
“Mitomany sy misaona ny nahalasanan'ny mpitarika anay izay tokony ho nitondra fanovana ho an'i Brezila izahay”. Sary vaventy avy amin'ny Facebook-n'ny sampan'ny PSB any Franca, São Paulo
Nodimandry androany tamin'ny 10 ora sy 15 minitra i Eduardo Campos, 49 taona, noho ny lozam-piaramanidina tany amin'ny tananàn'i Santos, São Paulo. Kandidà nilatsaka hofidiana amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena, izay tokony hotontosaina ny volana Oktobra ho avy izao, ny governoram-panjakana taloha tao Pernambuco.
Nianjera ilay fiaramanidina manokana raha efa niomana ny hipetraka tanatin'ny toetrandro ratsy, ka nahafaty an'i Campos sy olona enina hafa mpanamory sy mpandeha.
Nandritra ireo fanadihadiana natao, nitàna ny laharana fahatelo i Campos, izay niady ho an'ny Antoko Sosialista Breziliana (PSB). Nitovy tamin'ny andro nahafatesan'ny raibeny Miguel Arraes, izay iray tamin'ireo endrika lehibe indrindra teo amin'ny politika sosialista tany Brezila nandritra ny taonjato faha20, ny andro nahafatesan'i Campos, dia ny 13 Aogositra izany.
Namela mananotena, zanaka lahy 4 sy vavitokana izy.
Nandona ny maro tanatin'ny firenena ny fahafatesany, izay nahotsokotson'ireo hetsi-panoherana ny fitondrana nandritra ny taona lasa. Maneho ny fihetseham-pony ny vahoaka ary naneho ny fiaraha-miory tao amin'ny Twitter:
Brasil chocado de norte a sul com a morte de Eduardo Campos
— Alcinéa Cavalcante (@alcinea) agosto 13, 2014
Avy any avaratra hatrany atsimo, voadona noho ny fahafatesan'i Eduardo Campos i Brezila.
Nao posso acreditar o que aconteceu com Eduardo Campos, Brasil ta chocado, meu Deus!!! Muita foda acontece.
— Leonardo Gabriel (@Lebito) agosto 13, 2014
Tsy vitako ny mino ny zava-nitranga tamin'i Eduardo Campos, tohina i Brezila, Andriamanitro ô ! Ndrekaky ô, inona re ity mitranga ity?
Estou chocado com a noticia da morte de Eduardo Campos. Grandíssima perda. Sem palavras.
— Diego D'Ermoggine (@diegoder) agosto 13, 2014
Tohina noho ny fahafatesan'i Eduardo Campos aho. Fahaverezana goavana. Tsy hitako izay hotenenina.
Eduardo Campos foi um grande lutador das causas democráticas. Estou chocado. Hoje é um dia muito triste.
— Sergio Amadeu (@samadeu) agosto 13, 2014
Mpiady mahery ho an'ny demokrasia i Eduardo Campos. Tohina aho. Tena andro mahaory izao.