
http://msn.foxsports.com/ Minisitry ny Raharaham-bahiny Iraniana, Mohammad Javad Zarif (Source: ISNA)
Nifarana tamin'ny Alarobia ny fifampiraharahana momba ny nokleary teo amin'i Iran sy ireo firenena enina matanjaka indrindra tao Geneva, taorian'ny fifampiresahana goavana naharitra roa andro. Mahavelom-bolo ny fahitan'i Iran sy ireo mpiara-miasa aminy ny dinidinika ary mikarakara andianà fifampiresahana hafa amin'ny volana Novambra indray izy ireo ankehitriny.
Araka ny loharanom-baovao avy amin'ny masoivoho, nilaza ny solontena Iraniana fa vonona handinika indray ireo drafitrasa ara-nokleary mampidi-doza i Iran mba hialàna amin'ireo sazy maika ho fanamaivanana.
Nizara ny fihetseham-pony sy ny heviny tao amin'ny fihetsiketsehana ivelany ireo mpiserasera Iraniana izay maharitra mandritra ny folo taona ankehitriny. Mifandimby ny fifampiresahana, miovaova ny tanàndehibe, kanefa mbola manjaka ny krizy.
Ho tsara fiafara ve amin'ity indray mitoraka ity?
Tao amin'ny Twitter, Arash Sobhani, naneho hevitra feno esoeso:
انرژی هسته ای حق مسلم ماست ولی مفاد مذاکرات در مورد حق مسلم ما محرمانه میمونه! فقط 5+1 میدونن و نظام / دانستن حق مردم نیست عجالتاً
— arashsobhani (@arash_sobhani) October 16, 2013
Zòntsika fototra ny angovo nokleary [Naverimberin'ny repoblika islamika nandritra ny taona maro izany teny filamatra izany], kanefa mijanona ho tsiambaratelo ny antsipirihan'ny fifampiraharahana momba ity zo fototra ity. Ny fitondrana sy ireo firenena matanjaka manerantany ihany no mahalala izay niseho. Satria lazaina fa tsy zon'ny olona ny mahalala izany.
Tao amin'ny Twitter ihany koa, manana fanantenana i Madyar ary nilaza hoe:
از مذاکرات ژنو خبرهای خوبی می رسد؛ به نظر اولین گام های #عملی در حال برداشته شدن است
— madyar (@madyar) October 16, 2013
Vaovao mahafaly avy ao Geneva. Toa efa noraisina ny fepetra fampiharana voalohany.
Nilaza i Korosh fa manana olana lehibe ankoatra ny fifampiraharahana ny lohandohan'ny mpitarika ny dinidinika ara-nokleary; ny fanaintainana ao amin'ny lamosin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Iraniana, Mohammad Javad Zarif, manery azy hipetraka amin'ny seza atosika (fauteuil roulant). Korosh nanoratra hoe:
کمر درد و پادرد زمین گیرش کرده ولی با لبخند میره جلو تا دشمنا فکر نکن کم اورده و نمی تونه حق ملت ایران رو بگیره #ژنو pic.twitter.com/hEJY4vuiVc — Korosh (@Korosh6606) October 16, 2013
Na dia eo aza ny fahararian-damosiny, miroso sy feno tsikitsiky hatrany izy mba hampahafantatra amin'ireo fahavalo fa afaka miaro tsara ny zon'i Iran izy.
Tao amin'ny Twitter ihany koa, nihevitra i Drekshepherd fa afaka manokatra vanim-potoana vaovao amin'ny fifandraisan'i Iran-Etazonia ny fifampiraharahana:
از این به بعد بجای شعار مرگ بر آمریکا بگوییم: درود بر صلح و انسان, از آمریکا تا ایران #ژنو #ظریف #اشتون
— صابر←درِک شپرد (@derekshepherd_2) October 16, 2013
Manomboka androany, ho solon'ny hoe “Miala i Etazonia”, andeha hiventso hoe “Ho ela velona ny filaminana sy ny mahaolona eo amin'i Iran sy Etazonia.”