‘Chayn’, Vohikala Vaovao ho an'ireo Iharan'ny Herisetra An-tokatrano any Pakistana

Ho an'ireo vehivavy ao Pakistana, fandrahonana goavana ny herisetra an-tokatrano. Manombatombana ireo ONG any an-toerana fa manodidina ny 70 ka hatramin'ny 80 isanjaton'ny vehivavy ao Pakistana no iharan'ny herisetra am-bava, ara-pananahana, ara-pihetseham-po na koa ara-batana any an-tokatranony, araka ny Human Rights Watch (Fanaraha-maso ny Zon'olombelona).

Tsy ampy ny ezaky ny governemanta hahatonga saina na hampiditra lalàna henjana kokoa. Eo amin'ny 5.000 ireo vehivavy maty isan-taona noho ny herisetra any an-tokatrano, ary an'arivony ireo avotra saingy mitondra takaitra. Vitsy ireo azony hialofana, ary matetika dia tsy vahaolana azo andrandraina ny fampiharana ny lalàna.

Screenshot of Chayn Website

Sarin'ny Chayn.

Na izany aza, miezaka ny hanova ny zava-misy ny Chayn, vohikala tarihanà vondrom-bahoaka mpirotsaka an-tsitrapo, amin'ny alalan'ny fanohanana ireo vehivavy iharan'ny herisetra an-tokatrano ao Pakistana. Mikendry ny hanaitra ny saina manoloana ny herisetra ara-pihetseham-po sy ara-batana ny Chayn, sy hanome fampahalalana momba ny fomba hiadiana amin'izany herisetra izany, ary hampahafantatra ireo vehivavy Pakistaney ny zony. Miasa tahaka ny rafitra fanohanana ao anaty aterineto ihany koa io vohikala io, izay ahafahan'ireo vehivavy mizara ny tantarany mikasika ny herisetra nihatra taminy sy ny dona naterak'izany.

Manome ny hevitra ambadik'izany ny mpanangana azy, Hera Hussain, manana maripahaizana amin'ny fandalinana ny toetsaina sy ny toekarena ary mpandraharaha ara-tsosialy, anatinà lahatsoratra iray:

Efa hatry ny ela aho no te-hanao zavatra hanohanana ireo vehivavy ao Pakistana. [..] Tamin'ny fikarohako loharanom-baovao tamin'ny aterineto momba ny herisetra an-tokatrano ao Pakistana  nandritra ny volana maro ho anà namana roa izay mitsoaka io tranganà herisetra io – dia nahalala aho fa tsy nisy ny karazana vohikala toy izany. [..] Fantatro ihany koa fa sarotra ho an'ireo vehivavy ny mahita fampahalalana azo antoka momba ny lalàna ao Pakistana sy ny fanampiana hita ao anaty aterineto. Ankoatra izay, koa satria tafalatsaka anatinà fahoriana lalina ireo vehivavy iharan'ny trangan-javatra tahaka izany, tsy afaka mieritreritra tsara momba ny safidy misokatra ho azy ireo ny tenany. Milaza foana aho fa ny fahatsapana fahoriana lalina dia tahaka ny fanaovana solomaso miaro amin'ny masoandro – hafa ny lokon'izao tontolo izao. Tahaka ny hafa daholo ny zava-drehetra. Zava-dehibe ho an'ny vehivavy ny fananany fampahalalana amin'ny fahasalamana ara-tsaina mba hahafahan'izy ireo mamantatra sy mahatakatra ireo zavatra tahaka ny fahoriana lalina, ny fitaintainana ary ireo eritreritra hamono tena. Ary avy eo misy ny olana eo amin'ny fahafantarana ireo lalàna fisaraham-panambadiana sy ireo safidy ilaina fakafakaina sy misy ao Pakistana.

Mifantoka indrindra amin'ireo vehivavy Pakistaney nobeazina io vohikala io ary manantena i Hussain fa afaka hampiasa io vohikala io izy ireo sady hahazo ‘Chayn’ (izay midika fandriampahalemana sy fahatoniana amin'ny teny Urdu) amin'ny herisetra an-tokatrano mihatra aminy.

islamconsentTanatinà tafatafa niarahany tamin'ny The Diplomat, nanazava mikasika ny ekipa i Hussain:

Ireo mpirotsaka an-tsitrapo feno fandavan-tena sy liana no mampiodina ny Chayn anatin'izany asa tapakandro izany. Nila mpirotsaka an-tsitrapo 70 maneran-tany ny fananganana ny vohikalan'ny Chayn. Ankehitriny dia 35 ireo mpirotsaka an-tsitrapo mbola manohy ny asany ao anatin'io vohikala io. Tsy misy mpitantana ny Chayn. Amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa manerana ireo sisin-tany sy ny fahasamihafan'ny ora ary ny fampiasàna Facebook, Skype, Google Plus sy Google Docs no hiasanay. Maro amin'ireo anatin'io ekipa io no tanora nefa efa lasa lavitra.

Nizara ny fizotran'ny fanavaozana ny Chayn ihany koa izy:

Mampiasa endrika iray ao amin'ny Wiki izahay, ka manasa ireo mpitsidika ny vohikala hametraka fanavaozana hevi-baovao ho an'ny votoatin-kevitra. Miova matetika ny votoaty hita ao anatin'io vohikala io.

domAmpiasaina tahaka ny sehatra fitantarana ihany koa io vohikala io. Manamafy i Hera fa afaka hakan'ny hafa lesona hialàna anatin'ny fiarahana mifono herisetra misy azy ireo ny fizarana tantara sy zava-niainana avy amin'olona tsy nitonona anarana ao amin'ny efitry ny catharsis.

Mahamarika ny haingo mampiavaka io vohikala io ny mpitoraka bilaogy Saniya Mujahid:

Nahamarika aho fa manana marika “Afeno ity pejy ity” ilay vohikala, izay mihevaheva foana ka rehefa tsindrina dia ohatrany hoe mamaky Daily Times tsotra ny mpamaky. Fitaovana tena ilaina izany ho an'ny olona matahotra ho hitan'ny mpanararaotra azy mijery vohikala izay mampirisika azy hiala anatinà fiarahana mifono herisetra.

Nidera io vohikala io ireo mpampiasa Twitter. Nitoraka bitsika i Tanya Dlima (@TanyaDlima1):

Loharano iray mahagaga tsotra izao ho an'ireo vehivavy Pakistaney tsirairay izay iharan'ny herisetra an-tokantrano sy ny fanararaotana. Mampirisika ny rehetra hampiasa sy hizara izany aho.

Nampirisika ny olon-drehetra hanaparitaka ny teny i Meera Ghani (@MeeraGhani):

Aparitaho ny teny, mety hanampy ny maro, izay mety tsy ho fantatrao akory fa iharan'ny herisetra mangingina, izany.

Naminavina hanao hetsika ivelan'y aterineto ny Chayn atsy ho atsy. Ny tetikasan'i Hussain manaraka dia ny hanangana ny Chayn ao Inde sy Bangladesh, hamorona sehatra “pop-up” fialofana ary hametraka fiaraha-miasa amin'ny famatsiana.

Araho ao amin'ny Twitter (@chaynorg) io tetikasa io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.