Pakistana.

Over the years, India and Pakistan have seen a number of efforts trying to break the perpetuated animosity between the two countries. On India's Independence Day on Aug. 15, 2014), Indian comedy collective All India Bakchod (AIB) gave it another shot, releasing a video that features ordinary Indians talking over the phone to strangers in Pakistan.

Amin'ity lahatsary ity, mifampiresaka amin'ny finday ireo olona tsy mifankafantatra India sy Pakistana. Miresaka momba ny fahitan'ny andaniny sy ny ankilany momba ny Indiana sy ny Pakistaney azy ireo izy ireo, miresaka ny fiainana manokana sy ny fialam-bolin'izy ireo, mijery izay marimaritra iraisana eo amin'izy ireo ary mifampiarahaba amin'ny Andron'ny Fahaleovantenan'ny firenena roa tonta.

Efa tamin'ny taona 1947 no nisian'ny rà mandriaka teo amin'i India sy Pakistana, raha nozarain'ny Britanika ho anatin'ny Dominiônan'i Pakistana (lasa Repoblika Islamikan'i Pakistana sy Repoblikam-bahoakan'i Bangladesh taty aoriana) sy ho Firaisamben'i India (izay lasa Repoblikan'i India taty aoriana) i India indrindra noho ny resaka fivavahana, mba hanakanana ny disadisa tsy mitsaha-mitombo eo amin'ireo fiarahamonina Hindou sy ny Miozolomana. Nandravarava ny firenena roa tonta ny fizarazarana, mbola marefo ny fifandraisan'izy ireo amin'izao fotoana izao, simban'ny ady, ny disadisa momba ny sisintany, ny tsy fahombiazan'ny miaramila ary ny ady mitohy amin'i Kashmir.

Raha mbola manontany ny antony maha-zava-dehibe ny ezaka tahaka izany mba hampihenana ny lonilony eo amin'ireo olom-pirenena ao amin'ny firenena roa tonta ianao, dia topazo maso fotsiny ireo fanehoan-kevitra ao amin'ny Youtube ao amin'ity lahatsary eo ambony ity. 

Bilaogera Indiana Farzana Versey nanome fandanjalanjan-kevitra amin'ny lahatsary:

Will this bring people on both sides (we are not even speaking about the two nations) closer together? This was a ‘controlled’ atmosphere, and even if comments were not censored it was understood that the conversation was to be light. What we see is one reality – the coffee shop or corner store one. The young even on campuses are politically aware and most certainly come with a bagful of stereotypes about the other. It does not negate the awareness about Bollywood, cricket, or food. Yet, all of these can be politicised on the day there is a clash of films, a match or a culinary competition.

Hampihavana kokoa ireo olona avy eo amin'ny andaniny sy ny ankilany ve izany (mbola tsy miresaka firenena roa tonta isika)? Zava-iainana «voafehy» izany, ary na dia tsy voasivana aza ireo fanehoan-kevitra, dia fantatra fa tokony hazava tsara ny resaka. Zavamisy iray no hitantsika  – mpivarotra kafe na fivarotana eny amin'ny fivilian-dalana iray. Na ny tanora any amin'ny tobim-pianarana ambony aza mba mahafantatra tsara ara-politika ary manana fisainana feno ftsarana an-tendrony momba ny ankilany ny ankamaroan'izy ireo. Tsy manafoana ny fahalalàna tsara momba ny Bollywood, cricket, na sakafo izany. Na izany aza, mety ho azo avadika politika izany rehetra izany amin'ny andro hisian'ny fifaninanana horonantsari-mihetsika, lalao fanatanjahatena na lalao fandrahoana sakafo.

Nanome ny fijeriny ihany koa izy:

Love it…just don’t take it as the whole truth.

Tiavo izany … aza raisina ho ny marina rehetra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.