Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Oktobra, 2013
GV Face: Ny Zavatra Rehetra Ilainao Fantarina Momba ireo #SudanRevolts
Mitafa miaraka amin'ireo Sodaney mpanoratra ho antsika, Usamah M, sy Magdi ElGizouli, tompon'ilay bilaogy malaza Still Sudan ny tonian-dahatsoratsika ao MENA, ary manontany azy ireo raha ity no Lohataona Arabo manaraka.
‘Chayn’, Vohikala Vaovao ho an'ireo Iharan'ny Herisetra An-tokatrano any Pakistana
Miezaka hanampy ireo vehivavy any Pakistana ny vohikala iray tarihanà vondrom-bahoaka mpirotsaka an-tsitrapo, izay manodidina ny 70-80 isanjaton'ny vehivavy no iharan'ny endrikà herisetra an-tokatrano.
Ho An'ny Rosiana Mpanohitra, Hatsiaka Mandoro Ny Afo Olaimpika
Olona an-tapitrisa no nijery tamin'ny lahatsarin'ny youtube ny fandrehetana ilay afo Olaimpika taminà brike rehefa maty ny lelafon'ny 2014 nandritra ny fifandimbiasam-pitondrana azy .
Veloma Farany Ataon'i Vietnam Ho An'Ilay Mahery Fo An'Ady
Ny 4 Oktobra lasa teo, nodimandry tamin'ny faha-103 taona i Giap, ilay 'Red Napoleon, na "Napoleon Mena" sady miaramila fanta-daza mpanao tetikady tamin'ny taonjato faha 20 izay nitondra ny tafika Vietnamiana tany amin'ny fandresenaireo hery Frantsay sy Amerikanina.
Mampiray Ny Faritra Ho Ao Anatin'ny Fankalazana Ny Fahalanian'i Bosnia-Herzegovina Hiatrika Ny Fiadiana Ny Tompon-daka Eran-tany – Baolina Kitra
Mizotra mankany amin'ny Fiadiana ny ho Tompon-dakan'ny baolina kitra any Brezila amin'ny 2014 i Bosnia-Herzegovina. Mirotsaka ny arahaba ao anaty aterineto avy amin'ireo mpankafy Serba, Kroaty ary ireo teratany ao Montenegro.
Fanararaotana, Karama Ambany Ary Fahalalahana Kiritika : Fiainan'ny Vahiny Mpiasa an-Trano Any Hong Kong
Nampisongadina ny fomba fiainan'ireo mpiasa an-trano tany Hong Kong ny zava-niseho tamin'ilay mpiasa vavy Kartika Puspitasari, izay novonoina sy nampijalian'ireo mpampiasa azy.
Ho Tsara Fiafara Ve Ny Krizy Nokleary Ao Iran Amin'ity Indray Mitoraka Ity?
Manontany ireo Iraniana ao amin'ny Twitter raha hitera-baovao mahafaly hoan'i Iran ny dinidinika farany niarahana tamin'ireo firenena matanjaka manerantany.
Mpanao Gazety Shinoa Nosamborina Rehefa Avy Namoaka Raharahanà Kolikoly Tao Amin'ny Aterineto
Nosamborina tamin'ny fomba ofisialy ilay mpanao gazety antsoina hoe Liu Hu rehefa avy niampanga tompon'andraikitra ambony ho nanao kolikoly
Fironana Tampoka Amin'ny Fampianarana Tohana any Singapore
Niroborobo ny Tohana manokana sy ireo ivon-toeram-panohanana any Singapore noho ny fanohizan'ireo ray aman-dreny mandany vola hanatsarana ny fanabeazana ny zanany. Tsara izany sa ratsy?
Ilay Tarika Syriana-Palestiniana “Refugees of Rap” : “Efa Lasa Ny Fotoanan'ny Fahanginana “
Taorian'ny nanapotehan'ny Fitondrana Assad ilay Studio novatsian'ny Firenena Mikambana vola, izay nantsoinay hoe Sawt Al Shaab (Ny feon'ny Vahoaka),dia tao amin'ny faritra fonenan'ireo mpialokaloka tao Yarmouk ny tarika Refugees of Rap no nitoby. Vakio ato ny tohiny.